Tantara mikasika ny Palestina tamin'ny Oktobra, 2018
Ity herinandro ity tao amin'ny bilaogy Palestiniana
Tsingerintaona nahaterahan'i Laila el-Haddad' izao! Nandany andro feno zavatra tsy nampoizina niaraka tamin'ny zanany lahy Yousuf izy.
Indonézia-Gaza : Blaogera mifanandrina amin'ny haino aman-jery mikasika an'i Gaza
Naneho hevitra tamin'ny fomba feno herisetra tamin'ilay ady nisy teo amin'ny Israeliana sy ny Palestiniana ireo haino aman-jery Indoneziana nentim-paharazana, indrindra ireo gazety sasany sy fahitalavitra mpanohana ny Islamika. Tamin'ny alalan'ireo fampahalalam-baovao ireo, hitantsika fa manolotra ''fampiofanana ara-miaramila'' ireo vondrona mpanao an-tendrony mba handehanan'ny sasany hiady any Palestina ho an'ny jiady.
Any Kivu hatrany Gaza : Ny fomba isafidianan'ireo haino aman-jery ny ady ho rakofany
''Fa nahoana no kely ihany ny fifantohantsaina atokan'ny haino aman-jery ho an'ireo ady any Afrika, indrindra ireo loza mahatsiravina mitranga ao Kivu, izany no fanontaniana hatry ny fahagolantany (misisika toy ilay fitiavana hahalàla ny antony tsy hanaovan'ireo haino aman-jery iraisam-pirenena izany raha tsy resaka fifandirana irery ihany, rehefa mandrakotra an'i Afrika izy ireo).''
Libanona miresaka momba ny ady sakafo Hummus
Nifanatrika tamin'ny fifaninanana henjana ireo mpamokatra hummus Israeliana sy Libaney noho ny hetaheta manerantany tsy mitsaha-mitombo ho an'ny '"dip" matsiro any Afovoany -atsinanana .
MENA: Nametra-pialana ny mpandrindra ny fampielezan-kevitr'i Obama ho an'ny Miozolomana
Nametra-pialàna i Mazen Asbahi, mpisolovava nanolo-tena ho an'ny Amerikanina Miozolomana sy Arabo mba ho mpandrindra ny fampielezan-kevitr'i Barack Obama taorian'ny fiampangana azy ho mifandray amin'i Jamal Said, imam ao amin'ny moské fondamentalista ao Illinois.
Masoarabo: Misaona an'i Mahmoud Darwish
Nisaona ny fahafatesan'ilay poeta Palestiniana Mahmoud Darwish androany ny bilaogera manerana ny tontolo Arabo. Lahatsoratra marobe no nivoaka an-tserasera tamin'ny teny Arabo sy Anglisy talohan'ny nanamafisana ny vaovao ofisialy momba ny fahafatesany.
Palestina: Mieritreritra fandevenana tsy tena izy
Tena sarotra ho an'ny Palestiniana ao amin'ny Morondrano Andrefana sy Gaza ny hitsidika an'i Israely, ary noho ny antony ara-politika dia tsy ho vitan'ny ankamaroan'ny Arabo hafa ny manao izany, satria tsy ankatoavin'ny ankamaroan'ny firenena Arabo ho toy ny fanjakana i Isiraely.