· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Kambodza tamin'ny Oktobra, 2018

Feo avy ao amin'ny Wiki

  24 Oktobra 2018

Ampahany amin'ny majikan'ny olombelona sy ny ara-teknika ahafahan'ny Global Voices miasa ny wiki velona, izay ahafahan'ny mpiserasera manerantany milaza amintsika momba ny bilaogy sy ny tranonkala tokony hodinihantsika, sy ahafahantsika miara-manova tahirin-kevitra toy ny ny Torolàlana ho an'ny bilaogy tsy mitonona anarana.

Manodidina an'i Kambodza miaraka amin'ny Olom-pirenena nomerika

  23 Oktobra 2018

Niteraka tantara sy lohatenim-baovao ny fahatapahan'ny herinaratra tany Etazonia tamin'ny taona 2003, fa tsy izany tany Kambodza. Tao Stung Treng, raha nanoratra mailaka tao amin'ny foibem-pifandraisana aterineto iray, dia tsy afaka namita izany ny mpiasa iray mpandrindra solosaina satria lany lasantsy ny milina manome herinaratra sy mampandeha ny solosaina.

Ny dihy Khmer

  15 Oktobra 2018

Lahatsary iray mampiseho ny vondrona mpandihy Kambodziana manao ny dihy tsodrano tamin'ny fanokafana ny Fetiben'ny Rano tao Lowell, iray amin'ireo fety lehibe indrindra avy any Azia Atsimo-Atsinanana natao tany Etazonia, ary nokarakarain'ny vondrom-piarahamonina Kambodziana, Lao, Vietnamiana ary Thailandey niaraka.

Kambodja: Fahatsiarovana Ny Fanafahana Sa Ny Fananiham-bohitra?

  12 Oktobra 2018

Ny 7 janoary 1979, nesorina teo amin'ny fahefana ny fitondran'ny Khmer Rouge tao Kambodja. Voampanga ho nikotrika ny fandripahana Kambodjiana marobe maherin'ny iray tapitrisa ny fitondrana kaominista. Tamin'ny faran'ny herinandro, nanamarika ny tsingerintaona faha-30 taonan'ny fianjeran'ny Khmers Rouges ny governemanta Kambodjiana (amin'ny teny anglisy avokoa ny rohy rehetra). Saingy nizarazara ny hevitra mba hahalala raha toa io andro io tsy maintsy ho marihana ho toy ny fanafahana na ny an'ny fananiham-bohitra, satria i Vietnam, izay nanampy tamin'ny fanonganana ireo Khmers Rouges, dia nibodo an'i Kambodja hatramin'ny taona 1988.

Kambodja: Ny Famotehana ny Dey Krahorm

  07 Oktobra 2018

Rava ny tanana tsizarizary tao Dey Krahorm ao Phnom Penh [teny anglisy]. Vinaniana ho 800 ka hatramin'ny 1 400 no isan'ireo olona nipetraka tao tamin'ny taona 2005. Notombanan'ny Tanàna ho fianakaviana 90 sisa no tavela tao.