Fahatakarana ny voka-dratsin'ny fampielezankevitra Rosiàna manohitra ny OTAN sy Kosovo

Mustafa Xaja avy any Kôsôvô tamin'ny taona 1999 sy 2021. Sary niainga avy amin'ny pikantsary avy amin'ny sary malaza nopihana nandritra ny Adin'i Kôsôvô sy avy amin'ny tafatafa an-dahatsary nataon'ny T7 TV.

“Tsy rariny ny fitsabahan'ny OTAN tamin'ny ady tao Kôsôvô”. Io no fitantarana tian'ny fampielezankevitra Rosiana sy Serba hatsangana.

Nomarihan'ny filoha Rosiana Vladimir Putin indray izany rehefa niresaka ny fitsabahan'ny OTAN tamin'ny adin'i Kôsôvô izy taorian'ny fihaonany niaraka tamin'ny Chancelier Alemàna Olaf Scholz tao Maosko tamin'ny 15 Febroary. Nandritra ity fihaonana ity, araka ny voalazan'ny lahatsoratra iray tao amin'ny tranonkala EuroNews, dia “nohitrikitrihan'ny mpitondra Rosiàna fa [tsy] tiany hisy ady manodidina an'i Okraina, taorian'ny herinandro maromaro nisian'ireo fihenjanana nateraky ny fanaparitahana miaramila Rosiana marobe.”

Vao mainka nanan-danja ny famoronana ity fitantarana ity rehefa niha-henjana ny adin'i Rosiana tamin'i Okraina tamin'ny 28 Febroary.

Avy amin'ny fanodinkodinana samihafa no itadiavan'ny fanentanana fampielezan-kevitra Rosiàna sy Serba ny hanamafisana io fomba fijery io sy hanovàna ny marina mikasika ny Adin'i Kôsôvô tamin'ny 1998-1999 hifanaraka amin'izay mety amin'izy ireo. Miparitaka any Montenegro mifanila aminy ihany koa ity fanalambaràka ity ary hatrany Bôsnia sy Herzegôvina. Mba hampitsaharana ny zava-doza manolona ny maha-olombelona izay efa nivoatra tao Kôsôvô tamin'izay fotoana izany dia niditra an-tsehatra ny OTAN ary nandefa hetsika an'habakabaka fantatra tamin'ny anarana hoe Operation Allied Force (hetsiky ny mpiara-dia) tamin'ny Martsa 1999.

Nanomboka teo, niezaka tsindraindray nanosika fitantarana iray miteraka fisalasalana mikasika ny fitsabahan'ny OTAN ny fampielezan-kevitra Serba sy Rosiàna. Tao anatin'izany, saingy tsy voafetra ho izay ihany, ny fanararaotana ny sarin'ireo niharan'ny fanadiovana ara-poko, ny filazana azy ireo ho niharan'ny herisetran'ny Tandrefana, izany hoe ny fitsabahan'ny OTAN izay tena nampitsahatra io fanadiovana ara-poko sy ny fandatsahan-drà tany Balkàna io.

Matetika izany dia fitaovana natao ho fanamarinana ny herisetra ataon'i Rosia amin'i Okraina, na hanamarinana ny ady notarihan'ny fitondran'ny filoha mpanao didy jadona Serba Slobodan Milošević ao Kroasia, Bôsnia ary Kôsôvô. Ohatra iray vao haingana ny fandàvan'ny minisitry ny Raharaham-bahiny Rosiana Sergei Lavrov ny Fandripahana olona tao Racak tamin'ny taona 1999 ho ampahany amin'ny fitantarana fanalambaràka nikendrena ny hanamaivànana ny famonoana ireo teratany Okraniàna maherin'ny 1 000 nataon'ireo Rosiàna mpibodo an'i Bucha tamin'ny volana Martsa.

Tsy vaovao ity fironana ity. Tamin'ny 2019, ny lehiben'ny Ivon-toeram-pianarana eorô-atlantika ao Belgrady, Jelena Milić, dia nampitandrina fa i Kremlin, ny media Sputnik tohanan'ny Fanjakana Rosiàna sy ireo mpisolo tena azy, dia nandefa tsy tapaka ny vaovao diso momba ireo hetsika mifandraika amin'ny fitsabahan'ny OTAN.

