Toy ny tamim-piravoravoana no nijeren'ireo Arabo ny fandresen'i Alemaina an'i Brezila 7-1 tamin'ny manasa-dàlan'ny fiadiana izay ho tompondaka erantany.
Taorian'ny faharesena mahamenatra azon'i Brezila, mivazivazy ilay Ejiptiana @kazakhelo ho an'ireo olona 13.600 mpanjohy azy ao amin'ny Twitter hoe [ar]:
معلش يابنتي، تتعوض، كاس العالم الجاي مصر تصعد و انتوا تكسبوا pic.twitter.com/41zh25Mrkv
— KaZaKHeLOمهاتما-كازا (@kazakhelo) July 8, 2014
Aza miraharaha an'izany. Mbola afaka manarina ianareo. Ho an'ny Fiadiana izay ho tompondaka manaraka, tafakatra i Ejipta, ary ianareo no handresy.
Mibaribary be fa tsy manana fitokiana ny ekipam-pireneny ity mpisera ity.
Ary mitohy ny vazivazy.
Ilay Ejiptiana , Hazem Youssef, milaza hoe :
ده من الماتشات اللي بتتكرر مرة كل 100 سنة.. لحد دلوقتي ألمانيا جالها 6 فرص جابت منهم 7 إجوان.
— hazem youssef (@Hazemmontasser) July 8, 2014
Ity no lalao tsy ho averina ato anatin'ny 100 taona.
Hatreto dia baolina fito no matin'ny Alemàna tao anatin'ny andràna enina azony
Ary ho an'ilay Bahraini, Nader AbdulEman, midika zavatra betsaka ankoatry ny resaka baolina kitra fotsiny ny faharesen'ny ekipa Breziliana. Mibitsika izy [ar]:
منتخب مسيلات الدموع خروج من كأس العالم بفضيحة مدوية #البرازيل_المانيا
— نادر عبدالامام (@NaderAbdulEmam) July 8, 2014
Tamin'ny fomba mahatezitra no nialàn'ny ekipan'ny baomba mandatsa-dranomaso an'ilay Fiadiana Amboara Erantany.
Voalaza ho mpanondrana baomba mandatsa-dranomaso mankany Bahrain i Brezila, ampiasaina hamongorana ireo mpanao hetsi-panoherana nanomboka tamin'ny nisian'ny hetsi-panoherana ny fitondràna ao amin'io firenena io tamin'ny 14 Febroary 2011.
Tanaty lahatsoratra iray matomatotra kokoa, ilay Siriana Faisal Alkasim, mpanolotra fandaharana ao amin'ny Al Jazeera, manana mpanjohy 1.5 tapitrisa, manontany tena hoe :
الكثير من البرازيليين احتجوا على كأس العالم قبل بدئه، فماذا سيفعلون بعد المباراة مع المانيا؟
— فيصل القاسم (@kasimf) July 8, 2014
Marobe ny Breziliana no nanao fihettsiketsehana nanohitra ny Amboara Erantany na dia mbola tsy nanomboka akory aza izy io. Inona izao no hataon-dry zareo taorian'iny fihaonana tamin'i Alemaina iny??
Mibitsika nitovitovy tamin'izay ho an'ireo 2,13 tapitrisa mpanjohy azy i Waled Alfarraj, ilay Saodiana mpanolotra fandaharana amin'ny fahitalavitra :
الشعب البرازيلي سيفجر غضبة ضد الحكومة بعد ضياع النهائي ! الدنيا ولعت منذ دقايق ! فضيحة فعلا. #البرازيل_المانيا pic.twitter.com/6uT4PMlxmu
— وليد_الفراج# (@waleedalfarraj) July 8, 2014
Dia hanapoaka ny hatezerany amin'ny governemanta ry zareo Breziliana taorian'ny nahavotsotra ny lalao famaranana.
Nirehitra ny tontolo, minitra vitsy lasa izay. Tena tantara ratsy mihitsy