Ankizy Kambodziana miaraka aminà Sabatra, Basy, ary Tononkalo

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2005)

gun play

Tamin'ny herinandro lasa teo no nakan'i Jinja ity sarin'ankizilahy kely Kambodziana roa mitana basy kilalao any amin'ny araben'i Phnom Penh ity. Na dia nilalao basy ihany aza i Jinja fony fahakeliny, noeritreretiny fa manahiran-tsaina kely ihany ny fahitàna azy ireo satria ohatra ny tena izy ireto basy!

Andro vitsy lasa izay, nanoratra bilaogy i Chlim01 is Bored mikasika vaovao iray momba ireo ankizy sy tanora nifamono tamin'ny Sabatranà Samurai, naharatrana ankizilahy kely iray 10 taona ary nanaitra nandritra ny fotoana fohy ny olona nipetraka tany aminà tanàna kely iray. Nosamborin'ny mpitandro filaminana ireo ankizy niaraka tamin'ny sabatra. Mpanjifa ny fandaharanasa tsy miankina miady amin'ny rongony, Mith Samlanh (rohy maty), avokoa ireo ankizy ireo ary an-dàlam-pialàna tsikelikely amin'ny fiankinandoha amin'ny rongony. Mampanontany tena hoe taiza no nahazoan-dry zareo sabatranà Samurai?

Na eo aza io lohatenin-gazety io, fantatra tsara amin'ny asany miaraka amin'ireo ankizy tsy manan-kialofana ao Kambodza io fikambanana io ary iray amin'ireo fikambanana roa tsy miankina sahy miara-miasa amin'ireo mpiankin-doha amin'ny rongony anatin'ity firenena ity. Notononin'ireo mpila ravinahitra any ivelany anatin'ireo bilaogy, tahaka ny Sweet Cucumber (rohy maty) sy ny Jungle Blog (rohy maty), ny fandaharanasan'ny Mith Samlanh.

Sarotra ny fiainan'ny ankizy tsy manan-kialofana ao Kambodza, araka ny ampahafantarin'ity tononkalo nosoratanà kamboty teo aloha ity ary navoakan'i Tharum anatin'ny bilaoginy. Misy ny tsirim-panantenana, satria afaka nanatsara ny fari-piainany ity poeta nikiry ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.