Tsy ampy ny sakafo an-tobin'ny mpitsoa-ponenana ao Ogandà, miakatra ny vidin-tsakafo ary tsy ampy ny famatsiam-bola

 

Congo refugees in Uganda The new arrivals of refugees in Uganda from the Democratic Republic of Congo are registered in order for them to receive basic services like food, shelter, water, sanitation and health services. Uganda's policy on refugees allows the refugees to work, grow their own food and to integrate with the local communities. Image Credits; Attribution-NoDerivs 2.0 Generic (CC BY-ND 2.0)

Mpitsoa-ponenana Kongoley ao Ogandà. Misoratra anarana ireo mpitsoa-ponenana vaovao tonga any Ogandà avy any amin'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo mba hahazoan'izy ireo filàna fototra toy ny sakafo, fialofana, rano, fidiovana ary fikarakarana ara-pahasalamana. Mamela ireo mpitsoa-ponenana hiasa, hamboly ny sakafony manokana ary hifandray amin'ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana ny politikan'i Ogandà momba ny mpitsoa-ponenana. Sary; Attribution-NoDerivs 2.0 Generic (CC BY-ND 2.0)

Matetika i Oganda no deraina noho ny fomba fandraisany misokatra amin'ireo mitady fialokalofana. Mampiantrano mpitsoa-ponenana sy mpitady fialokalofana efa mananontanona ny 1,5 tapitrisa  ny firenena amin'izao fotoana izao, ka avy amin'ny firenena mpifanila vodirindrina aminy any Sodàna Atsimo sy ny Repoblika Demokratikan'i Congo (DRC) ny ankamaroany. Saingy any amin'ireo toeram-ponenan'ny mpitsoa-ponenana any amin’ny tany ngazana avaratr'i Oganda, mihamitombo ny fifaninanan'ny mpampiantrano sy ny vahoaka mpitsoa-ponenana hanovo (fitaovana sy zavatra).

Manampy trotraka ny krizy ara-tsakafo ao amin'ny toeram-ponenan'ny mpitsoa-ponenana ao Ogandà ireo krizy maro sy mifamatotra, anisan'izany ny ny fitotonganan'ny toekarena noho ny valan'aretina COVID-19, ny vokatry ny fiovaovan'ny toetr'andro eo amin'ny famokarana ara-pambolena, ny tsy fahampian'ny famatsiam-bola avy amin'ireo mpisehatra manan-danja amin'ny maha-olona, ​​ary ny fiakaran'ny vidin-tsakafo manerantany.

Miatrika olana amin’ny krizim-pamatsiam-bola vokatry ny fihenan'ny fandraisana anjaran'ireo fanjakana sy sampan-draharaha mpamatsy vola mandritra ny valan'aretina COVID-19 sy ny fiakaran’ny saram-pikarakarana taorian'ny fiakaran'ny vidin-tsakafo vokatry ny fananiham-bohitra ataon'i Rosia an'i Okraina ankehitriny ny Programa Ara-tsakafo Manerantany (PAM-WFP) – sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny fanomezana sakafo sy ny fihinanan-kanina any amin’ireo tobim-(pialokalofana). Iray amin'ny fiantraikan'izany ny fihenana hatramin'ny atsasany tamin'ity taona 2022 ity ny famatsiana sakafo nozaraina ho an'ireo mpitsoa-ponenana ao Ogandà, izay natao hamaliana ny filana fototra ara-tsakafo fotsiny ihany. Nofariparitan'ny Tale Mpanatanteraky ny PAM David Beasley ho “mahavaky fo” ny fanapahan-kevitra kanefa nilaina mba hitsinjarana indray ny vola efa zara raha misy mba ho an'ireo tena fadiranovana maneran-tany. Efa tamin'iny volana aprily iny, nitatitra ny Mpanara-maso ao Ogandà fa nangataka tamin'ny fomba ofisialy ny hamerenana ny sakafon'izy ireo feno ireo mpitsoa-ponenana ao Bidi Bidi, toeram-ponenan'ny mpitsoa-ponenana lehibe indrindra ao Ogandà:

[One] refugee, Ms Esther Lokudu, said food scarcity may make some of them plunge into hunger. “WFP has stopped giving us vegetable oil and has replaced it with cash of Shs5,000. This money is not enough because the prices of commodities have gone high and the money can’t do anything,” she said.