Tamin'ny taona 2020, nampitandrina mikasika ity karazana fitantarana ity i Daniel Sutner mpandinika, tao anatin'ny lahatsoratra iray mikasika ny vaovao diso tao Balkans andrefana, navoakan'ny tranonkalan'ny OTAN :

Ny votoaty fampahalalam-baovao tohanan'i Kremlin amin'ny teny Serba dia novokarina, naverina navoaka sy naely be nanerana ny faritra. Nojifain'ireo olona an-tapitrisa tanatin'ireo fiarahamonina manana faharefoana raiki-tampisaka sy misaratsaraka anatiny izy io, tany amin'ny faritra iray izay manana fomba fijery tsara mikasika an'i Rosia hatrizay ary mbola misy fiantraikany amin'ny fomba fijery ireo fifandirana ara-poko tamin'ny taona 1990 sy ny Hetsika an'habakabaka tao Kôsôvô nataon'ny OTAN tamin'ny Martsa 1999. Tsy toy ireo firenena mpikambana ao anatin'ny vondrona tatsinanana sy OTAN, tsy nanan'ilay faritra ny traikefa ara-tantara ratsy niarahana tamin'i Maosko ary manana ny finoana ortodoksa ho iraisana.

Misy tranga manokana iray mikasika ny vaovao diso mifandraika amin'i Kôsôvô mifototra amin'ny fitrandrahana ireo sary nalaza taloha avy any Kôsôvô, naseho tany anatin'ireo fitantarana tany aloha.

Asehon'ny ohatra iray ny fanodikondinana iray hafa izay, mbola niandoha avy tamin'ny adin'i Kôsôvô sy ny fitsabahan'ny OTAN tamin'ny volana Martsa 1999 ihany koa. Zazakely albaney iray 2 taona avy any Kôsôvô, novonoin'ny tafika Serba, no naseho ho sahala amin'ny niharan'ny daroka baomba an'ny OTAN, tao anatin'ny lahatsoratra iray navoaka teo amin'ny tranonkala Rosiàna College36.

Pikantsary avy amin'ny tranonkala Rosiàna COLLEGE36.RU, miaraka amin'ny filazàna nodisoina

Mba handravàna ity vaovao diso ity dia nilainaty ny nanamarina ny sary ary, tamin'ny alalan'ny fampiasana fikarohana iray tamin'ireo sehatra na ireo fitaovana ahafahana manamarina ny sary, “Google Lens,” “Yandex Images” na “TinEye,” dia nahazo ny marina mikasika an'io sary io izahay.

Raha ny marina, tsy sarina ankizy Serba ilay sary, nolazaina ho niharan'ny daroka baomba nataon'ny OTAN. Io sary io, nalaina tamin'ny taona 1998 an'ilay nahazo ny loka Pulitzer, Yannis Behrakis, ary navoakan'ny Reuters tany am-boalohany, dia tena mampiseho ray amandreny ara-poko Albaney avy ao Kôsôvô mametraka ny fatin'ilay zanany ao anaty vatampaty, izay maty novonoin'ny tafika Serba.

Fanamarinana sary miaraka amin'ny TinEye.

Ny karazana fanodikondinana toy izao dia tsy vitan'ny fampahalalam-baovao na ny Fanjakana Rosiàna irery ihany, fa manomboka amin'i Putin ka hatramin'ireo fanambaràna ampahibemaso ataon'ireo mpiasam-panjakana ambony ao amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Rosiàna sy ny siokan'ny kaonty ôfisialin'ny masoivoho Rosiàna maneran-tany (anisan'izany ny ao Afrika Atsimo). Natao avy amin'ny alalan'ny fantsom-pifandraisana hafa ihany koa izany, na tamin'ny alalan'ny tranonkalan'ireo media sosialy na ihany koa avy amin'ireo Rosiàna  mpanoratra efa tsara toerana izay namoaka boky haisoratra na tononkalo. Toy izany no zava-nitranga tamin'ny fanodikondinana ny toejavatra nisy nanodidina ny sarin'i Mustafa Xaja,  Albaney iray hiringiriny avy ao Kôsôvô.

Famaritana nodisoina tamin'ny sary iray tsy fanta-tompo: “Ireo niharan'ny daroka baomban'i Serbia tamin'ny taona 1999″. Pikantsary avy amin'ny pejy Facebook Kosovo i Metohija.

