Mianatra ny Fandihy Rock ilay Blaogera Kambodiana Little Sopha

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Oktobra 2005)

Me_n_him

Ilay blaogera Little Sopha miaraka amin'ny mpikambana iray ao amin'ny Tarika Michael Learns To Rock, tao amin'ny tsena Rosiana iray, tao in Phnom Penh, Kambodza.

Araka ny nambaran'i Tharum, niteraka ”onjam-pifaliana teo amin'ny taranaka tanora indrindra tao amin'ny firenena” ny vaovao fa nampiditra daty iray ho ao Phnom Penh ny fandaharam-potoanan'ny tarika rock Danoà iray antsoina hoe Michael Learns To Rock. Araka ny lahatsoratra notsongain'i Tharum tao amin'ny Lahatsoratry ny Phnom Penh, nalaza be tao Kambodza ilay hiran'ny Michael Learns to Rock malaza indrindra, ”Ento Mankany Amin'ny Fonao Aho,” izay niteraka dika tamin'ny teny Khmer novokarina tao an-toerana. (Ity misy rakitsary tamin'ilay dika Koreana – ary ity misy rohy mankany amin'ilay dika amin'ny teny Kambodziana)

Namoaka ny faniriany hahazo tapakila ho an'ilay loteria SME i Little Sopha , blaogera Kambodziana ary nitaraina fa toy ireo Kambodziana 8 tapitrisa maro hafa, dia hijery ilay fampisehoana amin'ny fahitalavitra (CTN – Tambajotran'ny Fahitalavitra Kambodziana). Na izany aza, sambatra be izy nahazo ilay sary tetsy ambony:

”Tamin'ny tolakandro, nitsidika vetivety ny Tsena Rosiana ny iray tamin'ireo mpikambana ao amin'ny tarika sy ny namany iray, ary tamin'izay no nitrangan'ny fahagagana. Niantso ahy mikasika ny fisian'izy ireo tsy nampoizina ny zanak'olo-mpiray tampo amin'ny Ray aman-dreniko, noho izany, nanana ny vintana haka sary niaraka tamin'izy ireo aho… Tena tsara be mihitsy izany, tsy vitako ny hamaritra ny hafaliako tamin'izany fotoana izany… Hmmm, raha mba teo daholo mantsy izy telo anh… 😀 … Eny e, tena mbola toy ny FAHATANTERAHANà OFY TSARA BE FOTSINY ILAY IZY!”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.