Sonia manan-tantara nifanaovan'ny oniversite roa momba ny fanonerana ny fanandevozana any Karaiba

Ny Oniversiten'i Glasgow any Ekaosy. Saripikan'i Hugo Cadavez, CC BY 2.0.

Nanao soniam-pifanarahana manan-tantara amin'ny fanonerana ny fanandevozana ny mpitantsoroka-lefitra (Vice-Chancellor) avy ao amin'ny Oniversiten'i Antilles (UWI West Indies), ny Profesora Sir Hilary Beckles, sy ny Mpiandraikitra Lehiben'ny fanatontosana asa ao amin'ny Oniversiten'i Glasgow, ny Dr. David Duncan — sambany no nisy fifanarahana tahaka izao hatramin'ny nanafahan'ny Britanika tanteraka tamin'ny taona 1838 ireo vahoaka nandevozina.

Tsy mbola nisy mihitsy hatramin'izay izany hoe trano fianarana iray miorina ao amin'ny Fanjakana Mitambatra nahazo tombony tamin'ny fanandevozana ka miala tsiny noho ny andraikiny tao anatin'izany — ary mbola zava-dehibe kokoa noho izany — mametraka ny vola ao ambavany [izany hoe manentsina izany]. Natao araka izay mety, nosoniavina tao amin'ny foibem-paritra UWI tao Kingston, Jamaika, tamin'ny 31 Jolay 2019 — tamin'ny andro nampiharana ny fanafahana tanteraka tamin'ny fanandevozana 181 taona lasa izay (sady eo am-pikarakarana ny fetin'ny fanafahana tamin'ny fanandevozana [mg] izay ankalazain'ny maro ao amin'ny faritra rahateo) — ny fifanarahana mitentina £20 tapitriana ( $24.308.500 USD).

Io vola 20 tapitrisa io, izay saimbôlikan’ny vola nandoavan'ny governemanta britanika ho an'ny tompon'andevo ho fanonerana ny fanafoanana ny fanandevozana, dia ho ampiasaina amin'ny fikarohana sy ho amin'ny fisantaran-draharaha mifototra amin'ny fampandrosoana ifanaovan'ny oniversite roa tonta mandritra ny 20 taona ho avy, ka eo ambany fitarihan'ny Foibem-pikarohana fampandrosoana Glasgow-Karaiba izay iaraha-manana sy mamelona, no hanatanterahana izany. Ny tanjona dia ny hahitana vahaolana amin'ny sasany amin'ireo fanamby manindry indrindra ara-pampandrosoana any Karaiba, ao anatin'izany ny toekarena, ny fikarakarana ny fahasalamam-bahoaka ary eny fa na dia ny lohahevitra momba ny mari-panondroana ara-kolontsaina aza. Haorina amin'ny tobin'anjerimanontolo roa  tonta amin'ny volana septambra 2019 izany foibe izany.

Mpitantsoroka-lefitry ny Oniversiten'i Antilles (West Indies), Sir Hilary McDonald Beckles (ankavia), sy ny tale mpanatanteraky ny FMI (Famatsiam-Bola Iraisampirenena) Christine Lagarde (ankavanana), tao amin'ny Oniversiten'i Antilles, Mona Campus tao Kingston, Jamaika 17 Novambra 2017. Sary FMI Photo/Krzystof Rucinski, CC BY-NC-ND 2.0.

Hatramin'ny taona 2013, rehefa voafidy ho [Filohan'ny] Vaomieram-Paritry ny Fanonerana CARICOM, mikendry ny “hanoritana ny lalan'ny fihavanana, fahamarinana, ary ny rariny ho an'ny lasibatry ny fanandevozana sy ny taranany” ny Sir Beckles, dia lohalaharana izy amin'ny fandresen-dahatry ny faritra hitakiana fanonerana.

