Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Oktobra, 2016
Netizen Report: Mbola Eo Foana Ny Fanakatonana ny Aterineto Ao amin'ny Saikinosy Sinai ao Ejipta
Raha mitohy foana any Avaratr'i Sinai ny fahatapahan'ireo fifandraisana, mieritreritra Aterineto tsy misy vetaveta kosa ny Rosiana ary miatrika fanagadràna ny ao amin'ny fanjakàn'i Kaoety noho ny fanalàny baraka ny emir tao amin'ny Snapchat.
Manao Volavolan-dalàna Vaovao Amin'ny Fandrahonana Atao Amin'ny Alàlan'ny Aterineto i Indonezia, Fa Milaza Kosa Ireo Mpikatroka Fa Izy Ireo No Kendrena Amin'izany
"Ampiasaina sahala amin'ny fitaovana mahomby hanaparitahana tahotra amin'ireo feo te-hiampànga ny tsy rariny eo amin'ity firenena ity ilay lalànan'ny Aterineto."
Miatrika Fandrahonana Ara-pitsarana Vaovao Ireo Bilaogeran'ny Zone9 Fanta-daza Raha Vao Mainka Miharatsy Ny Herisetra Ao Ethiopia
Nosamborina tamin'ny Zoma i Seyoum Teshome, mpikambana fanta-daza ao amin'ny vondrom-piarahamonin'ny mpanoratra an-tserasera ethiopiana enjehina. Mandritra izany fotoana izany, hiverina indray eo anatrehan'ny fitsarana ireo bilaogeran'ny Zone9 amin'ny 21 Oktobra ho avy izao.
Nogadrain'ny Governemanta Venezoeliana Ireo Mpamokatra Lahatsary Noho Ny Fiampangana Azy Ireo Ho Mikotrika Fikomiana
Nahatonga ireo mpamokatra lahatsary any am-ponja ny lahatsary novokarin'izy ireo natao hampieritreritra ny miaramila Venezoelana mikasika ny fahefana tsy mitombo hananan'izy ireo ao Venezoela .
Mitsapa Ny Fetran'ny Fanehoan-kevitra Artistika Ao Thailandy Ny Lahatsary Mikasika Ny Fizahan-tany Mampiseho Ny Mpanjaka Taloha
"Mety ho lany tamingana ny zavakanto raha fehezin'iny (minisiteran'ny kolontsaina) amin'ny endriny, ary tsy havela handray anjara ao anatiny ny olon-tsotra."
Mihamampididoza Ny Fanehoan-kevitra Ara-Politika Ao Amin'ny Media Sosialy Ao Tanzania
Niseho teo anatrehan'ny fitsarana Tanzaniana tamin'ny 14 Septambra lasa teo ny olom-pirenena Tanzaniana miisa dimy, voampanga ho nanivaiva ny Filoha John Magufuli tao amin'ny media sosialy. Nandà ny fiampangana azy ireo olona dimy ireo.