Governora Meksikana Mitsoaka Ny Tantara Ratsin'ny Fanodinkodinam-bola

"La justicia danza" Caricatura de EDO Ilustrado. Usada con permiso del autor.

“Dihin'ny fitsarana”. Fanaingoana avy amin'ny EDO Ilustrado. Miaraka amin'ny fanomezandàlan'ny mpanakanto.

Nibahana ny lohateny vaventy tato ho ato tao Meksika ireo tantara ratsin'ny kolikoly nahavoarohirohy  Governora sy Governora fahiny — na góbers  araka ny iantsoan'ny vahoaka azy ireo — avy amin'ny antoko politika isan-karazany izay nandroba ny kitapom-bolan'ny Governemanta.

Nandritra ny volana vitsivitsy lasa, Global Voices dia nanangona vaovao momba ny kolikoly any Meksika sy ny ezaka mba hiatrehana azy io. Ny tena malaza dia ilay raharahan'i Javier Duarte avy any Veracruz, mpikambana fahiny tao amin'ny PRI, Antoko Revolisioneran'ny Andrimpanjakàna ao Meksika, eo amin'ny fitondràna. Naato tamin'ny asany i Duarte , ary voaroaka tao amin'ny antoko tatỳ aoriana.

Tamin'ny May 2016, navoakan'ny tranokala Animal Político ny fanadihadiana iray manambara ny fomba nakan'ny fitantananan'i Duarte vola an-tapitrisa tamin'ny volam-panjakana nodioviny tamin'ny alalan'ny fampiasana orinasa sandoka. Volana maromaro taty aoriana tamin'ny Oktobra, niseho teo amin'ny laharana ambony indrindra tamin'ny fampahalalam-baovao maraina i Duarte ary nanambara fa hametra-pialàna izy, ary hiatrika ny vesatra iampangana azy, avy eo nandositra izy – nampiasa angindimby an'ny governemanta araka ny loharanom-baovao sasany.

Niteraka hatezerana tao amin'ny haino aman-jery sosialy ny fandosiran'i Duarte, ary namaly araka izay efa nampoizina niaraka tamin'ny fanesoana ny Meksikana:

Bitsika: nandositra i #Duarte
Sary: “Tadiavo i Duarte”

Bitsika: #Duarte mpandositra, avy amin'i Helguera
Sary: “Oh! Izay izany no nahatonga azy nanao fifadian-kanina hanary lanja.”

Mandritra izany fotoana izany, nifidy feo matomatotra kokoa, nilaza ilay mpanao gazety sady mpitoraka bilaogy, Gilberto Perez, fa tokony ho tompon'andraikitry ny hetsiky ny mpikambana ao aminy ireo antoko politika:

Tokony hamaly momba ny harenan'ireo mpitarika mangalatra soloin'izy ireo tena ny antoko politika.

Meksikana góber iray hafa miatrika vesatra momba ny heloka bevava i Guillermo Padrés avy any Sonora, mpikambana ao amin'ny Antoko Hetsika Nasionaly (PAN), iray amin'ny antoko elatra havanana mpanohitra ny PRI. Nohadihadiana noho ny famotsiam-bola, fandosirana hetra, sy fikambanan-jiolahy, ankoatra ny heloka hafa i Padrés. Toa an'i Duarte, dia namorona fampisehoama tamin'ny fampahalalam-baovao tamin'ny alalan'ny fisehoana tao amin'ny fampahalalam-baovao maraina izy, izay nanambaràny fa hitolo-tena any amin'ny polisy izy. Enina andro taorian'izay, tamin'ny 16 Novambra, nandidy azy ny fitsarana mba hijanona any am-ponja nandritra ny fotoam-pitsarana azy noho ny fandrobàna ny kitapom-bolam-panjakana, mba hisorohana ny fisian'ny góber mpandositra hafa.

Antonio Lozano Gracia mpisolovava an'i Padrés dia lahy antitra fetsifetsy mpanao politika ao Meksika. Lehiben'ny Fampanoavan'ny Repoblika nandritra ny vanim-potoana rakotry ny aloky ny fanadihadiana ireo vono olona nalaza indrindra tamin'ny 1990 i Lozano. Very ny fitokisana rehetra tamin'ny asany rehefa nipongatra ny hoe ny andrim-panjakana notarihiny dia niantehitra tamin'ny asan'ny mpahita iray fantatra amin'ny anarana hoe “La Paca” mba hanampy azy ireo. Amin'izao fotoana izao, miaro an'i Padrés i Lozano ary hatramin'i Javier Duarte ihany koa – araka ny filazan'ny mpanao gazety sasany.

