Fomba fito nataon'i Môldavia hampirehareha ireo olom-pireneny tamin'ny 2022

Nataon'ny Global Voices niaraka tamin'ny OpenAl.com

Ny Newsmaker, Media Moldavy mahaleotena, no nandrafitra lisitra iray misy ireo fomba nataon'ny firenena hampirehareha ireo olom-pireneny tamin'ny taona 2022. Ny Global Voices, niaraka tamin'ny fanomezan-dalana avy amin'ny Newsmaker, no nandika ny fito tamin'izy ireny.

1. Fanampiana tsy mbola nisy toa izany ho an'ireo mpitsoa-ponenana avy any Okraina

Nifoha izahay tamin'ny 24 Febroary dia nahatsapa fa tsy ho toy ny tany aloha intsony mihitsy izao tontolo izao : ny alin'ny 23 hifoha 24 febroary, namaky ady tamin'i Okraina i Rosia. Nandritra ny folo volana nisian'ny ady tao Okraina, manodidina ny 20% mahery (olona 7 tapitrisa) tamin'ireo mponina tao aminy no nandao ny firenena.

Sary avy an'i Kevin Bückert teo amin'ny Unsplash

I Moldavia no mpifanolo-bodirindrina tena akaiky indrindra an'i Okraina. Nanomboka tamin'ireo andro voalohany tamin'ny ady, olom-pirenena Moldavy an'arivony maro no nitondra sy nitohy nanome fanohanana maimaimpoana ho an'ireo mpifanolo-bodirindrina taminy voatery nandao ny fonenany. Namita ny adidiny teo amin'ny sisintany ireo Moldavy, nitondra sakafo sy firakotra mafana, nanome dite, nandray ireo mpitsoa-ponenana tao aminy. Na dia nampiasaina be loatra aza amin'izao fotoana izao ny fitantarana hoe “firenena kely be fitiavana”, dia marina daholo izany. Ny faniriana iombonana hanampy ireo Okraniana mpitsoa-ponenana sy ny fanekena ny zavadoza ao Okraina ho toy ny hoe an'i Moldavia no nampiray voalohany azy ireo tao anatin'ny taona maro.

Nandritra ny herinandro voalohany nisian'ny ady tao Okraina, nandray Okraniana mpitsoa-ponenana maherin'ny 60.000 i Moldavia ; Tao anatin'ny enim-bolana, Okraniana 580.000 no niampita ny sisintanin'ny firenenay ary mpitsoa-ponenana maherin'ny 89.000 no mbola mijanona ao Moldavia. Nosokafana ireo toby vonjimaika ao amin'ny firenena sy ireo hetsika santatra avy amin'ny olon-tsotra (ohatra ny Moldova pentru Pace) ary miasa tsy mahalala sasatra ireo fikambanana iraisam-pirenena. Nanambara dingana iray notsotsorina ireo manampahefana mikasika ny fiampitana ny sisintanin'ny fanjakana ho an'ireo teratany Okraniana ary nohalavaina ny fiantranoan'izy ireny ao Moldavia.

2. Firenena kandidà ho ao anatin'ny Vondrona Eoropeana (UE) i Moldavia

Tamin'ny 23 Jona, nanaiky ny filazan'ny Vaomiera Eoropeana ny Filankevitra Eoropeana ary nanome an'i Moldavia sy Okraina ny satan'ny mpirotsaka ho fidiana ho mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana. Ny Vaomiera Eoropeana, nanosoka hevitra ny hanomezana ny sata maha-kandidà an'i Moldavia, dia nametraka mialoha ireo fepetra tsy maintsy tanterahin'ny firenenay. Anisan'izany ny : famitàna fanavaozana ny rafi-pitsarana, ny ady amin'ny kolikoly sy ny heloka bevava voarindra, ny fanamafisana ny fiarovana ny zon'olombelona – manokana amin'izany ny an'ireo vondrona marefo – ary ny fanatanterahana ireo fanekena eo amin'ny sehatry ny fanamafisana ny miralenta sy ny ady amin'ireo herisetra atao amin'ny vehivavy.

EmDee, CC BY-SA 4.0, avy amin'ny Wikimedia Commons

3. Nahavita ny tsara indrindrany teo amin'ny lafiny fambolena i Moldavia

Ny Ivon-toeram-pikarohana momba ny Fambolena goavana eny amin'ny Saha Selecția ao Balti dia namolavola karazana varimbazaha faratampony amin'ny vokatra, izay mamokatra mihoatra ny 9 taonina isaky ny hektara. Marihina fa, tao anatin'ny fepetra tsara tamin'ny taona lasa, ny salan'isa azon'ireo mpamokatra ao Moldavia tamin'ny fiotazana varimbazaha dia nihoatra ny 4,5 taonina isaky ny hektara, ary tao anatin'ny fepetran'ny taona 2022 dia 2,5 hatramin'ny 3,5 taonina isaky ny hektara ny vokatra niakatra.

