Tambajotram-panoratan-gazety vaovao nivoady ny hampiroborobo ny fahalalahan-gazety sy fampitam-baovao mahaleotena ao Kambodza

Mpikambana ao amin'ny Fiarahan-dian'ny mpanora-gazety kambodziana nandritra ny lanonam-piaingana. Loharano: Facebook

Mihoatra ny 200 ny mpandray anjara nanatrika ny fiaingan'ny Fiarahan-dian'ny Mpanora-gazety Kambodziana (CamboJA) tamin'ny 13 Desambra 2019 tao an-drenivohitra Phnom Penh.

Tanjon'ny CamboJA ny hampiroborobo ny fahalalahan-gazety, ny fahalalahana maneho hevitra ary ny fandalàna ny mahamatihanina ao amin'ny sehatry ny fampitam-baovao ao Kambodza.

Tambajotram-pidirana ho mpanora-gazety voasoratra anarana ao amin'ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao ao amin'ny governemanta izy io. Efa ho 100 ny mpikambana ao amin'izao fotoana izao izay misy ny freelance, ekipa, ary eny fa hatramin'ny olompirenena mpanoratra isan'andro aza.

Ny hevitra hananganana izao tambajotram-panora-gazety izao dia avy amin'ny fihaonana iray nomanina tamin'ny febroary 2019 rehefa nifanakalo hevitra ny amin'ny toerana misy ny fampitam-baovao sy ireo olana atrehin'ny mpanora-gazety ao Kambodza ny mpanora-gazety matihanina miisa 20. Nifanaiky ry zareo ny hanatontosa fihaonana isa-kerinandro handrafetana ny fananganana ny CamboJA.

Nanasongadina ny tanjon'ny tambajotra amin'ny alalan'ny antsafa imailaka nifanaovana tamin'ny mpanoratra i Nop Vy, filohan'ny fitantanan'ny CamboJA’ :

We plan to improve professionalism through capacity building, raise awareness about the code of ethics, and provide technical support and training to local media.

Mandrafitra izahay ny hanatsara ny mahamatihanina amin'ny alalan'ny fanamafisam-pahaiza-manao, fanentanana momba ny lalànan'ny etika ary hanolotra tohana ara-teknika sy fanazarana ho an'ny fampitam-baovao ao an-toerana.

Nanonona ny mahazavadehibe ny fiarovana ny fampitam-baovao mahaleotena i Nop Vy, izay mpikambana ihany koa ao amin'ny Foibe Kambodziana ho an'ny Fampitam-baovao mahaleotena:

We are going to monitor and document the cases of violence against the work of journalists. We will address the lack of access to independent information from Cambodia through the development of a new news media platform. We will also provide legal and mental health support to journalists in order to assure their safety and well-being.

Hanara-maso izahay sy handrakitra ireo raharahan-kerisetra mihatra amin'ny asan'ny mpanora-gazety. Ho atrehinay ny tsy fisian'ny fahazoana torohay mahaleotena avy ao Kambodza amin'ny alalan'ny fandrafetana sehatra mediam-baovao (vaovao). Hanolotra ihany koa izahay fanohanana ara-pitsarana sy fahasalaman-tsaina hanohanana ny mpanora-gazety ahafahana  miantoka ny filaminany sy ny fahasalamany.

Navoaka ihany koa ny tranonkalam-baovao izay manasongadina ny tantaran’ireo mpanora-gazety miatrika fandrahonana sy fanenjehana.

Niatrika fahasarotana maro ny fampitam-baovao tao Kambodza rehefa novesarana [mg] lisansa avo dia avo sy hetra isa-pamoahana ny radio tsy miankina sy seha-baovao maro; vesatra avy amin'ny governemantan'i Hun Sen, izay efa teo amin'ny fahefana mihoatra ny telopolo taona izao. Milaza ny mpitsikera fa mitovy amin'ny famoretana atao amin'ny fanangonam-baovao mahaleotena ihany izany.

Tranga iray hafa malaza mifandraika amin'ny fahalalahan'ny gazety ihany koa ny fiampangana fitsikilovana nahazo ny mpanangom-baovaon'ny Radio Free Asia teo aloha anankiroa. Matetika ny vondrona fampitam-baovao ivelany sy anatin'i Kambodza no manonona ity raharaha iray ity hampahatsiahy ny governemanta hampitsahatra amin'ny fametrahana ny asan'ny mpanora-gazety ho heloka bevava.

Noarahabain'ny vondrona fiarahamonim-pirenena ny fiaingan'ny CamboJA.

Nandray anjara tamin'ny fiaingan'ny Fiarahan-dian'ny Mpanora-gazety Kambodziana (CamboJA). Maniry ny tsara indrindra ho an'ity fiarahan-dia vaovao ity aho amin'ny ezaka ataon-dry zareo hamerina amin'ny laoniny ny fitokisana ny fampitam-baovao sy hanatsara ny mahamatihanina.

Midera ny fananganana ny CamboJA i Chak Sopheap avy ao amin'ny Foibe Kambodziana misahana ny zon'olombelona sady manamarika ny sasantsasany amin'ireo fanamby atrehin'ny sehatry ny fampitam-baovao:

The introduction of CamboJA is therefore a vital progression for independent journalism. I wish to congratulate CamboJA on their launch and the quality of the work they are already producing. While CamboJA may begin to fill some of the gaps in Cambodia’s free media, the gaps remain numerous and cavernous. Our free press is insufficiently protected and is under constant threat. The use of the courts to harass journalists is an unacceptable tactic to silence and threaten those who speak critically about the government and it must be stopped immediately if we are to protect our fundamental right to free speech.

Firosoana miankina aman'aina amin'ny fanoratan-gazety mahaleotena noho izany ny fampidirana ny CamboJA. Maniry aho ny hiarahaba ny CamboJA amin'izao fisokafany izao sy ny kalitaon'ny asa efa novokarin-dry zareo. Raha manomboka mameno ny banga eo amin'ny fampitam-baovao malalaka eto Kambodza ny CamboJA, dia mbola maro dia maro sy lalina dia lalina ny lavaka. Tsy ampy fiarovana ny gazety malalaka ary ambany fandrahonana hatrany. Tetipanorona tsy azo ekena hampanginana sy handrahonana ireo mahasahy mitsikera ny governemanta ny fampiasana ireo efi-pitsarana handrangotana ny mpanora-gazety ary tsy maintsy atsahatra avy hatrany izany raha hiaro ny zo fototra amin'ny fahalalaham-pitenenana isika..

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.