Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Kambodza tamin'ny Desambra, 2012

Raràn'i Kambodja Ny “Cybercafé” Manakaiky Sekoly

Namoaka naoty ny Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra Kambodjiana fa voaràra ny manorina cybercafé 500 metatra manodidina ny sekoly na trano fampianarana. Mandràra ireo cybercafé tsy handray ireo tanora latsaky ny 18 taona ihany koa ny filazana, izay nanipika fa marobe ireo loza ateraky ny aterineto tahaka ny fampihorohoroana, heloka ara-toekarena...

Resadresaka Niarahana Tamin'i Chanphal Sok: Mpanoratra sy Mpamoron-kira Kambojiana

Namakivaky ny onjam-piainana teny, nivezivezy tetsy sy teroa i Chanphal Sok toy ny zazakely niaraka tamin-dreniny mba hahita ny foto-piveloman'izy ireo. Nanoratra momba ny fiainana sarotra nodiaviny teo anelanelan'ny faritra Kampong Cham sy ny faritra Kratie tao amin'ny bilaoginy amin'ny teny Khmera i Chanphal, nampiasa bilaogy izy mba hanoratra bebe kokoaliteratiora, tantara...

Lavin'ireo Mpikatroka Mafàna Fo Ilay Fanambarana Momba ny Zon'Olombelona Any Azia Atsimo Atsinanana

Fikambanana mpiaro zon'olombelona maherin'ny 50 avy any Azia Atsimo Atsinanana no namoaka fanambaràna iray manakiana ny fanabaribariana ilay Fanambaràna momba ny Zon'Olombelona novolavolain'ireo firenena folo ao anatin'ny Fikambanan'ireo Firenena Any Azia Atsimo Atsinanana. Nony navoaka ho fanta-bahoaka ilay fanambaràna tamin'ity volana ity, dia nolavin'ireo fikambanana mpiaro zon'olombelona any amin'ny faritra...