Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Desambra, 2011

Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Desambra, 2011

Chile : Raha Mpanampy Ianao, Avaho Ny Tenanao

Fanakavahana ara-tsokajy sa lalàna tsotra mifehy ny klioba tsy miankina iray? Ny fitsipiky ny kliobanà "golf" iray izay mandràra ireo mpanampy na mpitaiza zaza tsy hiditra anaty dobo filomanosana sy manery azy ireo hanao aron'akanjo mba hahafahana manavaka azy ireo dia nahatonga fanehoan-kevitra maro tao amin'ny tontolon'ny Cyber ao Chili.

Liberia : An'Iza Ny Hadisoana Tamin'ny Fifandonana Tao Monrovia ?

Ilay asa an-tselika krismasy novolavolain'i Filoha Ellen Johnson-Sirleaf mba hanomezana tombontsoa mpianatra eo amin'ny 3.000 eo dia nivadika ho herisetra sy famotehana tao Monrovia, renivohitr'i Liberia. An'iza ny fahadisoana ? Manontany ireo mponina anaty aterineto.

Mozambika : Ilay Bilaogera Tsy Voafehy Ao Amin'ny Facebook

Mozambika dia firenena vitsy bilaogera ngezalahy ary ankoatra izay dia kely amin'ny fitantaràna ny resaka fanehoan-kevitra mazava ao anaty aterineto malalaka. Miaraka amin'ny firoboroboan'ny Facebook (amin'ny alalan'ny finday), olona iray be herim- po no nivoaka avy tao amin'ity tontolo fotsy voahodidina manga ity.. Miaraka amin'ny fanadihadiany ara-politika mivantambatana sy ny...

Shina: Fitroarana Tao Guangdong, Ao Haimen Ankehitriny

Hatramin'izay nametrahana ny tananàn'i Wukan ao amin'ny faritanin'i Guangdong eo ambany fanaraha-maso taorian'ny fanesorana ny Antoko sy ireo manampahefana tao amin'ny governemanta izay, dia farafahakeliny tanàna roa mifanakaiky no nanao hetsika manokana. Ny vao haingana indrindra izao dia ilay nitranga androany, izay voalaza fa nahitàna olona 30.000 nibahana sampanan-dalana iray...

Bolivia: Ny Hetsika Ankalamanjàna “Fiaraha-mientan'ny Conectándonos”

Ny fiaraha-mientan'ny "Conectándonos" [es] (Connecting) tao Cochabamba, Bolivia izay natao tamin'ny 12-14 Desambra, dia nitondra mpitarika vaovao liana amin'ny fikatsahana fomba hampandraisana anjara ny fampiasàna ny haino aman-jerin'olon-tsotra sy ny fananganana tambajotra amin'ny fiovàn'ny ara-tsosialy ao amin'ny fiaraha-monina misy azy ireo. Famintinana fohifohy mikasika ny hetsika ho an'ny daholobe natao...

Shina: Voadaroka Ilay Mpilalao sarimihetsika Christian Bale Raha Nikasa Hamangy An'i Chen Guangcheng

Taorian'ny 48 ora nitondrana fiara avy any Beijing, toerana nanaovany fanentanana ilay horonan-tsarimihetsika The Flowers of War notontosainy, voadaroka ilay mpilalao horonan-tsarimihetsika Britanika Christian Bale  tamin'ny 15 Desambra 2011, raha nikasa hamangy ilay mpiaro ny zon'olombelona nogadraina Chen Guangcheng. Niaraka tamin'i Bale ireo mpanao gazetin'ny CNN raha nikasa hiditra ao anatin'ilay tanàna...

Tohano Ny Global Voices

Taona mahatalanjona ny taona 2011 ho an'ny fampahalalam-baovao an-tserasera. Teo foana ny Global Voices nitatitra ireo revolisiona niseho, ny fihonganan'ny didy jadona, sy ny fiantraikan'ny fikorontanana nateraky ny fihetsiketseham-bahoaka mbamin'ny fikomiana notaterin'ny mpanoratra tato aminay manerana izao tontolo izao tany amin'ny firenena sy tanàna maro. Mba hanamarihana ity taona nampientanentana...

Bolivia: Andro 1-n'ny Fiaraha-mientan'ny “Conectándonos”

Ny fiaraha-mientan'ny "Conectándonos" [es] (Connecting) tao Cochabamba, Bolivia izay natao ny 12-14 Desambra dia nitondra mpitarika vaovao liana tamin'ny fikarohan-dàlana amin"izay fomba hahafahan'ny fampiasàna ny haino aman-jerin'olon-tsotra sy ny fananganana tambajotra mandray anjara amin'ny fiovàna ara-tsosialy ao amin'ny fiaraha-monina misy azy ireo. Ity no famintinana fohy ny Andro 1.

Iran: Mpiasa Tsy Nahazo Karama Nitoraka Kiraro Ny Filoha Ahmadinejad

Mpamaha bolongana marobe no naneso ilay vaovao mikasika ny Filohan'i Iran Mahmoud Ahamadinejad,  kinendrin'ilay mpitoraka kiraro tezitra mafy, nandritra ny kabary nataony tao avaratr'i Sari, tamin'ny 12 desambra 2011. Tsy nahavoa ilay toraka kiraron'ilay mpiasa mpanenon-damba teo aloha, antsoina hoe Rashid S., nitangorona teo aminy ireo mpanatrika tao ary nively azy mandrapaha-tongan'ny mpitandro...

Mba Hahazoana Habaka Niomerika Ahitàna Fandraisana Anjara Betsaka

Ny Rising Voices dia mikarakara fiaraha-mientana in-telo miantoana ao Cochabamba, Bolivia ny 12-14 Desambra miaraka amin'ireo feo izay vao nisondrotra sy ireo mpamorona ny media niomerika hafa. Ny tanjon'ny fivondronan'ny "Conectándonos" (Connecting) dia mba hitondra fanohanana sy fampiofanana mpandray anjara miisa 35 avy amin'ireny vondrom-piaraha-monina zara raha voasolo tena ireny...