Namoaka Lalàna Fanampenam-bava Ny Media Ny Fitondrana Miaramila Thailandey

Araka ny lalàna vaovao, mety hiatrika sazy ny media sy ny mpiserasera thailandey raha nitatitra ity sary ity. Nosokajian'ny Fitondrana Miaramila ho karazana fihetsiketsehana ny famakiana ny tantara 1984 an'i George Orwell. Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Prachatai, nahazoan-dalana.
Namoaka didim-panjakana vaovao mandràra ny media tsy hitati-baovao mitsikera ny governemanta ny Fitondrana Miaramila thailandey. Navoakan'ny Filan-kevi-pirenena hoan'ny Fandriampahalemana sy ny Filaminana tamin'ny 18 Jolay, mihatra amin'ireo karazana media rehetra ka anisan'izany ny elektronika sy ny media sosialy ny didy.
Araka ny dikan-teny tsy ofisialy navoaka tao amin'ny Asian Correspondent, ireto avy no voarara:
- News that are detrimental to the national security or libelous against other individuals.
- Criticism of operations of the National Council for Peace and Order, its officials, or any related individual.
- News or information that causes confusion, incites disputes, or leads to disunity in the Kingdom.
- Invitation or plotting to organise in manner that may lead to resistance against officials or individuals related to the National Council for Peace and Order
- Threats to harm individuals that may panic or frighten the public.
-Vaovao izay manohintohina ny filaminam-pirenena na manala-baraka olon-kafa .
- Fitsikera ny fomba fiasan'ny Filan-kevi-pirenena hoan'ny Fandriampahalemana sy ny Filaminana, ireo mpiasa ao aminy, na izay olona manana mifandray aminy.
- Vaovao na tatitra miteraka fisafotofotoana, mitarika fifamaliana, na mitarika fisaratsarahan-tsaina ao amin'ny Fanjakana.
-Fanasana na teti-dratsy mikendry amin'ny fomba mety hitarika fanoherana manampahefana na olona mifandray amin'ny Filan-kevi-pirenena hoan'ny Fandriampahalemana sy ny Filaminana
- Fandrahonana mety hanimba olon-tsotra na mampatahotra ny vahoaka.
Naneho ny ahiahiny amin'ireo fepetra lehibe sy tsy mazava voalazan'ny didim-panjakana avy hatrany ny vondrona fampahalalam-baovao. Nanasongadina mikasika ny sazy henjana – ny fanenjehana ara-pitsarana, ny sivana sy ny fanakatonana – raha misy fanitsakitsahana izay voalazan'ny didy ihany koa izy ireo.
Taorian'ny fihaonana tamin'ireo vondrom-baovao lehibe efatra – ny Fikambanan'ny Mpanoratra Gazety Thailandey, Ny Fikambanan'ny Mpanentana Haino Aman-jery Thailandey, ny Filankevitra nasionalin'ny Gazety ao Thailandy, ary ny Filankevitry ny Haino aman-jerim-baovao ao Thailandy – namoaka didim-panjakana vaovao ny NCPO ( Filan-kevi-pirenena hoan'ny Fandriampahalemana sy ny Filaminana) izay nanitsy moramora ny lalàna tany am-boalohany. Ny hany hiharan'ny fandraràna aloha amin'izao fotoana izao dia «ny tsikera amin'ny fiasan'ny NCPO ao anatin'ny tetika ratsy hanimbana ny fitokisana ny NCPO amin'ny alalan'ny vaovao diso” . Ary raha tsy henjehana eo anatrehan'ny fitsarana izy ireo, dia miatrika “fanadihadiana ara-pitsipi-pipehezan'ny asa” ao amin'ny fikambanan-gazety misy azy ireo mpanitsakitsaka ny lalàna.
Nanazava ihany koa ny governemanta fa natao hangatahana fiarahamiasa amin'ny fanapariaham-baovao amin'ny vahoaka ny lalàna tany am-boalohany ary tsy lalàna vaovao io rehefa miaraka amin'ny lalànan'ny fitondrana miaramila teo aloha, izay vao am-bolana vitsivitsy monja.
