Manamafy ny feon'ny fiarahamonimpirenena ny tambajotra sosialy ao Togo

Pikantsary teo amin'ny fantsom-pifandraisana YouTube an'ny TV5 Monde

Manampy ireo mpitarikevitra any Togo hamadika ny tambajotra sosialy ho tena sehatra fampiroboroboana ny taham-pidiran'ny fampiasana aterineto izay tena avo dia avo tokoa. Manararaotra izany kosa ireo mpanao gazety sy mpikatroka amin'ny fiarahamonimpirenena mba hampandrenesana ny feon'izy ireo.

Miorina ao Afrika Andrefana, i Togo dia mbola mijanona ho firenena ambanivohitra na dia efa ny 47% amin'ny isan'ny mponina maherin'ny valo tapitrisa aza dia an-tanàn-dehibe avokoa. Manazava amin'ny ampahany ny ezaky ny governemanta mba hanamoràna ny fidiran‘ireo Togoley amin'ny aterineto ity fivoaran'ny fitombohan'ny mponina ity. Amin'izao fotoana izao, maherin'ny 25% amin'ireo mponina no afaka miditra amin'ny aterineto, tarehimarika izay somary avo lenta raha ho an'ity faritra iray ity. 

Toy ny zava-misy na aiza na aiza dia nisy fiantraikany tamin'ity firenena ity ny firongatr'ireo mpitarikevitra ary tena mahita fahombiazana ny sasany amin'izy ireo : araka ny fantsona YouTube an'ny tarika Toofan dia mihoatra ny 800.000 ny isan'ireo mpanaraka ity farany ary maherin'ny roa tapitrisa ny isan'ny olona nijery ny hirany farany :

I King Mensah izay mpahay mozika malaza hafa kosa dia manana mpanaraka maherin'ny 13.000 ao amin'ny YouTube.

Tsy isalasalana fa dia anisan'ireo anarana goavana ao amin'ny tranonkala Togoley ny an'ny mpanao baolina kitra iraisam-pirenena Emmanuel Shéyi Adébayor, fantatra amin'ny maha Ambasadaoro voalohany ao Togo azy eo amin'ny sehatra iraisampirenena, ary matetika heverina ho toy ny Togoley manan-kery indrindra noho ny isan'ny mpanaraka azy izay mahatratra 2.6 tapitrisa eo amin'ny pejiny Facebook. Tsy resaka fanatanjahan-tena fotsiny ihany no ataony ao amin'io tambajotra sosialy io, fa ny olana mifandraika amin'ny firaisan-kina sy ny fampandrosoana ihany koa.

Tombontsoa iray ho an'ireo mpanao gazety sy ireo mpisehatra amin'ny fiarahamonimpirenena 

Takatr'ireo mpanao gazety Togoley ihany koa ny maha zava-dehibe ny fisiana eo amin'ny tambajotra mba hisarihana ny sain'ny besinimaro mikasika ireo olana goavana ara-tsosialy, ara-politika ary koa ny eo amin'ny sehatry ny zon'olombelona. Noho izany dia hita ao amin'ny Facebook ihany koa i Noël Kokou Tadegnon izay manana mpanaraka maherin'ny 15 000 ao amin'ny kaontiny Twitter. Manentana tanora Togoley bebe kokoa i Tadegnon noho ny lalana nizorany : mpanao gazety sy mpanamarina zavamisy no asany ary tao amin'ny gazety an'onjampeo no nanombohany mialohan'ny nifantohany teo amin'ny asa fanaovan-gazety amin'ny aterineto. Izy no nanokatra ny www.mediatogo.info, sehatra famoahana votoaty an-tranonkalo voalohany indrindra tao Togo tamin'ny taona 2000. Tamin'ny taona 2008, nandrombaka ny amboara Highway Africa Digital Journalism Award tao Afrika Atsimo izay natao hankatoavana ny asan'ny mpanao gazety ao anatin'ny sehatry ny aterineto sy ny teknolojia. Izy ihany koa no nampiroborobo ny TogoCheck, sehatra iray natao hanaraha-maso ireo vaovao tsy marina.

Anisan'ireo feo tena manan-danja eo amin'ny tontolon'ny haino aman-jery Togoley i Ferdinand Ayité, mpanao gazetimpanadihadiana noho ireo mpanaraka azy miisa 19 000 ao amin'ny pejiny facebook. Fantatra amin'ireo fanadihadiana nataony mikasika ny raharaha saro-pady maro ary mitarika ny gazety fanadihadiana L'Alternative izay fantatra noho ireo lahatsorany mikasika ny trangana kolikoly sy fanodinkodinam-bola izy. Vao haingana ihany koa izy no nanomboka nitantana ny fantsona YouTube azy manokana, fantsona izay sady miresaka politika no miresaka tontolo iainana, tahaka izay hita amin'ity lahatsary ity :