Tamin'ny 2012, ny pejy facebook Serba atao hoe Kosovo i Metohija dia namoaka sary iray an'ny Reuters misy soratra hoe “Ireo niharan'ny daroka baomban'i Serbia tamin'ny taona 1999″. Sary mitovy ihany  amin'ireo vaovao mamitaka nampiasain'ilay Moskovita mpanoratra, Nadezhda Miroshnichenko, roa taona taty aoriana, teo amin'ny sary famantarana azy teo amin'ny V Kontakte (VK), sehatra media sôsialy Rosiàna mitovy amin'ny Facebook, izay ampiasain'ny Rosiàna an-tapitrisany. Na izany aza, tsy mitovy amin'ny fampielezankevitra aparitaka amin'ireo loharanom-baovao roa ireo ny marina mikasika ity sary ity.

“Ilay Albaney, Mustafa Xaja, avy ao an-tanànan'i Mitrovica ao Kôsôvô dia mampiseho ny sarin'ireo zanany roa izay atahorany ho novonoin'ireo Serba nandritra ny ady tao Kôsôvô tamin'ny  1999″, hoy ny vakin'ilay maribolana tamin'ny sarin'i Peter Turnley, nivoaka voalohany tamin'ny 1999. Na ilay lehilahy teo amin'ny sary aza dia manaporofo izany, 22 taona aty aoriana, rehefa nanontaniana izy tamin'ny fandaharana maraina tao amin'ny T7, fahitalavitra iray miorina ao Kôsôvô.

Tahaka ny tranga nisy tamin'ny vatampatin'ilay zaza sy ireo olona hafa avy amin'ny fianakaviany, ny tantaran'i Mustafa Xaja sy ny sariny dia mora porofoina amin'ny iray amin'ireo sehatra fikarohana sary voalaza ery ambony.

Manimba, tsy resahina intsony fa mampidi-doza, ho an'ny Fanjakana Kôsôvô sy ny sariny ny fanehoana ireo tranga tahaka izao mitranga izao izay mety hisian'ny fanararaotana amin'izao fotoana izao na amin'ny manaraka ho ataon'ny diplaomasia Rosiàna na Serba miaraka amin'ny voka-dratsy mandreraka sy manome vaovao diso.

Manimba sady mampidi-doza indrindra ny fiparitahan'ity vaovao diso ity any amin'ireo firenena izay tsy dia mahalala tsara ny tranga Kôsôvô. Ny ohatra iray dia ny an'ny sioka teo amin'ny sary famantarana ofisialy an'ny masoivohon'i Rosia tao Afrika Atsimo, izay namoaka ny sary iray nasiany fanovàna nampiseho ilay vehivavy Albaney mpitsoa-ponenana, Sherifa Luta, nandositra an'ireo tafika Serba sy nanondro azy ho Serba sisampaty tamin'ny daroka baomba nataon'i OTAN.

Joan Donovan, talen'ny fikarohana ao amin'ny Ivontoerana Shorenstein ao Harvard, dia namaritra an'ity tetika fandisoana ny vaovao ity ho “adin'ny fampahalalam-baovao mirefarefa amin'ny tany.

Ao anatin'ny onja vaovaon'ny fanalambaràka Rosiàna, taorian'ny toe-javatra vaovao nateraky ny fananiham-bohitra midadasika be  mitranga amin'izao fotoana izao hibodoana an'i Okraina,  dia azo ampiasaina indray amin'ny fomba mamitaka sy masiaka ny anaran'i Kôsôvô ary angamba, amin'ny alalan'ny fanaparitahana fitantarana mitongilana sy diso izay manova ny tantara vao haingana. Tokony hihetsika sy hamaly ireo andrim-panjakana ao ny anaran'i Kôsôvô hamaly ireny fitantarana diso ireny; raha tsy izany, mety ho avelantsika hanjavozavo sy ho simba ny marina, nefa ho tondraka ny fitaka sy ny lainga.


 

Sary azo tam-pitiavana tamin'i Giovana Fleck.

Ho fanampim-baovao mikasika ity lohahevitra ity, tsidiho ny fandrakofanay manokana Rosia manani-bohitra ao Okraina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.