Tantara mikasika ny Kambodza tamin'ny Desambra, 2018
Ireo Nisongadina nandritra ny Fetiben'ny Rano tao Kambodza
Notanterahina ny 15-17 Novambra ilay Fetiben'ny Rano ("Bon Om Tuk"), fetibe mihetsiketsika indrindra ao Kambodza. Araka ny voalazan'i Jinja, manamarika ny fiandohan'ny maintany sy ny Bon Kathan (fomba Bodista fatao isan-taona izay anomezana akanjo rebareba vaovao ho an'ny moanina) io Fetibe io.
Miady ho an'ny fahalalahana maneho hevitra ireo zanakavavin'ilay mpikatroka ny zon'olombelona Kambodziana nogadraina
Any Etazonia ireo zanakavavin'ilay mpikatroka ny Zon'olombelona Kem Sokha, Kem Monovithya, 24 taona, sy Kem Samathida, 18 taona, miara-miasa amin'ny Amerikana Kambodziana mba ahazoana fanohanana amin'ny famotsorana ny rainy ary hisarihana ny saina amin'ny famoretana ny fahalalahana maneho hevitra sy ny demokrasia ao Kambodza.
Ankizy Kambodziana miaraka aminà Sabatra, Basy, ary Tononkalo
Tamin'ny herinandro lasa teo no nakan'i Jinja ity sarin'ankizilahy kely Kambodziana roa mitana basy kilalao any amin'ny araben'i Phnom Penh ity. Na dia nilalao basy ihany aza i Jinja fony fahakeliny, noeritreretiny fa manahiran-tsaina kely ihany ny fahitàna azy ireo satria ohatra ny tena izy ireto basy!
Ny lafiny Tononkalo ao amin'ny Tontolon'ny Bilaogy Kambodziana
Bilaogera Kambodziana maro no mizara ny tononkalony ao anaty aterineto. Anatin'izany i Seserak miaraka amin'ilay tononkalony mitondra ny lohateny hoe Fararano raha adíka amin'ny teny Malagasy.
Mianatra ny Fandihy Rock ilay Blaogera Kambodiana Little Sopha
Araka i Tharum, niteraka ''onjam-pifaliana teo amin'ny taranaka tanora indrindra tao amin'ny firenena'' ny vaovao fa nampiditra daty iray ho ao Phnom Penh ny fandaharam-potoanan'ny tarika rock Danoà iray izay antsoina hoe Michael Learns To Rock.