Mamorona fitaovana anti-viriosy vita an-toerana i Mozambika
Maska vita amin'ny lamba, fitaovam-piarovana azo ampiasaina indray, sy fievohana araka ny nentin-drazana hanesorana ireo soritr'aretina madinika — ireo ny sasantsasany amin'ny vahaolana hitan'ny manampahefana mozambikana tsy manambola sy ny olom-pirenena ao aminy raha mihamiakatra ny isan'ny tratran'ny COVID-19.
Hatramin'ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra ôrizinaly, 80 ny isan'ny tranga COVID-19 voamarina tao Mozambika, araka ny nolazain'ny minisiteran'ny fahasalamana, ary tsy nisy ny maty. Azo avy amin'ny famindràn'ny fiarahamonina ny 72 amin'izany tranga izany ary 57 no any amin'ny faritany avaratra any Cabo Delgado, foiben'ny valanaretina ao amin'io firenena io. Marary 19 no efa sitrana tamin'izany.
Na izany aza, raha ny fahitana ny rafi-pitsaboana voafetra amin'ny fahafahana manao fitiliana, tsy mitaratra ny zavamisy ireo antontanisa ireo. Fa tamin'ny 4 mey, mbola 2.589 monja ny isan'ny fitiliana vitan'ny Ivotoeram-Pirenena Misahana ny Fahasalamana ao Mozambika ahitana mponina 30 tapitrisa.
Tahaka ireo firenena hafa andalampandrosoana, tsy manana ny fampitaovana ilaina toy ny totoforana (fandrivotra) ny rafi-pitsaboan'i Mozambika — 35 monja ny isan'izany manerana ny firenena iray manontolo.
Na izany aza miezaka ny manampahefana ny hampihemotra ny tendron'ilay aretina, izay tombanan'ny maodely sasany ho tratra any amin'ny fisasahan'ny taona, mandra-pahatonga ny Janoary na Febroary 2021 mba hahafahan'ny servisim-pahasalamana manam-potoana hanangonam-pitaovana sy hanatsarana ny fahatakarany momba ilay aretina.
Mandritra izany fotoana izany, nambaran'ny governemanta ny fotoam-pahamehana ary nanomboka nandray fepetra henjana ry zareo, tahaka ny fandraràna ny môtô taxi izay nanana ny lazany. Na izany aza, taorian'ny hetsi-panoherana mahery setra nanoheran'ny mpitondra taxi izany fepetra izany, nihemotra ny manampahefana ary novahany ny lalàna, mamela ny môtô taxis hiasa fa tsy maintsy manao maska ny mpitondra sy ny entina. Tsy maintsy anaovana ihany koa ny maska rehefa mandeha fitateram-bahoaka.
Saingy raha ny vidin'ny maska enti-mandidy amidy manodidina ny 50 ka hatramin'ny 100 meticais (efa ho iray dôlara amerikana isanisany), dia tsy ho takatry ny ankamaroan'ny Mozambikana mihitsy izany.

Maska namboamboarina avy amin'ny tavoahangy plastika ao Mozambika – Jornal da Noite, April 14.
Notoroan'ny governemanta ny vahoaka hanamboatra maska vita ao an-toerana amin'ny fampiasana capulanas – fitafy nentim-paharazana Mozambikana anaovan'ny vehivavy amin'ny ankapobeny – sy ireo fitaovana hafa efa mety ho vonona avy hatrany.
Na izany aza anefa dia tsy nametraka drafitra entina hanampiana io vokatra vita an-trano io ny manampahefana ary nampanantena ny hizara maska miisa 12.000 monja – izany hoe maska iray monja isaky ny olona 2.500.
Notsikerain'ny Foiben'ny Demaokrasia sy ny Fampandrosoana, fikambanam-pampandrosoana iray ao an-toerana, izany fomba fiasan'ny governemanta izany:
A verdade é que, mais uma vez, o governo impõe medidas restritivas sem criar a logística necessária para o seu cumprimento efectivo por parte da população.
