Tantara mikasika ny Kambodza tamin'ny Jolay, 2013
Vehivavy Kandidà Amin'ny Fifidianana Kambojiana
Ny fitaovam-panehoana an-tsarintany no ahafahana manamafy fa mbola ambin-tsafidy any amin'ny antoko lehibe ao Kambodza ny vehivavy
Fifidianana Ao Kambodza: Latsa-Bato Ao Amin'ny Facebook
Mampiasa Facebook am-pahavitrihana ireo mpiserasera Kambojiana mba hiresahana, hiadian-kevitra sy hizara vaovao momba ny fifidianana solombavambahoaka atao amin'ny 28 Jolay. Mandritra izany, mampitombo ny fisiany ao amin'ny tambajotra sosialy malaza...
Hala Tahaka ‘Gangnam Style’ Mampisongadina Ny Zanaky Ny Mahantra An-Tanandehibe ao Kambodza
Mbola mahoraka ato amin'ny aterineto hatramin'izao ny ‘Gangnam Style’ saingy amin'ity indray mitoraka ity dia lalaovin' ankizy 160 avy any ambany tanàna ao Kambodza ilay izy. Nahazo mpijery mihoatra ny 200.000 tao amin'ny YouTube sahady ilay halatahaky ny lahatsarin-kira nataon'ilay mpanakato Koreana Tatsimo Psy malaza dia malaza andro vitsy monja taorian'ny namoahana azy.
Kambodza : Sarintany Mampiseho Ireo Faritra Tratran'ny Fahatapahan'ny Herinaratra
Nahatonga tselatr'afo tamin'ny aterineto ny fahatapahan'ny herinaratra ankapobeny ka nahatonga adihevitra momba ny fipetraky ny herinaratra ao amin'ny firenena. Mangataka fanazavana momba ny fiverimberenan'ny fahatapahan-jiro tato anatin'ny volana vitsy lasa ny vahoaka. Nanao sarintany mampiseho ireo toerana iharan'ny fahatapahan'ny herinaratra ao amin'ny tanànan'i Phnom Penh City ny Urban Voice.