Nilaza ny mpitsoa-ponenana [iray], Ramatoa Esther Lokudu, fa mety hahatonga ny olona sasany ho mosarena ny tsy fahampian-tsakafo. “Tsy nanome anay menaka intsony ny PAM ary nosoloiny vola 5000 Shs izany. Tsy ampy io vola io satria efa niakatra ny vidin’entana ary tsy mahavita na inona na inona ilay vola”, hoy izy.

Ny tena loza, mety hampisy na handrehitra indray ny fifandirana eo amin'ny mpitsoa-ponenana sy ny vondrom-piarahamonina mpampiantrano ny krizy ara-tsakafo atrehin'ny mpitsoa-ponenana araka ny nasongadin'ny Global Press Journal.

Frank Walusimbi, the associate communications officer at the UN Refugees Agency (UNHCR), says the agency is aware that conflicts may arise when refugees don’t get enough to eat. Food shortages can cause tension and anxiety, which can threaten peaceful coexistence between refugees and host communities, he says. 

Nilaza i Frank Walusimbi, tompon'andraikitry ny serasera mpiara-miasa ao amin'ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana miandraikitra ny Mpitsoa-ponenana (UNHCR), fa fantatry ny masoivoho fa mety hipoaka ny fifandirana rehefa tsy ampy sakafo ny mpitsoa-ponenana. Mety hiteraka fihenjanana sy tebiteby ny tsy fahampian-tsakafo, izay mety hanohintohina ny fiaraha-miaina am-pilaminana eo amin'ny mpitsoa-ponenana sy ny vondrom-piarahamonina mpampiantrano, hoy izy.

Kely ny fanantenana amin'izao fotoana izao ny amin'ny hitomboan'ny famatsiam-bola amin'ny maha-olona atsy ho atsy ao anatin'ny fitotongan'ny toe-karena maneran-tany izay vinavinaina hiitatra hatramin'ny taona 2023 farafahakeliny ary mety hihoatra aza. Efa mifantoka amin'ny vahaolana lavitr'ezaka manoloana ny krizy ara-tsakafo ao amin'ny toeram-pialokalofana kosa anefa ny sampan-draharaha misahana ny maha-olona sy ny mpiara-miombon'antoka iraisampirenena toa ny Vondrona Eoropeana sy ny fanjakana Ogandey, indrindra amin'ny fanamafisana ny famokarana ara-pambolena eo an-toerana, ny fanamafisana ny fahaiza-manao, ary ny fiarovana ny tontolo iainana. Araka ny filazan'ny Profesora Pamela Mbabazi, filohan'ny National Planning Authority (NPA) ao Ogandà fa ny firotsahana an-tsehatra manangana ny rafitra ara-tsakafo eo an-toerana no otrika ahafahana “miaro an'i Ogandà amin'ny krizim-pamatsiana ara-tsakafo eran-tany tahaka izay iainantsika noho ny COVID-19 sy ny ady Okraina-Rosia; sy ahafahana manodina ny sehatry ny fambolena ihany koa hahatonga an'i Ogandà ho sompitry ny faritra araka ny tokony ho izy, sady hampitombo be ny harin-karem-pirenena sy ny fidiram-bolan'ny tantsaha.”

Ankoatra ny tombontsoa azo avy amin'ny fanamafisana ny fanjarian-tsakafo any amin'ny toeram-ponenan'ny mpitsoa-ponenana manoloana ny krizy iraisampirenena hoavy, manokatra varavarana amin'ny fiaraha-miasa eo amin'ny mpitsoa-ponenana sy ny vondrom-piarahamonina mpampiantrano ny hetsika mikendry ny rafitra ara-tsakafo eo an-toerana. Efa nampiseho ny fanatsarana ny fifandraisana eo amin'ny fiarahamonina ny fiaraha-nanatontosa ny hetsika tahaka izao ary heverina fa zava-dehibe ny fananganana rafitra ara-tsakafo nasionaly izay mpitarika ny fananganana fandriampahalemana maharitra any Afrika Atsinanana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.