Tantara mikasika ny Kambodza
Nifarana am-pilaminana ny fitokonan'ny mpiasan'ny casino, fandresen'ireo mpiaro ny zon'ny mpiasa ao Kambodza
Mety hiatrika sazy noho ny fanitsahana ny didim-pitsarana izay nilaza ny hetsi-panoherana ho tsy ara-dalàna ny mpiasa na dia nahomby aza ny fitokonana.
Taona enina taorian'ilay famoretana nahafaty olona natao an'ilay fitokonan'ny mpiasa amin) orinasa mpanao akanjo tao Kambodza, tsy antenaina intsony ny fitsaràna hoy ireo fianakaviana
" Toa tsy mbola manangasanga eny amin'ny faravodilanitra raha izay rariny izany, na toy ny mitady fanjaitra ao anaty fanambanin'ny ranomasina. Tsy mbola nahita izay mangirana momba ny rariny ho anay izahay."
Tambajotram-panoratan-gazety vaovao nivoady ny hampiroborobo ny fahalalahan-gazety sy fampitam-baovao mahaleotena ao Kambodza
"Tsy ampy fiarovana ary ambany fandrahonana hatrany ny gazety malalaka eto amintsika."
‘Sorona amin'ny afo’: Ny fandikàna voalohany ny teny hoe «Fandripahana Faobe» amin'ny teny Khmer ao Kambôdza
Rehefa tsy misy intsony na iray aza olona tafavoaka velona hiresaka momba ny zava-nitranga, mbola ilaintsika ihany ny mianatra sy mampianatra ary miresaka ny momba izany eo amin'ny toeran'izy ireny.
Kambodza: Volavolan-dalàna iray mamono ny fahalalahan'ny Aterineto
Ireo mpanao Aterineto Kambodziana sy ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona dia manameloka ny volavolan-dalàna iray hiadiana amin'ny heloka an-tserasera ahitàna ireo fepetra izay mety hanohintohina ny fahalalahana maneho hevitra.
Nahenan'i Kambodza ny isan'ny andro tsy fiasana ho an'ny daholobe mba hisarihana asa saingy mampanahy ny mpikatroka ho manimba ny demokrasia izany
"Maneho ny tsy fahavononan'ny governemanta hampiroborobo intsony ny demokrasia ny fanesorana ny Andro Fifanarahana ho amin'ny Fandriampahalemana tany Paris sy ny Andro ho an'ny Zon'olombelona amin'ny lisitry ny andro tsy fiasana ho an'ny daholobe ."
Ao amin'ny tanàna iray mitsingevana any Kambodza, manalavitra tsikelikely ny sekoly ny ankizy
"Tsy afaka manenjika ireo mpianatra hafa ny sasany amin'ireo ankizy ka manapa-kevitra ny hijanona ary handeha hiasa."
Mahatsiaro adinoina ny mponina dimy taona taorian'ny fielezan'ny tsimokaretina VIH tany amin'ny kaominina Kambodziana iray
"Nitombo ny fanampiana nasionaly sy iraisampirenena ho azy ireo rehefa niseho ny fielezan'ity otrikaretina ity. Toa nangina anefa izany taty aoriana."
Kambodza: Khmer-Amerikana olomalaza nasongadina tao anatin'ny Vondrom-piarahamonina Weblogger
Teraka tamin'ny 1983, Soben Houn, izay hita teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena amin'ny maha Oliravina Utah USA 2006 azy, nisolo tena ireo vondrom-piarahamonina Kambodziana-Amerikana ary Kambodza manontolo. Amin'ny maha-malaza azy, izy no hanome lanja ny fampianarana ambony ao anatin'izao vanim-potoana nomerika izao. Ary mikatsaka ny handray anjara amin'ny Oliravina USA 2006 izy amin'ny 21 aprily.
Azia Atsimo-Atsinanana: Fitsangantsanganana An-Tsambo Mampanonofy sy ny Finamanana
Mandraisa sambobe fitsangantsanganana iray tsara tarehy, fenoy tanora 300 mafana fo avy amin'ny Fikambanan'ireo Firenena ao Azia Atsimo Atsinanana (ASEAN), ataovy ao koa i Japana, ary ireo hetsika ara-kolontsaina sy sosialy, dia afangaroy ao. Vokatra azonao: fifamatorana mafy sy finamanana mandra-maty