Fanontaniana&Valiny: Fantaro i Ilham Nurwansah, mpikatroka ho an'ny fiteny Sundanese

Portrait of Ilham Nurwansah, Sundanese language activist.

Ilham Nurwansah, mpikatroka ho an'ny fiteny Sundanese . Sry natolotr'i Ilham Nurwansah.

Taorian'ny fanentanana nahitam-pahombiazana tamin'ny taona lasa tety anaty media sôsialy nentina nankalaza ny fahamaroam-piteny an-tserasera manerana an'i Azia, hitohy mandritra ny 2020 ny tetikasa ifandrimbonana. Isankerinandro dia hisy hifandimby hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline ireo mpikatroka sy mpanandrateny samihafa ho an'ny fiteny, hizara ny zava-niainany, ny fanao tsara indrindra, ary ireo lesona azon’-dry zareo tamin'ny famelomana aina indray sy fampahafantarana ireo fiteny teratany, miaraka amin'ny fifantohana manokana amin'izay anjara toerana raisin'ny aterineto. Ity fanentanana ity dia fiarahana miasa eo amin'ny Rising Voices, ny Digital Empowerment Foundation, ary ny O Foundation.

Isankerinandro, ireo vahiny mpampiantrano ho avy eo dia hamaly fanontaniana maromaro momba ny làlana nodiaviny sy hanome topimaso fohy momba ny fitenin-dry zareo. Ity ny Fanontaniana sy Valiny niarahana tamin'i Ilham Nurwansah (@inurwansah) izay hanome topimaso momba izay horesahany mandritra ny herinandro maha-mpampiantrano azy.

Rising Voices (RV): lazalazao anay ny momba anao azafady..

Ilham Nurwansah (IN): Ilham Nurwansah no anarako. Mpiteny ny fiteny teratany Sundanese ao Indonezia. Hatramin'ny nandalinako ny Sundanese ho fanomanako ny diplaomako BA sy MA, nitombo be ny fahalinako tamin'ilay fiteny, indrindra fa ny fahafahana hizara amin'ny hafa ireo harena ara-teny sy kolontsaina ao anatiny. Manao fikarohana manokana aho momba ny fiteny Sundanese sy ireo sorabe tranainy ary mandray anjara ao anatin'ny vondrompiarahamonin'ny Wikipedia amin'ny fiteny Sundanese. Manoratra ihany koa lahatsoratra maro momba ny fiteny Sundanese ho an'ireo gazety sy gazetiboky ao an-toerana.

RV: Ahoana ny toerana misy ny fiteninareo ety anaty sy ivelan'ny aterineto?

IN: Maherin'ny 39 tapitrisa ny olona mampiasa ny Sundanese (bahasa Sunda), indrindra fa any amin'ny faritra andrefana ao amin'ny nosy Java. Io no mahatonga ny Sundanese ho ny fiteny faharoa be mpampiasa indrindra ao Indonezia. Asehon'ireo porofo ara-tantara voarakitra an-tsoratra fa efa tany amin'ny taonjato faha-14 no voarakitra izy io ary mbola mitohy ampiasaina sy mivoatra hatramin'izao. Ankehitriny dia nampidirina ihany koa ho isan'ireo taranja any amin'ny sekoly ao an-toerana, tohanan'ireo  famoahana fanontàna boky, sy fitaovana ety anaty aterineto (ohatra ny Wikipedia sy ny vavahadin-baovao  Kora Sunda).

RV: Mikasika lohahevitra inona no kasainao hifantohana mandritra ny herinandro izay hitantananao ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline?

IN: Tsy ny endriky ny fiteny Sundanese fotsiny ihany no horesahako, fa koa momba ny kolontsaina sy ny fahalalàna ankapobeny ananan'ireo vahoaka Sundanese. Miainga avy amin'ireo vanimpotoana ara-tantara ary mankaty amin'ny vaninandro maoderina.

RV: Inona no tena antony manosika anao ho amin'ny fikatrohana an-tserasera ho an'ny fiteninao? Inona no fanantenanao sy nofinofinao ho an'ny fiteninao?

IN: Tiako haseho ny endrika mavitrika ananan'ny kolontsaina Sundanese izay mitohy mivoatra manaraka ny fotoana, miaraka amin'izay rehetra fomba fijeriny sy fanantenany. Manandanja io dingana io ho toy ny fampiroboroboana ny fisiana sy ny anjara toeran'ny tenindreny ao anatin'ny fiarahamonina manontolo (manerantany).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.