Tao amin'ny antsafa iray nivoaka tao amin'ny gazetibokim-paritra Caribbean Beat tamin'ity taona 2019 ity, nilaza izy fa efa voatomboka ny vintany hatry ny maha-“zanaka Windrush” azy “hiroboka amin'ny endrika maron'ny dia matroka”. Nanamarika ihany koa izy ny “fahefa-manova” ananan'ny University of the West Indies (Oniversiten'i Antilles) — izay milahatra ao anatin'ny dimy isanjato tsara indrindra amin'ireo oniversite tsara indrindra manerana izao tontolo izao — amin'ny fananganana faritra mahazaka faharetana sy lovain-jafy:

The last fifty years, we’ve built the Caribbean out of the colonial rubble. The issues in front of us this time are very different. An important role of UWI is to help clarify this historic moment and develop conversations about the next half-century. […] My focus was always on economic development and the role that education can play in the economic transformation of our societies. […]

Reparations is connected to economic development. […] I’m the vice president of the UNESCO Global Slave Routes project, the chairman of the CARICOM Reparations Commission, along with other hats. I’m responsible for developing a framework for the research of slavery on a global basis. I spend a lot of time in Africa, Latin America, and Asia looking at how black slavery was globalised. Everything is connected. Britain has a role to play in putting back some of the money it milked from the Caribbean for its own development. Having achieved its own transformation, we’ve been left with the results of that extraction. I believe we have a right! Britain should return to the scene of the crime, and participate in cleaning up the mess it left behind.

Tao anatin'ny dimampolo taona, nahatsangana an'i Karaiba hivoaka amin'ny fakofakom-panjanahantany isika. Hafa mihitsy ny lohahevitra (olana) manoloana antsika amin'izao fotoana izao. Anjara andraikitra lehibe notanan'ny UWI ny nampahazava io fotoana manan-tantara io sy mamelatra fifanakalozan-dresaka momba ny atsasa-taonjato manaraka. […] Ny nifantohako hatramin'izay dia teo amin'ny fivoarana ara-toekarena sy ny anjara toerana azon'ny fanabeazana idirana amin'ny fanovana ny toekaren'ny fiarahamonintsika. […]
Mifandray amin'ny fampandrosoana ara-toekarena ny fanonerana. […] Izaho no filoha lefitry ny tetikasan'ny UNESCO momba ireo Lalana Ankapobeny nitondrana ny andevo, filohan'ny vaomieran'ny fanonerana ao amin'ny CARICOM, miaraka amin'ireo mari-boninahitra hafa. Izaho no tompon'andraikitra amin'ny fandrafetana sori-joro hanaovana fikarohana momba ny fanandevozana eo amin'ny fototra manerantany. Efa nandany fotoana maro aho tany Afrika, Amerika Latina ary Azia mitady ny fomba nahasandrahaka manerantany ny fanandevozana ny mainty. Mifandray daholo ny zava-drehetra. Manana anjara i Britaina amin'ny fakana ny vola sasany nononoiny avy ao Karaiba hahabe voho azy. Rehefa vitany ny fanovana tanteraka, dia nilaozana tamin'ny vokatry ny fitrandrahana isika. Mihevitra aho fa manan-jò isika! Mila miverina mijery ny heloka vitany i Britaina, ary mandray anjara amin'ny fanadiovana ny korontana navelany.

Ao anatin'izao fandosirana tsy mitsahatra ataon'ny Fanjakana Mitambatra (UK) amin'ny resaka fanonerana izao, dia arahabaina ho voa famafy ity Takela-pahatakarana ifanaovana amin'ny Oniversiten'i Glasgow ity. Notehafan'i Sir Beckles ny fijoroan'ny Oniversiten'i Glasgow fa “tsy ho tsara dia tsara ny oniversite iray rehefa tsy manana etika,” ary nampiany fa nametraka ilay toeram-pianarana ho amin'ny “sehatra avoavo kokoa ara-maoraly” ilay fifanarahana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.