Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Desambra, 2022
Kianoush Ramazani, mpanao sariitatra: ny fanantenana ao Iràna anatin'ny vanimpotoana sarotra
Kianoush Ramazani, mpanao sariitatra ara-politika nahazo loka sady mpikatroka mafàna fo, manolotra ny heviny momba ny faharetan'ny vahoaka Iraniàna mandritra ny hetsipanoherana misy amin'izao fotoana izao sy ny toeran'ny sariitatra ara-politika ao anivon'ireo endrika hafan'ny fanehoankevitra.
TikToker malaza Nekoglai, mitantara ny fampijaliana nataon'ny polisy Rosiana azy
Mampiseho ny ohatr'i Nekogiai fa mety ho malaza noho ny fialamboly ho an’ny tanora mpanjohy ny lahatsary sasany misy votoaty ara-politika na ny fanoherana.
Maninona no tsy misy iraharahàn'i Amerika Atsimo ireo olan'ny kolikoly tamin'ny fiadiana ny Amboara Erantany?
Fandalinana fohy maneho hoe mitatitra be kokoa momba ny kolikoly sy ny zon'olombelona ao Qatar ireo media Tavaratra, fa tsy toy izany kosa ny media avy any Amerika Atsimo
Milofo miaro ny angon-drakitra ao Indonezia ny mpikatroka
".....mbola lavitra ny lalana hanatrarana fiarovana angon-drakitra matanjaka kokoa ao Indonezia."
Fantaro i Cyrine Alaya, mpandika teny Lingua Frantsay
"Mahatonga lafatra ny fanazaran-tena. Mandika teny. Mandika teny isan'andro. Tsy ho afaka hanatsara ny fahaizanao ianao raha tsy mizatra mandika teny tsy tapaka."
Mitontongana ny fahalalahana maneho hevitra ao Tanzania
Any Tanzania, dia zon'ny olom-pirenena tsirairay avy araka ny lalàm-panorenana ny fahalalahana maneho hevitra, kanefa nopotehina noho ny fandaniana sy fampiharana ireo andiana lalàna famoretana tsy an-kiato nandritra ny taona maro.
Fahatakarana ny voka-dratsin'ny fampielezankevitra Rosiàna manohitra ny OTAN sy Kosovo
"Tena manimba sy mampidi-doza ny fiparitahan'ity vaovao diso ity any amin'ireo firenena izay tsy dia misy fahalalana firy mikasika ny raharahan'i Kôsôvô."
Tsy ampy ny sakafo an-tobin'ny mpitsoa-ponenana ao Ogandà, miakatra ny vidin-tsakafo ary tsy ampy ny famatsiam-bola
"Fantatry ny sampan-draharaha fa mety hipoaka ny fifandirana rehefa tsy ampy sakafo ny mpitsoa-ponenana. Mety hiteraka fihenjanana sy tebiteby ny tsy fahampian-tsakafo, izay mety hanohintohina ny fiaraha-miaina am-pilaminana eo amin'ny mpitsoa-ponenana sy ny vondrom-piarahamonina mpampiantrano," hoy izy.
Colmena: sehatra media manana loharano misokatra, mampifandray ireo vondrom-piarahamonina ambanivohitra sy ireo indizeny
"Ho ahy, ny anarana hoe “Colmena” dia maneho ny fandavantena manoloana ny fahasamihafàna."
Voarahona ho atao tahaka ny nahazo an'i Charlie Hebdo ny ekipan'ny gazety Danas
Nolazainy ihany koa fa matetika mahazo hafatra fandrahonana ny mpanao gazety ao amin'ny gazety, saingy nalefan'ny olona zatra ny asan-dry zareo sy ny fanaony io mailaka io.