Nahita karazana masomboly “noix” vaovao iray atao hoe “Rubin” tao Romania ny orinasa Moldavy Pepiniera Voinești miara-miasa amin'ny Romanian Patru Agro. Voaporofo izy io fa mahatohitra haintany, fanala, bibikely ary aretina.

Namiratra ihany koa ireo Moldavy mpamokatra divay  tamin'ny taona lasa. Nandrombaka medaly 15 volamena sy volafotsy tamin'ny fifaninanana divay iraisam-pirenena TerraVino natao tany Isiraely tamin'ny 12 hatramin'ny 15 Desambra ny divay Moldavy.

4. Moldavia no tena nanaitra tamin'ny Olaimpiady Erantany ho an'ny lalao Echec

Tamin'ny 2022, nampiseho vokatra nampitolagaga tamin'ny Olampiady Erantany ho an'ny lalao Echec (World Chess Olympiad – WCO) i Moldavia, tafiditra tao anatin'ireo toerana enina voalohany nandresy. Talohan'izany, nokilasian'ny International Chess Federation (FIDE) ho laharana faha-50 ilay firenena. Tamin'ny WCO, nifampizara toerana 4 hatramin'ny 6 tamin'ny ekipan'i Etazonia sy India izy (isa 17 no azon'ireo ekipa telo), nisongona ireo tarika matanjaka mpilalao echec avy tao Norvezy, Angletera, Frantsa, Pays-Bas, Okraina Hongria ary Polonina.

India Post, Governemantan'i India, GODL-India, avy tao amin'ny Wikimedia Commons

5. Vaovao ara-panatanjahantena miabo kokoa

Tamin'ny  2022, atleta Moldavy iray, Anastasia Nikita, no lasa mpilalao taranja tolona mendrika indrindra ho an'ny taona tao anatin'ny sokajy lanja 59 kilao teo amin'ny laharana fanomen'ny International Greco-Roman Wrestling Federation (United World Wrestling – UWW). Tamin'io taona io, nandrombaka ny volamena i Anastasia tamin'ny fifaninanana ho fanomezam-boninahitra an'i Yasar Dogu, sy nahazo ny anaram-boninahitra tompondaka tao Eoropa sy tompondaka erantany.

Ny volana Novambra 2022, nandrombaka ny medaly volamena tamin'ny fifaninanana Grand Slam tao Baku i Denis Vieru, ilay Moldavy mpanao judo. Fandresena dimy no azony teo amin'ny sokajy lanja 66 kilao.

Tamin'ny volana Septambra, nahazo medaly volamena telo tamin'ny fiadiana izay ho tompondaka erantany amin'ny fitondrana lakana kely ilay Moldavy Sergei Tarnovsky, tamin'ny fifaninanana World Rowing Championships (Tompondaka Erantany amin'ny Voy Lakana) natao  tany Polonina. Tany aloha kelin'io, lasa tompondaka erantany i Sergey Tarnovsky tamin'ny iray tamin'ireo halavirana sarotra indrindra amin'ny fitondrana lakana kely, 5.000 metatra.

6. Sarimihetsika “Carbon” : zava-nanaitra ho an'ny sarimihetsika Moldavy

Mitantara ny tantaran'i Moldavia tamin'ny taona 1992 ny “Carbon”, nandritra ny fifandirana mitam-piadiana teo amin'ny reniranon'i Dniestr [izay nifarana tamin'ny fisintahan'ny faritany iray, Transnistria]. Faritany amin'izany ny tantaran'ny tovolahy iray Dima mpitondra traktera, nandalo fahasahiranana marobe tamin'ny fikasany hanatanteraka ny nofinofiny.

Tamin'ny 4 Oktobra 2022 no natao ny fandefasana voalohany ilay sarimihetsika teo amin'ny sehatra nasionaly. Efa tafiditra tao amin'ny San Sebastian International Film Festival ny Carbon ary natolotry ny Komity nasionaly hahazo ny Oscar ao anatin'ny sokajy sarimihetsika lava avy any ivelany. Tsy nahazo ny loka Oscar ilay sarimihetsika, saingy nahazo ny tsikera tsara avy amin'ireo mpitsikera sarimihetsika.

 

7. Ny fandresen'ny tarika Moldavy “Trenulețul” tao amin'ny Eurovision

Ny tarika Moldavy Zdob și Zdub sy ireo mpirahalahy Advakhov dia nahazo ny laharana fahafito tamin'ny famaranana ny fifaninanana hira iraisam-pirenena Eurovision 2022 tamin'ny hira “Trenulețul.” Nahazo isa 14 avy tamin'ireo mpitsara nasionaly i Moldavia ary isa 239 avy tamin'ireo mpanatrika. Isa misimisy kokoa azo avy amin'ireo mpanatrika ny fifaninanana ihany no azon'ireo mpandresy, ny tarika Okraniana ethno-rap Kalush Orchestra tamin'ilay hira hoe “Stefania.”

Vakio ireo fomba hafa nataon'i Moldavia hampirehareha ny olom-pireneny tamin'ny taona 2022 eo amin'ny tranonkalan'ny Newsmaker.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.