Fanontaniana & Valiny: Fantaro i Walis Taywang, mpikatroka ho an'ny fiteny Seediq

Portrait of Walis Taywang at this desk. His expression is neutral, looking away.

Walis Taywang mpikatroka ho an'ny fiteny Seediq. Sary natolotr’ i Walis Taywang.

Taorian'ny fanentanana nahitam-pahombiazana tamin'ny taona lasa tety anaty media sôsialy nentina nankalaza ny fahamaroam-piteny an-tserasera manerana an'i Azia, hitohy mandritra ny 2020 ny tetikasa ifandrimbonana. Isankerinandro dia hisy hifandimby hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline ireo mpikatroka sy mpanandrateny samihafa ho an'ny fiteny, hizara ny zava-niainany, ny fanao tsara indrindra, ary ireo lesona azon’-dry zareo tamin'ny famelomana aina indray sy fampahafantarana ireo fiteny teratany, miaraka amin'ny fifantohana manokana amin'izay anjara toerana raisin'ny aterineto. Ity fanentanana ity dia fiarahana miasa eo amin'ny Rising Voices, ny Digital Empowerment Foundation, ary ny O Foundation.

Isankerinandro, ireo vahiny mpampiantrano ho avy eo dia hamaly fanontaniana maromaro momba ny làlana nodiaviny sy hanome topimaso fohy momba ny fitenin-dry zareo. Ity ny Fanontaniana sy Valiny niarahana tamin'i Walis Taywang (@KSeediq) izay hanome topimaso momba izay horesahany mandritra ny herinandro maha-mpampiantrano azy..

Rising Voices (RV): lazalazao anay ny momba anao azafady.

Walis Taywang (WT): Sndamac namu bale! Walis Taywang ngayan mu. (Arahaba! Walis Taywang no anarako.) 20 taona ary mpianatry ny anjerimanontolo ao Taiwan, mianatra manokana momba ny fiteny. Kanefa, tsy olona teratany aho. Rehefa nahazo aingampanahy avy amin'ilay sarimihetsika “Warriors of the Rainbow: Seediq Bale” (賽德克·巴萊) dia nanomboka nianatra ny kolontsaina sy ny fiteny Seediq aho ary tsy nitsahatra mandraka ity ny androany. Tamin'ity taona ity, namorona pejy Facebook iray ho an'ireo mpankafy aho ary nanomboka nanao fampidirana ny fiteny Seediq ho an'ireo tsy mahafantatra momba azy io. Tamin'ny fizaràna voanteny vaovao vitsivitsy noforonina na ny fandikàna ireo sary hatsikana ho amin'ny fiteny Seediq, nahitàna fahombiazana aloha hatreto ilay pejy natao ho an'ireo mpankafy. Manaraka izay, hampahafantatra ny fiteny Seediq amin'ireo Taiwaney sy Hakka aho, mba hahatakaran'ireo mahay fiteny maro ny tena ventin'ny fiteny Seediq.

RV: Ahoana ny toerana misy ny fiteninareo ety anaty sy ivelan'ny aterineto?

WT: Tandindonin-doza ny fiteny Seediq vokatry ny politika tsy mety momba ny teny nankalazain'ireo mpanjanaka, Japàna sy ny Repoblikani Shina. Na mahay tsy miambakavaka ny fiteny Seediq aza ireo zokiolona monina any amin'ireo faritaniny, very tsikelikely eny amin'ireo tanora ilay fiteny noho ny dindon'ny Mandarin, izay hany tokana ampiasaina eny anatin'ny fampianarana sy tokana nekena ho tenimpirenena ofisialy nanomboka tamin'ny 1949 hatramin'ny 2018. Vao taona vitsy lasa izao, nitombo ny fahatongavantsain'ireo mponina eo an-toerana, ary nanomboka nomena lanja ny fampianarana ny tenindreny. Ny tena goavana, ny 2017 sy 2019, nifanesy nolaniana ny Indigenous Languages Development Act sy ny Development of National Languages Act (lalàna natao hampiroboroboana ireo fiteny teratany sy lalàna natao hampiroboroboana tenimpirenena), ka nony farany dia lasa tenimpirenena ao Taiwan ireo fiteny terataninay. Raha ny fahitàna azy ety anaty aterineto, ankehitriny dia ny pejiko Facebook ihany aloha sy ny kaonty Instagram an'olona iray hafa mpanao sary no misy. Tena mbola mila miasa mafy izahay ho fampiroboroboana  azy ity.

RV: Mikasika lohahevitra inona no kasainao hifantohana mandritra ny herinandro izay hitantananao ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline?

WT: Angamba mety hizara ireo fampidirana fototra mankany amin'ny fiteny Seediq aho, sy ireo sary hatsikana nadika ho amin'ny fiteny Seediq, ary ireo torohay momba ny fisorohana ny COVID-19. Io votoaty io dia hahitàna ireo voanteny fototra sy fehezanteny fohy. Mandritra izay fotoana izay ihany, hanao fampidirana fitsipi-panoratana vitsivitsy aho, na fomba fanonona, mba hahafahan'ny tsirairay mahazo azy mora foana.

RV: Inona no tena antony manosika anao ho amin'ny fikatrohana an-tserasera ho an'ny fiteninao? Inona no fanantenanao sy nofinofinao ho an'ny fiteninao?

WT: Tsotra kely raha ny marina. Tiako fotsiny ho maro ireo olona mahita ity fiteny mahafinaritra ity ary hanandrana ny hanapariaka ny fampiasàna azy hihoatra lavitra ny fifampiresahana isanandro fotsiny, ho tonga hatrany amin'ireo sehatra hafa toy ny fanaovana lalàna, ny antontan-taratasim-panjakana, ary na eny amin'ny akademia aza. Manantena koa aho fa, amin'ny hoavy, tsy hisy olona ho voahilikilika rehefa miteny ny fiteny Seediq.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.