Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Any Bahrain, Heloka Bevava Ny Asa Fanaovana Gazety

American journalist Anna Therese Day was arrested in Bahrain for covering protests to mark the fifth anniversary of Arab Spring-like protests which still continue. Photograph shared on social media after Day's arrest

Nosamborina tany Bahrain i Anna Therese Day, Amerikana mpanao gazety, noho ny fandrakofany ny fanamarihana ny fahadimy taonan'ireo hetsi-panoherana mitovy amin'ny Lohataona Arabo, izay mbola mitohy hatramin'izao. Sary nozaraina tao amin'ny mediam-bahoaka taorian'ny fisamborana an'i Day ( Loharanon-tsary: frontlinefreelance.org)

Voasambotra tany Bahrain i Anna Therese Day, Amerikana iray mpanao gazety nahazo marim-pankasitrahana, niaraka tamin'ny telo amin'ireo mpikambana ao amin'ny ekipany, izay Amerikana ihany koa, noho ny fandrakofany ireo hetsi-panoherana natao hanamarihana ny fahadimy taonan'ireo hetsi-panoherana mitovy amin'ny Lohataona Arabo, izay mbola mitohy mandrak'androany.

Voaroaka tamin'ny 16 Febroary izy sy ny ekipany, rehefa voatazona iray andro tany am-ponja. Nosamborina nandritra ny hetsi-panoherana tao Sitra io ekipa io, ary nampangaina ho nandray anjara tanatinà hetsi-panoherana tsy ara-dalàna sy nisandoka anton-draharaha mba hidirany tao amin'ny firenena.

Zatra mandràra ny fidiran'ireo mpanao gazety avy any ivelany ao amin'ny firenena i Bahrain (Manana tatitra amin'ny antsipirihany kokoa ny Bahrain Watch's Access Denied eto), miaraka amin'ireo mpiasan'ny ONG sy mpiaro ny zon'ny mpiasa — amin'ny ankapobeny, na iza na iza mitsikera ny firenena noho ny famoretany ireo hetsi-panoherana, ny fahalalahàn'ny olom-pirenena, ny fahalalahàna miteny sy ny zon'olombelona.

Ao amin'ny andiam-bitsika, miampanga an'i Day sy ny ekipany ho nandray anjara tanatinà hetsi-panoherana tsy ara-dalàna ny Minitsy ny Atitany ao Bahrain:

Amerikana efatra no voasambotra taorian'ny nahatrarana ny iray tamin'izy ireo nisaron-tava nandritra ny fandraisany anjara niaraka tamin'ireo mpirotaka tao Sitra

Ny sisa kosa voasambotra tao amin'ny tobim-pisavan'ny polisy tao amin'io faritra io ihany

Ireo voasambotra ireo dia niditra teto Bahrain ny 11 sy 12 Febroary ary nandroso fampahalalana tsy marina momba azy ho an'ireo manampahefana voakasik'izany, nilaza izy ireo fa hanao fizahantany no nahatongavany ao Bahrain

Nanao asan-gazety tsy nisy fahazoandàlana ireto voasambotra ireto, ankoatra ny nanaovany hetsika mandika lalàna. Noraisina ny hetsika fitsarana manoloana azy ireo ary nantsoina tany amin'ny mpampanoa lalàna izy ireo.

Tsy zava-baovao ho an'i Barhain ny fiampangana mpanao gazety ho mpandika lalàna noho ny fandrakofany vaovao. Vao haingana, Ahmed Al Fardan , mpanao gazety mpaka sary, dia voasazy telo volana am-ponja noho ny nakàny sary ilay hetsi-panoherana. Voampanga ho ”nikasa” ny hanohitra izy. Tsy nandalo fotsiny teo amin'ireo mafana fo sy ny namany izany fiampangana mpanao gazety ho nandray anjara tamin'ny hetsi-panoherana izany ka natsangany ny fanairana taorian'ny fisamborana an'i Day.

Ao amin'ny Twitter, miantso ireo mpanaraka azy hanao tabataba ilay mpanao gazety, C. Robert Gibson:

Notazonin'i Bahrain ny namako sy ny ekipany @ATDLive noho an'ny heloka amin'ny fanaovana gazety. Zarao hiely lavitra sy miparitaka be : https://t.co/bZbN5m5qXz #FreeAnnaDay

Ny hafa, toa an'i Sally Kohn, niantso ny famotsorana an'i Day tao ambanin'ilay tenifototra #JournalismIsNotACrime (Tsy heloka ny asa fanaovana gazety):

Malahelo sy tezitra mandre ny fisamborana ny namako @ATDLive miaraka amin'ny ekipany tao Bahrain. @BahrainEmbDC #FreeAnna ANKEHITRINY! #JournalismIsNotACrime

Saingy heloka bevava ny fanaovana gazety ao Bahrain. Tokony ho fantatr'ilay Barhaini mpanao gazety, Nazeeha Saeed, izany. Tsy vitan'ny hoe nampijaliana izy noho ny fanaovany ny asany, fa dia afaka madiodio ireo mpampijaly azy. Toy izao fotsiny.

Voadaroka,voaisy totohondry,voadaka raha sady notapenana ny masony. Ny tantara tsy rariny nihatra tamin'i Nazeeha, 1 ao anatin'ny maro any Barhain

Araka ny Kaomity Mpiaro ny Mpanao Gazety, iray “amin'ireo ratsy indrindra eo amin'ny tontolo Arabo mpampiditra am-ponja ny mpanao gazety” i Bahrain:

Farafahakeliny, mpanao gazety enina hafa ankoatran'ireo Amerikana efatra nosamborina androany no voafonja ao Bahrain

Ilay nosy kely sady firenena, ahitana vahoaka miisa 1.3 tapitrisa (izay ny antsasany dia mpiasa teratany vahiny avokoa) dia vavolombelon'ny famoretana mahery vaika taorian'ny fitroaram-bahoaka, izay nanomboka ny 14 Febroary 2011.Nampijaliana, novonoina na nogadraina ireo mpikatroka mafana fo.

Amnesty International, sangayn iray amin'ny fanarahana maso ny zon'olombelona, dia nizara tatitra  maro nialohan'ny tsingerintaonan'ny 14 Febroary, nisarika ny saina ho amin'ny zava-misy tena izy mampidi-doza any Bahrein ho an'ireo mpanohitra. James Lynch, tale lefitry ny Fandaharanasa ho an'ny Afovoany-Atsinanana sy Afrika Avaratra dia niteny :

Ankehitriny ao Bahrain, na iza na iza sahy mitsikera ireo manampahefana  – na mpiaro ny zon'olombelona izany na mpikatroka ara-politika – dia samy mety iharan'ny famaizana avokoa[…] Na eo aza ireo toky nomen'ny fitondram-panjakana hanenjika ireo mpitandro filaminana tompon'andraikitra tamin'ireo fanitsakitsahana zon'olombelona tamin'ny 2011, dia mbola miandry ny rariny foana ny vahoaka ao Bahrain. Ireo andrim-panjakana natsangana mba hiaro ny zon'olombelona dia tsy vitan'ny hoe tsy nahavita manao fanadihadiana tsy miankina na nangataka fanazavana tamin'ireo nahavanon-doza, fa ankehitriny dia toa sady ampiasaina hanadio ireo fanararaotana mitohy.

Dimy taona aty aoriana, mbola mitohy ny fihetsiketsehana, saingy kely sy mangingina. Ankehitriny, voaheloky ny lalàna ny fanoherana, na ny marimarina kokoa ny ”fivorivoriana’ ary eo ambany fanarahamaso andro aman'alina ireo vohitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.