Mitsapa Ny Fetran'ny Fanehoan-kevitra Artistika Ao Thailandy Ny Lahatsary Mikasika Ny Fizahan-tany Mampiseho Ny Mpanjaka Taloha

Screenshot of one of the deleted scenes in a Thailand tourism music video. Source: YouTube

Pikantsarin'iray amin'ireo sehatra voafafa tamin'ny lahatsary mozikan'ny fizahan-tany ao Thailandy .Sary avy amin'ny YouTube

Saika voarara tao Thailandy ny lahatsary iray miresaka fizahan-tany rehefa nitaraina ny manam-pahefana sasany momba ny fanehoana ‘tsy araka ny tokony ho izy’ ny endrik'olona thailandey malaza amin'ny literatiora.

Novokarin'ny V Bangkok Co ny lahatsary mozika “Tiew Thai Mee Hay” ( “Ny Dia Manala Voly Ho Any Thailandy”) izay mampiseho an'i Thotsakan, ilay mpanjaka demony avy amin'ny tantaram-pirenena poetika fahiny antsoina hoe Ramakien, izay dikanteny Thailandey amin'ny tononkalo Indiana fahiny Ramayana izany.

Miaraka amin'ny olona hafa manao dihy nentim-paharazana manao saron-tava (Khon) mitety ny firenena i Thotsakan.

Nahasarika fanohanana lehibe, indrindra avy amin'ny tanora sy ny mpisera ny lahatsary maharitra efatra minitra, izay natao ho fanohanana ny fandaharan'ny Fahefana Ara-Pizahantanin'i Thailandy ho fampiroboroboana ny fitsidihana anatiny. Maro no nidera ny seho marevaka, ny hira manintona, sy ny hafatra mandrisika ny olona mba hitsidika ireo toerana fizahan-tany lehibe ao amin'ny firenena  .

Kanefa tamin'ny 21 Septambra, nitaraina ny manampahefan'ny Departemantan'ny Zavakanto teo aloha miandraikitra ny fanarahamason'ny asakanto tsy sahaza ho an'ny daholobe fa tsy araka ny tokony ho izy ny fampisehoana an'i Thotsakan tao amin'ny lahatsary. Nilaza ilay manampahefana teo aloha fa tsy tokony ho hita manao zavatra tsy misy dikany fanaon'olombelona ny mpanjakan'ny bibidia, toy ny maka sary selfies, mitondra fiara kely fanaovana karting, mitaingina soavaly, mifalifaly ao anaty lakan'akondro, ary mahandro tsindrin-tsakafo voanio .

Nitaraina ihany koa ny mpanoratra tantara matihanina malaza iray fa tokony notanterahina tao amin'ny toerana sahaza azy toy ny Teatira Nasionaly na Lapam-panjakana ny Khon.

Ny minisiteran'ny kolontsaina no nihevitra voalohany amin'ny fandraràna ny lahatsary, kanefa nekena ihany ny fandefasana ny lahatsary taorian'ny torohevitra avy amin'ny praiminisitra rehefa nesorina ireo sehatra izay nahatonga adihevitra maro. Nanaiky ny hamafa ny 20 isan-jaton'ny lahatsary ôrizinaly ny V Bangkok Co.

Screenshot of one of the deleted scenes in a Thailand tourism music video. Source: YouTube

Pikantsarin'ny iray amin'ireo sehatra nofafana tao amin'ny lahatsarin-kira fizahan-tany ao Thailandy. sary avy amin'ny YouTube

Maro ireo mpisera aterineto no nitsikera ny baiko fanovana ny lahatsary ôrizinaly. Tamin'ny nanoratana ity lahatsoratra [teny anglisy ity], maherin'ny 70.000 ny olona nanao sonia ny fanangonan-tsonia tao amin'ny Change.org manohitra ny fitarainana natao tamin'ny lahatsarin-kira.

Nampahatsiahy ny minisiteran'ny kolontsaina i Venus’ Vision, mpanao matoandahatsoratra amin'ny gazety teny anglisy malaza iray ao Thailandy, fa ilaina ny famoronana amin'ny fampiroboroboana ny zavakanto nentim-paharazana:

If it monopolises any form of art, drains it of involvement from the common man, that art is likely to go extinct. My friend Chana Sevikul, the veteran songwriter and art teacher, sees culture as a big tree of many branches. If we keep cutting off the branches, he says, one day we'll be left with a bonsai, pretty but forever stunted.

Mety ho lany tamingana ny zavakanto raha fehezin'izy ireo amin'ny endriny, ary tsy havela handray anjara ao anatiny ny olon-tsotra. Mahita ny kolontsaina ho toy ny hazo lehibe manana rantsana maro ilay namako Chana Sevikul, mpamoron-kira ela nihetezana sy mpampianatra zavakanto. Raha mitohy manapaka ny rantsany isika, hoy izy, dia hahazo bonsai [hazo zeny] indray andro any, tsy mitombo mihitsy kanefa tsara tarehy .

Nanamarika mihitsy aza ny sasany fa azo melohina tamin'ny fanaovana zavatra nampiteraka adihevitra maro loatra i Thotsakan noho izy niseho tao amin'ny dokam-barotry ny fizahan-tany, ohatra amin'izany ny fakàna an-keriny ny olon-tiany.

Nandefa fifaninanana  mpankafy zavakanto ny Pejy Facebook iray ho valin'ny fientanentanana. Maro tamin'ny mpandray anjara no nampiseho an'i Thotsakan tamin'ny fomba ‘tsy araka ny tokony ho izy’ isan-karazany.

Mamintina ireo sehatra nofafana tao amin'ny famokarana tany am-boalohany ity lahatsary ity:

Fampitahana mifanila  mampiseho ny lahatsary mozika ôrizinaly sy ny dikany vaovao novaina (Avy amin'i @weeranan) pic.twitter.com/5PQ4h1I0O6 #Thailandy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.