Angola: Fifidianana an-tsary maro

Andro manokana ho an'i Angola ny andron'ny zoma 05 Septambra. Nazoto hifidy ireo mpikambana vaovao ao amin'ny Parilemanta tao anatin'ny 16 taona izao ny vahoaka taorian'ny fampielezan-kevitra mafotaka iny. Ity moa no fotoana voalohany ho an'ny maro hanararaotany mampiasa ny zony hifidy. Namonjy ny biraom-pifidianana mahatratra 12 000 eo ho eo ampilaminana ny maro, saingy mbola mitohy moa ny fifidianana ho an'ny biraom-pifidianana mahatratra 320 ao an-drenivohitra Luanda, noho ny olana teo amin'ny fitaovana omaly izay niteraka ny fanemorana ny famoahana ny vatom-pifidianana.

Efa manomboka miseho lany ato amin'ny tontolom-bolongana moa ny fanehoan-kevitra sy ny tatitra samihafa, ary efa feno tokoa izany. Na izany aza dia indreto misy sary vitsivitsy maneho fa manantantara ity andro ity, sary misoratra amin'i José Manuel Lima da Silva, mpampiasa ny Flickr antsoina hoe Kool2bBop, dia manome izao fanamarihana izao:

Unidade Nacional. Angola está a provar ao mundo que, apesar das diferenças, é um povo UNIDO.
UM SÓ POVO, UMA SÓ NAÇÃO.
Esperemos que tudo acabe como até aqui! – civismo

“Firaisam-pirenena. Nasehon'i Angola tamin'izao tontolo izao, fa na misy aza ny fahasamihafana, ny mampivondrona ny vahoakany izany. Vahoaka Iray, Firenena Iray. Manantena izahay fa hitohy tahaka izany hatrany na dia amin'ny farany aza (famoahana ny vokatra rehetra) – ny ‘fahendrem-bahoaka!”

Mbola maro ny sary azonao jerena ao amin'ny tahirintsary flickr an'i Tiago Sousa sy iSam.Seyffert momba ity andro lehibe ity.

Manodidina ny 8 300 000 eo ho eo ny olona nisoratra anarana hifidy amin'ireo kandidà mihoatra ny 5 000 avy amin'ny antoko folo sy mandatehezana 4. Mitotaly 220 ny toerana iadiana ao amin'ny parilemanta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.