Mpikambana roa malaza avy amin'ny PAN, Lozano Gracia sy Diego Fernandez de Ceballos, no mpisolovavan-dry mpanao kolikoly Padrés sy Duarte.

Nanolotra hevitra i Eugenia Dominguez mpampiasa Twitter hoe tokony hohadihadiana i Lozano noho ny tantarany feno maizimaizina tamin'ny naha mpiasam-bahoaka azy .

Tena marina ve fa Antonio Lozano no mpisolovavan'i Guillermo sy Javier Duarte??? Heveriko fa tokony hohadihadina ihany koa izy!!

Mazava loatra, milaza i Lozano fa tsy manantsiny i Padrés.

Antonio Lozano, mpisolovavan'i guillermopadres, dia matoky fa ho ambara ny maha-tsy manantsiny ny olona arovany.

Roberto Borge Angulo dia  góber  iray hafa izay namela ny governemantam-panjakany teo ambivitry ny banky rompitra. Talohan'ny nametrahan'i Borge fialàna, tatitra iray fanadihadiana mitondra ny lohateny hoe “Ireo Mpijirik'i Borge” no nampibaribary ny kolikoly tao amin'ny fitantanan-draharahany, anisan'izany ny fomba nanànan'i Borge fiaramanidina, sy ny nampiasany azy io mba hitondràna ny governora, ny fianakaviany sy ny namany taminà fiaramanidin'olontsotra saingy amin'ny volam-panjakana.

Bitsika avy amin'i Carlos Cantón Zetina: OLOM-PIRENENA MANAO HETSIPANOHERANA AO AMIN'NY KAONGRESY MANOHITRA NY FIAROVANA AN'i BORGES

Bitsika avy amin'i Ignacio Dector: Aza avela handositra ny saobakaka Borge ary andao asaintsika averiny ny zavatra rehetra nangalariny, nalainy ho azy, nendahany!!! Ary koa saintsika manefa ny fanimbana ny tontolo tao Tajamar izy!

Mitohy mivangongo hatrany ny raharahan'ny kolikolin'ireo Meksikana góbers; na izany aza, tsy misy ny famaizana azy ireo. Hatramin'izao, tsy misy na iza na iza ao amin'io ambaratonga io nomelohin'ny mpitsara, nandoa onitra na nogadraina.

Tsy hoe tsy tsikaritry ny fiarahamonim-pirenena ny tsy fisian'ny faharesen-dahatra. Manambara momba an'i Javier Duarte i María Amparo Casar:

Lo que pasó en Veracruz fue un desastre político perfectamente evitable y tiene responsables: unos directos y otros indirectos. Todos con nombre y apellido. Algunos conocidos, otros no. Todos merecen un juicio. De ser culpables, la sanción que dicta la ley.

El primer responsable, jefe de la banda de los presuntos saqueadores, es el gobernador en fuga: Javier Duarte.

Korontana politika azo nosorohana tsara mihitsy ny nitranga tany Veracruz, ary misy antoko tompon'andraikitra: misy tompon'andraikitra mivantana ary ny sasany tsy mivantana. Manana anarana sy fanampin'anarana izy rehetra. Ny sasany fantatra, ary ny sasany tsia. Mendrika hotsaraina izy rehetra. Raha hita fa meloka, ny lalàna no hanonona ny sazy.

Ny antoko tompon'andraikitra voalohany, mpitarika ireo lazaina fa mpandroba ireo, dia ilay governora mpandositra, Javier Duarte.

Ao anatin'io tontolo politika simban'ny kolikoly io, dia ho hita eo foana ny anjara asa fototry ny kilasy politika, indrindra fa ireo tompon'andraikitra amin'ny fitantanan-draharahan'ny fitsarana. Moa ve izy ireo hitsangana amin'ny fotoana, sa ve izy ireo tsy ho afaka ny hitondra ireo góbers hiatrika fitsarana ary hitsabo ny faharavàna naterak'izy ireo?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.