Tantara mikasika ny Kambodza tamin'ny Septambra, 2010
Kambodza: Dokambarotra finday tsy mandeha ilalana
Notsikerain'ny mpiserasera maro ho toy ny fandrisihana tanora hanao fihetsika tsy mendrika ny dokambarotra aterineto nataon'ny orinasan'ny finday. Mitaky ny hanesorana io dokambarotra io ny mpamaham-bolongana.
Azia: horonantsary mikasika ny fanararaotana noho ny zava-mahadomelina sy ireo Toby fihazonana
Mirehareha ireo toby fihazonana noho ny fifohana zava-mahadomelina any Azia. Na dia nanolo-tena hiala amin'io fahazaran-dratsin yio aza ny sasany amin'ireo mpiankin-doha amin'ny zava-mahadomelina Aziatika, amin'ireo toerana sasany, nitarika tamin'ny fanararaotana toa misosa ho azy ny zon'olombelona eny an-dalambe izany ka hanidiana ireo olona tsy manan-tsafidy, ampijaliana, aolana, terena hiasa maimaim-poana sy tsy mahazo izay filàna fototra akory.
Kambodza: Mihamanakaiky ny BarCamp Phnom Penh 2010
Ny BarCamp Phnom Penh 2010, izay ho tontosaina ny 25 ka hatramin'ny 26 Septambra, dia manantena handray 1.000 zo ho eo amin'ireo mpandàla mavitrika ny IT (Teknolojian'ny Informatika).Ity no hetsika BarCamp fahatelo any Kambodia hatramin'ny 2008