Hiteraka disadisa ara-diplaomatika eo amin'i Kazakhstan sy i Rosia ve ny fijoroan'ny yurt iray ao Okraina?

Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube Radio Free Europe mampiseho ny ao anatin'ny yurt. Fampiasana ara-drariny.

Hatramin'ny nanombohan'ny fananiham-bohitra nataon'i Rosia an'i Okraina tamin'ny 24 Febroary 2022, vao mainka nitebiteby ny olona ao Kazakhstan, manomboka amin'ny olom-pirenena ankapobeny ka hatramin'ny mpanao politika, amin'ny imperialisma ataon'i Moskoa sy ny fanambaràna fa “fanomezan'i Rosia sy ny Firaisana Sovietika i Kazakhstan Avaratra”. Mandritra izany fotoana izany, nitombo ny firaisankina amin'i Okraina, indrindra eo amin'ny ampahany amin'ny vahoaka, raha miezaka ny hampifandanja tsara eo amin'i Kyiv sy Moskoa kosa ny governemanta Kazakh izay mbola sedraina indray ankehitriny amin'ny hetsika maha-olona mampiseho yurt Kazakh ao Bucha, Okraina.

Tamin'ny Novambra 2022, nanambara ny fisokafan'ny foibe an'arivony manerana ny firenena ny filoha Okrainiana Zelenskyy izay ahafahan'ny olona mahazo jiro, rano mafana, sakafo, fialofana ary indraindray fikarakarana ara-pitsaboana fototra, satria tohizan'i Rosia ny fanimbana ireo fotodrafitrasa sivily fototra izay manakana olona an-tapitrisany tsy hahazo angovo, rano ary trano. Tao amin'ny iray amin'ireo foibe ireo tao Bucha — toerana malaza nanaovan'ny rosiana habibiana goavana tamin'ny sivily — no nipongatra ny yurt Kazakh iray. Ny Yurt dia tranolay boribory nentim-paharazana vita amin'ny kofehy sy hazo ny ankamaroany, mahazatra ny firenena any Azia Afovoany sy Mongolia. Mafana ao anatin'izy ireny sady mora ahorona sy afindra.

Rehefa nalaza tao amin'ny media sosialy ny vaovao fisian'ny yurt Kazakh tao Bucha, dia nisarika ny sain'i Kremlin ihany koa izany, izay nanao fanambaràna mametraka ahiahy amin'izay heveriny ho tsy fivadihan'i Astana amin'i Moskoa eo amin'ny fifandraisan-dry zareo. Mifanolotra sisintany mirefy 7.644 kilaometatra ireo firenena ireo ary, rehefa voafidy indray hiasa amin'ny fe-potoam-piasana lava kokoa ny filoha Kazakh Kassym-Jomart Tokayev, dia tany Rosia no nanaovany fitsidihana ivelan'ny fireneny voalohany tamin'ny 27 Novambra 2022.

Araka ny tatitry ny media Kazakh anjotra Village.kz  azy ao amin'ny kaonty Instagram-ny:

Официальный представитель МИД РФ Мария Захарова призвала Казахстан прокомментировать информацию об установке «юрты несокрушимости» в Буче… По ее словам, утверждается, что это было сделано якобы при участии МИД РК.
“Нас заверили, что тиражируемая в некоторых СМИ информация не соответствует действительности и власти республики здесь ни при чем. Оснований не доверять близким партнерам у российской стороны нет. Вместе с тем, во избежание дальнейшего „раскручивания“ этой темы с целью нанесения ущерба российско-казахстанскому стратегическому партнерству и союзничеству, весьма желателен официальный комментарий наших друзей, который поставил бы точку на этих спекуляциях», — заявила Захарова.

Niantso an'i Kazakhstan ny solontena ofisialin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Rosiana, Maria Zakharova, mba haneho hevitra momba ny vaovao nametrahana ny “yurt-n'ny tsy mety resena” ao Bucha… Araka ny filazany dia heverina fa nisy fandraisana anjara avy amin'ny Ministeran'ny Raharahambahinin'ny Repoblikan'i Kazakhstan ny fanaovana izany. “Nahazo toky izahay fa tsy marina ny vaovao miparitaka amin'ny fampitam-baovao sasany ary tsy misy idiran'ny manampahefana ao amin'ny repoblika velively izany. Tsy manana antony ny lafiny rosiana tsy hatoky ny mpiara-miombona aminy akaiky. Fa mba isorohana ny fiitarana aterak'ity lohahevitra ity mba hanimbana ny fiaraha-miasa sy fiaraha-miombon'antoka ara-stratejika Rosiana-Kazakh, dia tena irìna tokoa ny isian'ny fanehoan-kevitra ofisialy avy amin'ireo namanay, Ka hitsahatra hatreo ireny fanamboaramboaran-dresaka ireny,” hoy i Zakharova.

Araka ny vaovao azo, ny yurt ao Bucha dia fandraisan'anjara avy amin'ny Kazakh mpandraharaha Dauren Nurzhanov, araka izay hita antsipiriany ato amin'ity sioka ity, ary andrasana hisokatra tsy ho ela ao Kyiv koa ny iray hafa vaovao:

Vaovao mahafaly. Miaraka amin'ny tolo-tanana avy amin'ny mpandraharaha Dauren Nurzhanov, misokatra ao Okraina ny yurts tsy mety resena – toerana fanafanana, fahazoana herinaratra sy sakafo. Volantera no mikirakara plov, baursaks. Ny voalohany napetraka tao Bucha. Ireo manaraka kosa hisokatra ao Kyiv, Odesa, Kharkiv, Lviv

Hoy ny mpaneho hevitra iray tao amin'ny ranty instagram Village.kz:

Эти юрты установило не государство, а частные организации и лица. Имеют на то полное право. И точно не обязаны отчитываться перед РФ.

Tsy ny fanjakana no nametraka ireo yurt ireo, fa ny fikambanana tsy miankina sy ny olon-tsotra. Manan-jo hanao izany izy ireo. Ary azo antoka fa tsy manana adidy hanao tatitra any amin'ny Federasiona Rosiana izy ireo.

Miharihary fa sorena i Moskoa raha mety ho lasa akaiky kokoa an'i Kyiv i Kazakhstan, izay efa mampiantrano Rosiana maherin'ny 200.000 izay nandositra ny firotsahana ho miaramila, sady manao izay isian'ny elanelana amin'ny Kremlin.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.