Los Inespertos: Mikaroka Vaovao Avy Eny An'arabe

Naoty Rising Voices : Fanavaozana tohanan'ny Radio Los Inestables ao Córdoba, Arzantina ity

March of the Hats – Córdoba, Argentina. Photo by Radio Los Inestables

Diaben'ny Satroka – Córdoba, Arzantina. Sary an'ny Radio Los Inestables.

Nampihatra ny traikefa azony ny Los Inespertos (anarana noraisin'ny Radio Los Inestables, mpandray anjara vatsian'ny Rising Voices) tamin'ny fankanesana teny an'araben'i Córdoba hikatsaka ny fomba fijerin'ny olona.

Los Inespertos interviewing protest participants. Photo by Radio Los Inestables

Los Inespertos mandray feo ireo mpandray anjara tamin'ilay hetsi-panoherana. Sary an'ny Radio Los Inestables.

Natao nandritry ny famoriana isan-taona ireo fikambanana sosialy, ary nokarakarain'ny Youth Collective for Our Rights (Fiombonamben'ny Tanora Ho amin'ny Zontsika) ny iray tamin'ireny hetsika ireny, teo ambanin'ny teny faneva hoe  “Ny Diaben'ny Satroka,” izay napetraka hatao isan-taona ho fanoherana ny Código de Faltas (Fitsipika momba ny fandikan-dalàna). Lazain'ireo kiana maro fa manome fahefana tafahoatra ho an'ny polisy ho afaka mitàna olona ahiahiany ho nanao heloka bevava ity fitsipika mahabe resaka ity, ary ity fomba famaky malalaka ity manavaka manokana ny tanora izay mety ho avy amin'ny faritra mahantra ara-toekarena sy sosialy sy mety hitafy na hanana fomba hafa.

Los Inespertos interviewing protest participants. Photo by Radio Los Inestables

Los Inespertos mandray feo ireo mpandray anjara tamin'ilay hetsi-panoherana. Sary an'ny Radio Los Inestables

Nampihatra ny fianarana norantoviny ireo mpandray anjara ato aminay, fantatra amin'ny hoe “Solontenan'ny Radio Los Inestables “, toy ny hoe ahoana no fomba fitantànana tafatafa tsara kalitao sy ny fampiasàna araka ny tokony ho izy ny fitaovana fandraisam-peo niomerika. Niaraka tamin'io, nanangona vaovao avo kalitao avy aminà karazan'olona samihafa ry zareo, izay nandray anjara tamin'ilay tolona ho amin'ny zon'ny tanora ao Córdoba. Ity ny ampahany iray tamin'ny tafatafa notarihan'i Ignacio  teny amin'ilay diabe, izay niresahany tamin'ny profesora amin'ny anjerimanontolo iray ao an-toerana.

Lasa manan-danja be ho an'ny fahafantarana ny tena zava-misy ny fisianao eny amin'ny toerana tena itrangan'ny hetsika ary manangona ny tenin'ireo mpifanandrina ka ahafahan'ireo mpandray anjara maka ny toeran'ny mpanao fanadihadiana sy solontena. Ho fanampin'izany, ny famokarana votoaty ho an'ny fampielezampeonà vondrom-piarahamonina, azo atao safidy sy malaza, dia manome fahafaha-mivelona tena mahomby amin'ny alàlana fampiharana mivaingana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.