Malaza ao Togo ihany koa ny anaran'i André Kangni Afanou : anisan'ireo tsiahy lehibe eo amin'ny sehatry ny zon'olombelona izy. Mpisolovava voaofana, izy dia manohanana ireo Togoley marobe niharan'ny fanitsakitsahana ny zon'izy ireo. Prezidàn'ny Ivotoeram-panangonana tahirin-kevitra sy fampihofanana mikasika ny zon'olombelona izy (CDFDH) ary Mpandrindra ao amin'ny Birao misahana ny Zo Sivily sy Ara-Politika ao Afrika Afovoany (CCPR-Centre), fikambanana tsy miankina iray miorina any Soisa. Afanou, izay mavitrika ao amin'ny Twitter, dia mpanoro hevitra ihany koa ho an'ireo tanora Togoley aman-jatony izay maniry ny hanana fahaizana mikasika ny fitarihana mba hitondra fiovana tsara ao anaty fiarahamonina misy azy ireo.

Tahaka izany koa ireo vehivavy

Hita ao amin'ny tranonkala Togoley ihany koa ireo vehivavy mpikatroka, sahala amin'ny hita mikasika ilay mpiaro ny tontolo iainana Rolande Djatougbe Aziaka, mpampiasa mavitrika ny Facebook sy Twitter. Mpanao gazety, mpanentana, mpanolotra vaovao amin'ny fahitalavitra, mpandraharaha ara-tsosialy, mpanorina ny fahitalavitra an'aterineto Eco Conscience TV ihany koa i Aziaka, fahitalavitra an'aterineto iray mikasika ny fampandrosoana maharitra ao Togo. Tamin'ny taona 2018, anisan'ireo tanora Togoley folo nahazo mari-pahaizana tamin'ny Mandela Washington Fellowship ihany koa i Rolande, loka izay natolotry ny Filoha lefitra Amerikana Barack Obama.

Ohatra hafa iray ny an'ilay mpanao gazety Elisabeth Apampa izay mampiseho fa hain'ireo vehivavy Togoley tsara ny mitantana ny tambajotra sosialy. Miaraka amin'ireo mpanaraka azy ao amin'ny kaontiny Instagram miisa 27 000 mahery, ampiarahany avokoa ireo andraikiny maro samihafa : ny maha mpandraharahana, mpanentanana amin'ny onjam-peo ao amin'ny Zéphyr FM, sy eo amin'ny fahitalavitra nasionaly azy. Izy ihany koa no mitarika ny fetibe “Ma Rue Ma Musique” izay nanomboka tamin'ny taona 2017 dia lasa modely iray teo amin'ny lafiny fampiroboroboana ny mpanakanto eo amin'ny sehatra mivantana sy ny eny an-dalambe. Mpiandraikitra ny serasera amin'ny All Music Awards ihany koa i Elisabeth, fifaninanana nasionaly mikasika ny mozika ao Togo. Amin'izao fotoana izao dia azo sokajiana ho sahala amin'ny tena mpitarikevitra i Elisabeth, mahay mampiaraka ny fanaovana lahatsary sy ny fikatrohana, tahaka ny voalazana anatin'ity lahatsoratra Instagram iray ity :

Politika, orinasa sy teknolojia : fangaro iray tsara ho an'ny tambajotra sosialy 

Mampiasa ny tambajotra sosialy mba hampiroboroboana ny lazan'izy ireo ao anatin'ny sehatra maro samihafa toy ny fandraharahana, politika sy ny fanavaozana ihany koa ny olomanga Togoley sasany. Sahala amin'izany i Gerry Komandéga Taama, izay niresaka momba ny antokony mpanohitra mitondra ny anarana hoe Nouvel Engagement Togolais (NET) tao amin'ny pejy Facebook-ny amin'ny maha solombavambahoaka azy eo amin'ny Antenimieram-pirenena Togoley sy kandidà ho filoham-pirenena amin'ny taona 2025. Miavaka amin'ireo mpanao politika hafa izy noho ny fifandraisany akaiky amin'ny mponina, indrindra fa ireo tanora izay efa ho 40% n'ny mponina ka mahatsapa fa mila mpanao politika izay mihaino azy ireo.

Mpisehatra manan-danja iray hafa koa i Guillaume Djondo izay Tomponandraikitra Lehibe amin'ny tontolon'ny Niomerika eo anivon'ny Fitondrana Togoley, nefa dia poeta ihany koa araka izay hita ao amin'ny kaontiny Twitter ahitana mpanaraka maherin'ny 18 000. 

Tsapa eny anivon'ny tambajotra sosialy izany fironana izany, ireo tambajotra ireo izay matetika mety hisy fiantraikany kokoa noho ny fampitambaovao mahazatra. Azo antoka fa hiroborobo ireo karazana olona sady mpitarikevitra no mpisehatra eny anivon'ny fiarahamonimpirenena amin'ny ho avy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.