Mampandresy lahatra hatrany ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona fa karazana fandrahonana ny fahalalaham-pitenenana ireo lalàna vaovao rehefa ny Filankevitra samirery no mamaritra ny atao hoe fanitsakitsahana ny lalàna. Manoloana ny hamaroan'ireo sokajy tafiditra ao anatin'ny didy, maro ireo matahotra fa hanery ny vondrom-baovao Thailandey hampihatra ny fanivanan-tena hisorohana ny sazy ilay politika (lalàna). Ankoatra izany, tsy nofoanan'ny Filankevitra ireo lalàna teo aloha mandràra ny vondrom-baovao tsy hanadihady mpampianatra ambony sy mpiasam-panjakana teo aloha mety “hanome ny heviny amin'ny fomba mety hahavoasazy na hampitombo ny disadisa, handiso vaovao, hiteraka safotofoto eo amin'ny fiarahamonina na hitarika fampiasana herisetra”.
Phansasiri Kularb, mpampianatra asa fanaovan-gazety ao amin'ny Oniversiten'i Chulalongkorn ao Bangkok, nampahatsiahy ny lehiben'ny Fitondrana Miaramila, ny Jeneraly Prayuth, ny fahavononany tany am-boalohany hamela ny olom-pirenena hanehoany ny hevitra mifanhitra amin'ny an'ny manampahefana :
Gen. Prayuth said on his televised program, repeatedly since the coup, to urge those who disagreed with his views to open up their mind and talk, but this announcement says the opposite. The order is very broad and … every comment is subject exclusively to the NCPO's interpretation whether they violate the order or not.
Nilaza imbetsaka tamin'ny fandaharany amin'ny fahitalavitra ny Jeneraly Prayuth hatramin'ny fanonganam-panjakana, mba handrisika ireo izay tsy mankasitraka ny fijeriny hanokatra ny sainy sy hiresaka, saingy mifanohitra amin'izany ity fanambarana ity. Midadasika loatra ilay lalàna … omena hodinihan'ny NCPO samirery ny fanehoan-kevitra rehetra raha manitsakitsaka ny lalàna na tsia.
Sarinee Achavanuntakul ao amin'ny Tambajotran'ny mpiserasera Thailandey namariparitra ny didy vaovao ho lalàna fanampenam-bava mamely ny mpiserasera Thailandey:
This is basically a gag order, and it's not just a gag order to the press, but it's extending to anyone in Thailand, especially now that a lot of Thai people use social media to express opinions. I think it is very dangerous and, to me, it signals that the coup makers may not have a clear idea of who the enemies are.
Lalàna fanampenam-bava tanteraka io, ary tsy lalàna fanampenam-bava fotsiny hoan'ny gazety, fa miitatra amin'ny rehetra ao Thailandy indrindra amin'izao fotoana maha-maro ny olona Thailandey mampiasa ny media sosialy izao mba haneho hevitra. Mino aho fa mampidi-doza tanteraka izany, ary amiko, mampiseho izany fa mety tsy manan-kevitra mazava mikasika izay fahavalon'izy ireo ny mpanongam-panjakana.
Tamin'ny 26 Jolay, nampahatsiahy ny lalàna vaovao ny Filankevitra mba hitezerana ny gazety Mpivoaka isa-kerinandro Manager noho ny lahatsoratra nivoaka tamin'ny gazetiny faha-251 (26 Jolay- 1 Aogositra 2014) izay voalaza fa «nampiely korontana sy tahotra teo amin'ny vahoaka.”
Nanatontosa fanonganam-panjakana ny Tafiky ny mpanjaka tamin'ny 22 Mey, nanagadra mpanao politika an-jatony, nampiato ny lalàmpanorenana, ary nanara-maso ny efitra fanoratam-baovaon'ny gazety mahazatra tao amin'ny firenena. Nandràra ny famoriam-bahoaka mihoatra ny olona dimy sy ny fanaovana hetsi-panoherana. Ary nankatò ny lalàmpanorenana vonjimaika izy ireo vao tamin'ny herinandro lasa. Toa manao izay ho afany mba hanakendana ny fahalalahan'ny fampahalalam-baovao ao anatin'ny korontana sy tsy fahatomombanana ara-politika lalina ny Fitondrana miaramila – indrindra amin'ny fotoana izay ilàna indrindra ny tati-baovao sy tsikera mafonja sy mahaleotena.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...