Empowering Cloghers (Fandrisihana ny Bilaogera Vehivavy)!

Fanamarihana avy amin'ny Rising Voices: Ity lahatsoratra nosoratan'i Sopheap Chak ity dia tohin'ireo andian-dahatsoratra bilaogy nosoratana avy amin'ny vinavinan'ireo tetikasa nahazo vatsy. Avy amin'ny Tetikasa Empowering Clogher tontosaina ao Phnom Penh, ao Kambodza ity lahatsoratra ity.


Tetikasa mahaliana ny tetikasa Empowering Cloghers an'ny Foiben'ny Kambodziana Misahana ny Zon'Olombelona (CCHR) izay mety hitondra fiovana marina hoan'ny vehivavy ao Kambodza, ary hitondra fanatsarana ny zon'olombelon'ny tsirairay.  Bilaogera Kambodziana ireo Cloghers – fantatra ao amin'ny faritra amin'ny anarana hoe “cloggers” – izay vehivavy avokoa … ka izay no mahatonga ny “cloghers”.

Hampiofana ireo tanora vehivavy avy ao amin'ny faritra ambanivohitra, mpianatry ny oniversite ao Phnom Penh ny Tetikasa mba hanampy azy ireo hanitatra fahalalana momba ny teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana (TIC) sy ny fahaizana mifandray ilain'izy ireo ahafahany mamolavola ny bilaogin'izy ireo manokana. Hahafahan'izy ireo manangana ny forum antserasera azy ireo manokana mba hanaovana adihevitra, hizarana hevitra, sy hiaro ny zon'olombelona sy/na ny fanovana ara-tsosialy ihany koa izany, indrindra ao anatin'ny toe-javatra iainan'izy ireo amin'ny maha tanora vehivavy nihalehibe tao amin'ny faritany ivelan'i Phnom Penh.

Any amin'ny faritra maro ao Kambodza, indrindra ao amin'ny faritra ambanivohitra, mbola anjakan'ny kolontsain'ny fitsarana an-tendrony sy ny zavatra andrasana nentim-paharazana momba ny lahy sy vavy. Tsy mametra ny fahafahan'ny vehivavy haneho hevitra ihany izany, fa ny lanjan'ny hevitra sy ny fijerin'izy ireo ihany koa. Izany indrindra no nahatonga anay hisafidy ity tetikasa hiompana amin'ny fanohanana ny tanora vehivavy avy eny amin'ny faritra ambanivohitra ity. Fomba handrisihana sy hitondrana feo antserasera hoan'ireo olona sasany atao anjorom-bala ao Kambodza izany.

Indigenous youths coming from difference provinces attended the training on “Video Journalism” organized by CCHR’s at Sithi Hub in June 2014. (photo provided by CCHR)

Tanora indizeny avy ao amin'ireo faritany samihafa niatrika ny fiofanana momba ny “Asa Fanaovan-gazety an-dahatsahary” nokarakarain'ny Sithi Hub, CCHR tamin'ny volana Jiona 2014. (sary avy amin'ny CCHR)

Fitaovana mahatalanjona handresena ireo sakana ara-pifandraisana sy hifandraisana amin'ny olona vaovao manana hevitra sy lanja samihafa ao amin'ny firenena sy iraisam-pirenena ny aterineto. Mbola an-dalam-pandrosoana ny fidirana amin'ny aterineto ao Kambodzja, indrindra any amin'ny faritra ambanivohitra. Na dia eo aza ny fahavitrihana lehibe miditra aterineto eo amin'ny tanora Kambodziana, indrindra ao amin'ny media sosialy. Fantatray tamin'ny alalan'ny fampiasanay manokana ny fitaovana antserasera tahaka ny Facebook, YouTube sy ny Bilaogy Sithi Blog fa te-hahita fanovana eo amin'ny tontolon'ny zon'olombelona ao Kambodza ny tanora, ary handray fepetra antserasera mba hanohana ny ezaka ataontsika ho tonga amin'izany. Miainga amin'izany fahavitrihana izany ny Tetikasa Empowering Cloghers, ary hanome fahafahana hoan'ny vehivavy ho lasa mpitarika izany fanovana izany.
 

Vao manomboka ny tetikasa Empowering Cloghers ary eo ampanangonana tovovavy handray anjara amin'ny fiofanana izahay. Nanana valiny mampitolagaga amin'ity fiofanana ity izahay hatramin'izao ary mampientanentana ny mahita tanora vehivavy marobe tahaka izao maniry hianatra fomba vaovao mba hanehoan'izy ireo hevitra sy hitaona tsara ny fiarahamonina Kambodziana. Hanomboka atsy ho atsy ny fiofanana ary hanolotra fandaharam-potoana efatra. Sy fananganana ny bilaogin'izy ireo manokana ihany koa, hifandray amin'ny fiarahamonina Clogher ireo mpiofana ao aminay mba hahazoan'izy ireo fifanohanana hanohizan'izy ireo ny “clogging” rehefa vita ny tetikasa. Hanoratra lahatsoratra hoan'ny Bilaogy Sithi ihany koa izy ireo izay tafiditra ao anatin'ny fiofanan'izy ireo ary hanasa azy ireo izahay mba handray anjara ho vahiny asaina amin'ny  “clogher” manaraka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.