Tantara mikasika ny Palestina tamin'ny Aogositra, 2017
Ireo Palestiniana Mpanao Gazety Indray No Lasa Lasibatra Voalohany Tamin'ilay Lalàna Hiadiana Amin'ny Heloka Bevava Atao Amin'ny Aterineto
Noho ny "famoahana vaovao ho an'ireo vondrona mpanohitra", nampangaina tamin'ny alàlan'ilay lalàna vaovao mifehy ny heloka bevava atao amin'ny aterineto vao avy nankatoavina ireo mpanao gazety.
Misaona An'Ilay Poety Palestiniana Mahmoud Darwish Ireo Bilaogera Jordaniana
Nisaona ilay poeta andrarezina Palestiniana , Mahmoud Darwish ny tontolon'ny bilaogy Jordaniana izay maty noho ny fahasarotana nisy teo amin'ny fandidiana fo teo amin'ny faha 67 taonany tamin'ity herinandro ity. Heverina ho ambasadaoro sy tompondaka tamin'ny fiarovana ny Palestiniana izy; maneho mazava ny fihetseham-po eny an-dalambe ao anatin'ny fampisehoana poetika.
Ny Herinandro Tao Amin'ny Bilaogy Palestiniana: May Izao Tontolo Izao
Raha manatelina an'i Libanona ny lelan'ny ady, mbola mitohy ny fanafihana an'i Gaza. Maro amin'ireo namoy ny ainy no zanaka Palestiniana, ny sasany zara raha herintaona monja, ary satria mikarakara handevina azy ireo ny fianakaviana, mametraka fanontaniana lehibe i Haitham Sabbah hoe: "Ahoana no hanadinoantsika? Ahoana no hamelantsika heloka? "
Tezitra Noho Ny Sivana Amin'ny Aterineto, Palestiniana Miteny #AtsaharoNyFanakanana #NoToBlocking
Fantatra noho ny fanakianany ny Manampahefana Palestiniana sy ny filohany, Mahmoud Abbas, ireo vohikala voasakana.
Palestina: Ireo “Mpandeha Lavitra Hoan'ny Fahalalahana” Mihantsy ny Fanavakavahana Anaty Fiara Fitateram-bahoaka
Ny 15 Novambra, andiana Palestiniana mpikatroka no voasambotra raha iny nandeha tanaty fiara fitateram-bahoaka nitatitra israeliana mpanjanaka iny. Miantso ny tenany hoe “The Freedom Riders” (Ireo Mpandeha Lavitra Hoan'ny fahalalahana) ireo mpikatroka ireo, hevitra nalaina avy amin'ireo amerikana mafana fo mpiaro ireo zo sivily tamin'ny taona 1961