Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Desambra, 2016
Manakoako Maneran-tany Ny Fanoheran'ny Amerindiana Ny Fantson-Drano Lehibe Ao Standing Rock
"Mahereza hatrany. Mahatanjaha. Ary manana havana mijoro miaraka aminareo ianareo manerana izao tontolo izao".
Ampangain'ny Mpitondra Tenin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Rosiana ho Miara-miasa Amin'ny ISIS ny Facebook
Niampanga ny mpandrindra ny Facebook ho miasa ho an'ny Fanjakana Islamika i Maria Zakharova, mpitondra teny marolokon'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny ao Rosia, taorian'ny tsy namoahan'ny tambajotra vonjimaika ny iray tamin'ireo lahatsorany tamin'ny Alatsinainy.
Ankoatra Ny Fanavaozana, Mila Fikambanam-Piarahamonina Itokisana Ny Fanaovan-Gazety
Nanome ampaham-panohanana ara-bola ho an'ny Global Voices ny namana iray satria "mila fotoana maharitra ny fanorenana fikambanam-piarahamonina, foto-drafitrasa ary fitokisana, nefa raha tsy misy ny fanohanana, mety hanjavona vetivety ireo fisasarana rehetra ireo."
Manondro Ny Lalao Olaimpika, Fikorontanana Ara-politika ary Trump Ny Safidin'ny ‘Kanji-n'ny Taona’ Ao Japana
Ny "volamena" no kanji-n'ny taona 2016 lanin'ny Fikambanana Manana Traikefa Kanji Japoney izay avy amin'ny vokatry ny fifidianana manerana ny firenena . Ary mivazivazy momba izany ny olona ankehitriny.
Eo An-tànan'ny Governemanta Azerbaijani, Lasa Fampahafantarana Mitondra Ny Mariky ny Firenena Ilay Tantara Noforonina Be Mpankafy
"Leyla Aliyeva, zanaka vavin'ny Filoha Ilham Aliyev, no talen'ny fanatontosana ilay sarimihetsika, izay nolazaina ho nitentina 20 tapitrisa dolara ny nanaovana azy."
Any Iràna, Mbola Takona Foana Ny Adin'ny Kiorda
Ny adin'ny Kiorda no mbola mijanona ho iray amin'ireo zava-mitranga manintona indrindra amin'ireo any Afovoany Atsinanana. Mihetsiketsika tokoa ireo Kiorda ao Iràna, fa matetika tsy raharahian'ny vondrona iraisam-pirenena.
#FreeMaxenceMelo: Nenjehin'ny Manampahefana Amin'ny Lalàna Mifehy Ny Heloka Antserasera Ny Tompon'ny Tranonkala Mpanao Ampamoaka ao Tanzania
Ny filazana an'i 'Tanzania' sy ny 'demaokrasia' amin'ny fehezan-teny iray dia mitovy amin'ny fanesoana ny teny hoe 'demaokrasia'.
Rehefa Sady Mainty ianao no Vahiny Ao Brezila: Mizara ny Tantarany Ny Afrikana Iray Mpianatra ho Mpitsabo
Ny 2016, raha mbola vao misasaka ny làlany haka ny diplaomany ho mpitsabo ao amin'ny Anjerimanontolo Federalin'i Rio de Janeiro, nanapaka hevitra i Johnson fa hanomboka hanoratra bilaogy momba ny fiainany ao Brezila
Ireo Lahatsary Fohy Notontosain'ireo Tovolahy Kambodziana Ho Fampitsaharana ny Sotasota Ara-nofo
Maninona no atsahatra ny sotasota ara-nofo? Tanora tsy matianina avy ao Kambodza amin'ny famokarana lahatsary no nitrandraka ny valin'io fanontaniana io mba handrisihana ny olona -- indrindra fa ny lehilahy -- hahatakatra ny fiantraikan'ny sotasota ara-nofo.
Governora Meksikana Mitsoaka Ny Tantara Ratsin'ny Fanodinkodinam-bola
Governora fahny miisa telo nandositra, voampanga amin'ny fandrobàna ny kitapombolam-panjakana, famotsiambola, fikambanan-jiolahy ary anisan'ireo heloka hafa no tranga farany indrindra momba ny kolikoly avo lenta tao Meksika.