Chile : Raha Mpanampy Ianao, Avaho Ny Tenanao

Fantatra tsara izao fa ao Chili, ary any amin'ny firenena hafa maro ao Amerika Latina, dia misy olana goavana mikasika ny fanavahana ara-tsokajy. Kanefa ny 23 Desambra 2011 ny taratasy fampahafantarana [es] nozaraina ho an'ireo mpikambana ao amin'ny ” Breezes of Chicureo Golf Club” [es] dia lasa “niparitaka be” [es].  Ilay taratasy , nozaraina ny herinandro lasa teo, dia nanambara fa :

Debido al aumento de niñeras, les recordamos a nuestros socios el ARTICULO 21º: Los niños menores de 8 años sólo podrán frecuentar el Club y hacer uso de sus instalaciones acompañados de sus padres o hermanos mayores. En caso de utilizar espacios externos, como sector de juegos, jardines o canchas de tenis, podrán también ser acompañados por nanas o niñeras, quienes deberán vestir su uniforme o tenida que claramente las identifique como tales. Tratándose de la piscina, sólo podrán ingresar a ese sector los socios, su grupo familiar y los invitados de éstos.

Noho ny fiakaran'ny isan'ireo mpiasa mpitaiza zaza, dia mampahatsiahy ny mpikambana ato aminay ny artikla faha 21 izahay : ireo ankizy latsaky ny 8 taona ihany no afaka miditra ato amin'ny klioba sy mampiasa ny foto-drafitrasa raha toa izy ireo ka miaraka amin'ny ray aman-dreniny na zoky iray tampo aminy. Amin'ny fotoana ampiasan'izy ireo ny toerana any ivelany, toy ny kianja fakan-drivotra, zaridaina na ny toerana fanaovana “tennis”, dia afaka arahan'ny mpanampy azy na ny mpitaiza azy, izay tokony hanao aron'akanjo manokana na akanjo manokana hahafahana manavaka azy ireo amin'izany. Ary ny momba ny dobo filomanosana indray, dia ny mpikambana irery ihany, sy ny fianakaviany ary ny havany no afaka miditra ao.

Ilay taratasy dia nahatonga karazana fanehoan-kevitra maro tao amin'ny Twitter, nahatonga ilay fehezanteny hoe “Brisas de Chicureo” [Tafiotran'i Chicureo] ho lohahevitra malaza eo amin'ny firenena.

Ilay kaontin'ny fandaharanasa ara-politika Difamadores [Mpamafy korontanana] (@difamadores) [es] dia nilaza hoe :

La gente de este Club es tan discriminadora, que te obliga ser discriminador para entrar quepasa.cl/articulo/ojos-d…

Mpanavakavaka be ny olona ao amin'io klioba io,  manery anao ho lasa mpanavakavaka izy mba hiditra ao amin'ny quepasa.cl/articulo/ojos-d…

Ilay vehivavy mpikambana ao amin'ny kaongresy Karla Rubilar (@karlarubilar) [es] dia nilaza hoe :

Quiere ver DISCRIMINACION MODE ON? http://bit.ly/ueIKgp VERGONZOSO!

Tianao ho hita ve NY FANDEHAN'NY FANAVAKAVAHANA ? http://bit.ly/ueIKgp MAHAMENATRA !

Ilay mpandrindra ny sehatra ara-politika anaty aterineto, Red Liberal [Aterineto malalaka],  Davor Mimica (@dmimica) [es] dia nampahatsiahy ireo mpanaradia azy :

¿Se acuerdan cuando los miembros de una raza debían utilizar una banda o parche en el brazo para ser identificados? bit.ly/sw4Jco

Tadidinareo ve ny fotoana tsy maintsy nametahan'ny mpikambana aminà foko iray tapa-damba na marika eo amin'ny tànany mba ahafahana manavaka azy ireo ? bit.ly/sw4Jco

"Tafiotran'i Chicureo" avy amin'i German Parra (CC BY-NC-ND 2.0)

Ny hafa, toy ilay mpanao fanadihadiana Axel Pickett (@axelpickett), dia naminavina :

Hay 2 posibilidades pa la circular anticonfusión de Chicureo: “nanas” que parecen dueñas de casas, o dueñas de casas igualitas a sus “nanas”

Mety misy zavatra 2 hiadiana amin'ny fahadisoan-kevitra entin'ny taratasin'ny Chicureo : “mpanampy” tahaka ny vady mijanona ao an-trano sa vady mijanona ao an-trano tahaka ny “mpanampy”

Nandritra izany ilay mpanentana amin'ny onjam-peo Nacho Lira (@nacholira) [es], dia nandefa bitsika miaro fanarabiana :

“Nanas en la piscina no por favor, se ve feo”. Se pasaron en las Brisas de Chicureo. http://t.co/urVhWDLw

“Mpiasa ao anaty dobo filomanosana”, tsia azafady, toy ny ratsy be izany”. Mandika ny tsipika feran'ny “Tafiotran'i  Chicureo” ry zareo. http://t.co/urVhWDLw

Etsy ankilany, Carlos Miram (@carlosmiram) [es] dia  nilaza hoe :

Las Brisas de Chicureo es un Club Privado. Tanto escándalo por el tema de las nanas. Ahora diputados y senadores opinando. Gran TEMA País.

“Ny Tafiotran'i Chicureo” dia klioba Tsy Miankina. Vita izay ny resa-be momba ny mpanampy. Ankehitriny ireo mpikambana ao amin'ny kaongresy sy senatera dia maneho ny heviny. OLANA be ho an'ny Firenena lehibe.

Eo amin'ny fisainana mitovy amin'izay ihany, PipeRocks dia naneho ny heviny tao amin'ilay lahatsoratra “Ny mpitarika eto amin'ny Firenena dia  manome baiko fa ny Mpikambana ao amin'ny klioba Chicureo dia Tsy Maintsy Mampanao ny Akanjo Maha Mpanampy ny Mpanampin-dry zareo” [es] avy ao amin'ilay bilaogy  El Antro [The Joint] [es]:

Las nanas, estan cumpliendo un trabajo, con contrato y cotizaciones respectivas, y como muchos trabajos existen codigos de vestuario y como recinto privado estan en su derecho a exigir cierto estandar casi obvio. Asi como en algunos restaurantes te obligan a usar chaqueta y corbata.
El afan de criticar por criticar.

Manao ny asany ireo mpanampy ireo, miaraka amin'ny fifanekena sy ny tombontsoa, ary toy ny asa maro hafa any, dia manana ny akanjony manokana ary satria sehatra tsy miankina izany, dia zon'izy ireo ny mametra ny lenta izay hitany fa rariny. Toy ny hotely fisakafoana sasany izay mitaky ny fanaovana palitao sy kravaty. Io finiavana hanakiana be fahatany tsotra izao io.

Axel Pickett (@axelpickett) [es] ihany koa dia nandray izany tamim-pihomehezana, ary nampiditra ny fialantsasatra ho anatin'izany ka nandefa bitsika hoe :

ÚLTIMA HORA: Viejo Pascuero manda carta a las BrisasdeChicureo [sic] preguntando cómo cresta tiene que vestir a los renos pa que lo dejen entrar

VAOVAO FARANY : Dadabe noely dia nandefa taratasy ho an'i “Tafiotran'i Chicureo” manontany hoe ahoana no tokony hampiakanjoany ireo “rennes” mba hahafahany miditra ao

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.