Tantara mikasika ny Kambodza tamin'ny Novambra, 2018
Ireo Fanehoankevitra Manoloana Ny Fisamborana An'i Kem Sokha, Kambodziana Mpikatroka Mafana Fo Ho an'ny Zon'olombelona
Avy amin'ny Jinja izay maneho hevitra amin'ity tantara nalefan'ny AP ity mikasika ny fisamborana an'i Kem Sokha, avy amin'ny Ivontoerana Kambodziana mikasika ny Zon'olombelona. Manamafy izy io fa nosamborina ihany koa i Yeng Virak, lehiben'ny Ivontoeran'ny Vondrompiarahamonina ho Fanabeazana Araka ny Lalàna.
Kambodza: Fimailo tsy maintsy ampiasaina ary famoretana manoloana ny fivarotantena
Nampiasa ny Aterineto mba hampahafantarana ny toe-piainany sy ny ady atrehany hitakiana ny zony ireo kambodziana mpivarotena.
Nahandro matsiro manerantany ao anatin'ny bilaogy folo
Efa nanontany tena ve ianao hoe ahoana no andanian'ny miaramila ny fotoan'ny fialantsasatra any Iraka? Ity no andro handraisanao ny tantara, voalohany avy amin'ny Chairbone Stranger, miaramila Amerikana iray nalefa tany amin'ny toerana vovohana any Iraka.
Fanentanana Takio ny Fahalalahana Maneho Hevitra Ao Kambodza
Tamin'ny Fiandohan'ny Taona, nanakoako ireo asan'ny Governemanta Kambodziana mba hampanginana an'ireo tsikera atao amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana, narahin'ireo fisamborana mpikatroka Mpiaro ny Zon'Olombelona Kem Sokha, Yeng Virak ary Pa Nguon Teang. Ireo fisamborana ireo dia nateraky ny sora-baventy narantiranty noho ny Andro Natokana ho an'ny zon'olombelona natao ny 10 Desambra 2005
Famahanana bilaogy amin'ny fiteny Kambodziana
(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Masoivohom-panjakana manara-maso ny politikan'ny fifandraisan-davitra ao amin'ny firenena ny NIDA, (Fahefana Fampandrosoana ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao Nasionaly). Mandrisika ny fampiroboroboana...
Tontolon'ny bilaogy Alarobia ao Azia
Ny bilaogy amin'ny teny Farsi Shared Pains (nahazo ny Loka RSF Freedom Blog 2005) manana lahatsoratra amin'ny teny Anglisy momba ny fahalalaham-pitenenana ao Afghanistan (poa-tsatroka ho an'ny Afghan Lord).
Kambodza-Thailandy : Mitohy ny fifandirana manodidina ny fiangonana Preah Vihear
Ny fiangonana tranainy Preah Vihear, izay, araka ny voalazan'ny UNESCO, niorina tamin'ny taonjato faha-XIe ary natokana ho an'ny Shiva, dia hita ao amin'ny sisintany manelanelana an'i Kambodza sy Thailandy. Loharano nipoiran'ny fifandirana teo amin'ireo firenena roa mpifanolo-bodirindrina ireo ny fananana tanteraka an'i Preah Vihear.
Kambodza-Thailandy: Adihevitra manodidina ny vohikala ilovethailand.org
Vao haingana no niteraka resabe tamin'ny tambajotra ny fandefasana ny vohikala ilovethailand.org. (tsy mandeha intsony ny rohy). Nanambara ny Praiminisitra thailandey Abhisit Vejjajiva fa io vohikala io dia mikendry ny hamerina indray ny endriky ny firenena ary hampitambatra ny firenena ao anatin'ireo fikorontanana tato ho ato. Teraka avy amin'ireo fitakiana tao amin'io vohikala io ny adihevitra mikasika ny " tany verin'i " Thailandy - tany izay tsy iza fa i Kambodza ankehitriny.