Miharihary indray fa mametraka fepetram-pandraràna tsy mihevitra izay fampitaovana ilaina hampahombiazana izany eny anivon'ny olompirenena ny governemanta.
Mandritra izany fotoana izany ny Centro de Integridade Pública (CIP), FTMF iray ao an-toerana, nanomboka nizara maska ho an'ireo mpiasan'ny tsena ao an-toerana, ho fanampin'ny fampahafantarana ny mahazavadehibe azy ireny.
Araka ny nolazain'ny fikambanam-pampitam-baovao miteny paortiogey iray Agência Lusa, vita amin'ny capulana ny maskan'ny CIP ary nozairina niaraka tamin'ny lamba vita amin'ny landy izay manana fahazakana tsara hanivana kasingan-drivotra.

Saripikan'ny maska vita amin'ny capulana (fitafy ao an-toerana) ao Mozambika. Saripikan'ny Centro de Integridade Pública, nahazoana alalana.
Entana efa tsy ilaina lasa fitaovana enti-miaro ho an'ny mpiasan'ny fahasalamana
Tratran'ny tsy fahampian'ny fitaovam-piarovana ihany koa ny mpiasan'ny fahasalamana. Hialana amin'izany dia nisy vondrona dokotera avy amin'ireo hopitaly tsara indrindra ao amin'ny firenena, ny Hospital Central de Maputo, no niezaka nanamboatra raoby, satroka, maska ary ireo fono fiarovantena hafa ho an'ny kiraro sy ny baoty.
Araka ny nolazain'ny hopitaly azo natao ny famokarana ity fitaovana ity noho ny firotsahana an-tsehatra ny ekipa niaraka tamin'ny sehatry ny fanjairana goavana irery ihany.
Espera-se se com este material de protecção individual haja redução considerável dos riscos de contaminação a que o pessoal médico está sujeito.
Manantena izahay fa hampihena betsaka amin'ny mety hisian'ny famindrana aretina izay mampihanjahanja ny mpiasan'ny fahasalamana ity fitaovam-piarovana ho an'olo-tokana ity.
Azo esorin-doto sy mikrôba ny fitaovana ka azo ampiasaina mihoatra ny indray mandeha sady mora vidy raha vokarina.
Mievoka ho fampihenana ny soritr'aretina COVID-19
Tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny fahitalavitra Mozambikana, nandrisika ny hanaovana evoka ny minisitra ny fahasalamana Armindo Tiago ho fanesorana ny soritr'aretina madinika COVID-19 ao anatin'izao fotoana izao.
Fomba mahazatra any Mozambika ny mievoka ary ahitana fifohana etona an'orona avy amin'ny raokandro na ravinkazo — matetika ravin-kininina na ravin-goavy — ao anaty rano mangotraka. Afangaro ao anaty koveta ny ravina ary misarona ao anaty bodofotsy mandritra minitra vitsivitsy sady mifoka lalina an'orona.
Araka ny asehon'ny gazety Verdade, efa vonona ho amidy any amin'ireo tanàna isankarazany manerana ny firenena amin'ny vidiny 50 meticais (latsaka iray dôlara amerikana) ireo kasinga entina manao evoka voalaza etsy ambony :
Empreendedorismo #covid19 no epicentro do novo #coronavirusMOZ cada molho de eucalipto 50 metical #Maputo #Moçambique pic.twitter.com/bfliNZhKV8
— Verdade Democracia (@DemocraciaMZ) April 12, 2020
#covid19 fandraisana an-tanana ao amin'ny foibe ielezan'ny #coronavirusMOZ mitentina 50 meticais ny ravina kininina tsirairay #Maputo #Moçambique pic.twitter.com/bfliNZhKV8
Zahao ny pejy manokan'ny Global Voices amin'ny fiantraikan'ny COVID-19 amin'ireo fokonolona manerana izao tontolo izao Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Zahao ny pejy manokan'ny Global Voices amin'ny fiantraikan'ny COVID-19 amin'ireo fokonolona manerana izao tontolo izao Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...