Navoakan’ ny We Are Not Numbers voalohany, tamin'ny 9 Oktobra 2023 ity tantara ity. Nosoratan'i Eman Ashraf Alhaj Ali, ho fitantarana manokana avy any amin'ny voadaroka baomba tsy ankiato.
Taorian'ny fanafihana nataon'ny Hetsika Fifaharana Islamika Palestiniana, (Palestinian Islamic Resistance Movement ) (Hamas) tamin'ny Sabotsy 7 Oktobra, nanao fanafihana an'habakabaka goavana tao amin'ny Tetezan-tanin'i Gaza i Israely, tsy niraharaha ny fiarovana ny sivily tafahitsoka ao amin'ny faritra, izay niaritra fahirano nandritra ny 16 taona mahery. Fanampin'izany, ny fihetsik'i Israely dia ahitana “famaizana iombonana“, satria nanapaka ny famatsiana fitaovana tena ilaina toy ny sakafo, rano, solika ary herinaratra izy, ka manimba ny fiainan'ny mponina maherin'ny 2,5 tapitrisa voahidy ao amin'ilay faritra. Goavana ny famoizan'aina naterak'ireo zava-nitranga tato ho ato ireo.
Misy zavatra iray tiako ho fantatry ny olona momba ny fiainana eo ambany fibodoana Israeliana, dia ny ny hiran'ny vorona azo soloina amin'ny hafainganan'ny kiakiakan'ny balafomanga. Amin'ny ankamaroan'ny maraina ao Gaza, mifoha mandre ny feon'ny fody Espaniola mandravaka ny varavarankelin'ny lakozianay ny fianakaviako. Manaitra ireo zandriko am-pitiavana ny reniko ary manomboka amin'ny vavaka Al-Fajr ny andronay — mandro ao anatin'ny fitahian'i Allah, na dia manomana mialoha ny lisitr'ireo zavatra tokony hatao nomanina antsipiriany aza izahay.
Na izany aza, nampahatsiahy anay ny marainan’ny 7 Oktobra fa tsy azo antoka mihitsy ny fahazaranay, na dia masina aza. Nihiratra ny masoko, voagejan'ny horohoro rehefa nanovitrovitra ny lanitra milamina teo ambonin'ny tranonay ny firohondrohon'ny balafomanga.
“Neny, inona no mitranga?” nangovitra ny feoko.
Vao tonga avy nianatra ireo rahalahiko sy anabaviko, enina ka hatramin’ny 12 taona. Nihazakazaka nankeny am-baravarankely izahay ary nahita azy ireo teny an-dalana rehefa niantso vonjy izy ireo, feno tahotra ny feon'izy ireo. “Miverena avy hatrany!” nitalaho ny reniko.
“Niverina indray ny andron'ny tahotra…,” hoy aho ningonongonona, zara raha nihoatra bitsika ny feoko. Noraisiko ny findaiko, nitady valiny tao amin'ny tontolo nomerika. Mampitomany ny masoko ny lohatenim-baovao toy ny hoe “Mivoady ‘hamaly faty’ i Israely taorian'ny fanafihana tampoka. Mety ho sarotra takarina ny fiovana haingana toy izany, saingy toy izany ny fiainana ao Gaza. Hiram-borona iray minitra; balafomanga avy eo ny manaraka.
Andro vitsy lasa izay dia nizotra tamim-pilaminana ny fiainana. Rehefa avy niasa aho dia nankany amin'ny toerana fanaovana fanatanjahantena, ary nihaona tamin'i Asmaa namako. Niresaka momba ny filàna maika ny hidirana lalindalina kokoa amin'ny zava-misy manohina ny fo eto Gaza izahay, mba hikarohana ireo fahamarinana miafina any ambanin'ny tany. Tsy fantatray fa hifoha amin’ny nofinofy rava indray izahay, dia fitsapana mampahory iray hafa.
Tao anatin'ny andro vitsivitsy izay, nitohy nirotsaka ny vaovao mampahory fo, amin'ny fanambarana tsirairay izay tsy azo zakaina mihoatra noho ny teo aloha: nitodika tany amin'ny tokantranon'olon-tsotra ny Isiraely, ka namela lehilahy iray namoy ny fianakaviany manontolo. Nitomany noho ny fahamoizan'ny namany malalany ny tovovavy iray. Nahatratra an-jatony ireo namoy ny ainy. Betsaka kokoa ny fanahy nalaina tao anatin'ny korontan-trano rava. Trano tsy tambo isaina no rava, tontolo iray simba noho ny vono olona sy ny fandripahana. Potika ireo Moske — mariky ny finoanay — ary fiara mpamonjy voina roa farafahakeliny no lasibatra.
Na dia ankehitriny aza, mampivarahontsana ahy ny fitabatabana mankarenin-tsofina ataon'ny anjombona , mizaha toetra ny fahatoniako ny fianjeran'ny balafomanga mankarenina eo akaikin'ny tranonay, mandoko ny varavarankeliko ho mena ny famirapiratan'ny loza mananontanona. Tsapako anefa ny vesatry ny andraikitro mavesa-danja amiko, ka tsy manan-tsafidy afa-tsy ny manohy aho. Maka ny solosaina findaiko aho ary manery ny tenako hifantoka, satria fantatro fa tsy safidy ny tsy mahafeno ny fe-potoana farany amitàna asa.
Tahaka ny fianakaviana Gazaiôta rehetra, manana kitapo vonjy maika izahay, misy akanjo sy antontan-taratasy ilaina raha sendra misy fivoahana tampoka. Miara-mivondrona izahay, fianakaviana tafaray noho ny tahotry ny tsy fantatra, mifamatotra amin’ny fikoriam-baovao farany tsy an-kijanona ny vavaka ataonay.
Izany no Gaza, fiainana mangidy, izay mitondra anay manakaiky ny hantsana ny isan'andro. Miatrika lozam-pahafatesana isan'andro izahay, eo ambany vesatry ny mpampahory tsy ara-drariny, fanjakana tsy mifaditrovana sy tsy manana indrafo izay mamehy ny tendanay — mangalatra ny fahadiovan-tsaina sy ny fifalian'ny zanakay ary ny hiran'ny vorona eo am-baravarankely.