Toherin'ireo mpikatroka aterineto ao Hong Kong ho toy ny fandrahonana ny fahalalahana antserasera ny fandràran'ny fitsarana ny votoaty ‘mahery sehatra’

Sary avy amin'ny fampahalalam-baovan'olon-tsotra, the Stand News ao Hong Kong.

Manohitra ny fehezan-dalàna vonjimaika navoakan'ny Fitsarana Avo ireo mpikatroka ho an'ny fahalalahana antserasera any Hong Kong, fehezan-dalàna izay mandràra ny olona handefa sy mamerina mandefa izay vaovao mampiroborobo herisetra, tafiditra amin'izany izay alefa ao amin'ny LIHKG sy Telegram.

Ny sekreteran'ny fitsarana ao amin'ny Fitsarana Avo no nametraka ny fangatahana fandidiana tamin'ny 31 Oktobra. Mangataka amin'ny fitsarana izany mba handràra ny rehetra tsy:

(a) Wilfully disseminating, circulation, publishing or re-publishing on any internet-based platform or medium (including but not limited to LIHKG and Telegram) any material or information that promotes, encourages or incites the use of threat of violence, intended or likely to cause (i) bodily injury to any person unlawfully within Hong Kong; or (ii) damage to any property unlawfully within Hong Kong.

(b) Assisting, causing, counselling, procuring, instigating, inciting, aiding, abetting or authorizing others to commit any of the aforesaid acts or participate in any of the aforesaid acts.

(a) Minia manaparitaka, mampiely, mamoaka na mamerina mamoaka ao amin'ny sehatra na fitaovana an-tserasera (toy ny LIHKG sy Telegram) izay fitaovana na vaovao mamporoborobo, mandrisika na miteraka fampiasana fandrahonana herisetra, natao na mety hiteraka (i) ratra ara-batana amin'ny olona ao Hong Kong; na (ii) manimba fananana ao Hong Kong.

(b) Manampy, miteraka, manome torohevitra, mahatonga, mandrisika, mandrangitra, manampy, mandrisika na manome alàlana ny hafa hanao ireo fihetsika voalaza etsy aloha na handray anjara amin'ny fuhetsika rehetra voalaza etsy aloha.

Nanome antoka tapa-bolana ho an'ny fehezan-dalàna vonjimaika ilay mpitsara ao amin'ny fitsarana avo, Russell Adam Coleman mandra-pandrenesana ny fotoam-pitsarana ofisialy amin'ny 15 Novambra ho fampiharana azy.

Na izany aza, miahiahy ireo vondrona mpiaro ny fahalalahana amin'ny aterineto fa mety hisy fiantraikany ratsy amin'ny fahalalahana maneho hevitra an-tserasera ao Hong Kong ilay fehezan-dalàna.

Nanomboka fanentanana fanangonam-bola ny Internet Society Sampana Hong Kong mba hangataka fandinihana ara-pitsarana (indray) ilay didy. Naneho ny ahiahiny ny fikambanana fa mety hanery ireo mpamatsy tolotra aterineto hanivana na hametra ny fidirana amin'ny tranonkala sasany ny fehezan-dalàna.

Tsy vitany hoe hisy fiantraikany amin'ny zon'ny mpiserasera tsirairay amin'ny fahalalahana maneho hevitra ilay fehezan-dalàna fa hanery koa ireo MTA (FAI=ISP) na ny mpandraharaha antserasera hanivana na hanaisotra votoaty ara-politika. Ny fizarana (a) amin'ilay fehezan-dalàna dia azo ampiasaina hikendrena ireo mpisera aterineto manaparitaka vaovao momba ny fihetsiketsehana an-tserasera, raha mety hisy fiantraikany amin'ny MTA sy ireo mpandraharaha amin'ny sehatra aterineto izay mety ho voampanga ho “manampy, mandrisika na manome lalana” ny mpiserasera azy ireo hanaparitaka vaovao toy izany kosa ny fizarana (b). Araka ny fanazavan'ny Internet Society Sampana Hong Kong hoe:

The injunction provisions are overbroad, anyone who issues comments on police brutality and criticism on the government could potentially be construed to be “inciting, aiding or abetting” others to commit unlawful acts. The injunction can even go further to include anyone who simply ‘like’, share and respond to the comments. It is possible that with the use of the injunction, the government may force online platforms and Internet Service Providers (ISPs) to censor and restrict access to websites and applications, or request private information of online users who are aiding in the dissemination of the online content. The injunction will not only affect free speech online, it will destroy Hong Kong’s open and free Internet, as well as free flow of information, if the government seeks to invoke more power to censor the Internet.

Midadasika loatra ilay fehezan-dalàna, izay rehetra mamoaka fanehoan-kevitra momba ny herisetran'ny polisy sy ny fitsikerana ny governemanta, dia mety azo lazaina fa manao fihetsika “mandrisika, manampy na manararaotra” ny hafa hanao hetsika tsy ara-dalàna. Mety ho lasa lavitra mihitsy aza ilay fehezan-dalàna amin'ny fampidirana ireo rehetra izay ‘mitia’, mizara na mamaly fotsiny fanehoan-kevitra. Mety azo antoka koa fa amin'ny fampiasana ny fehezan-dalàna, mety hanery ny sehatra an-tserasera sy ny mpamatsy tolotra aterineto (MTA) ny governemanta mba hanivana sy hametra ny fidirana amin'ny tranokala sy ny fampiharana, na mangataka ny mombamomba manokan'ireo mpiserasera izay manampy amin'ny fanaparitahana votoaty an-tserasera. Tsy vitany hoe hisy fiantraikany amin'ny fahalalaham-pitenenana antserasera ihany ilay fehezan-dalàna fa hamotika ny aterineto misokatra sy maimaimpoana ao Hong Kong ihany koa, ary ny fivezivezen'ny vaovao, raha mikasa haneho fahefana bebe kokoa hanivana ny aterineto ny governemanta.

Amin'izao fotoana izao dia takiana ireo MTA sy ireo mpandraharaha amin'ny sehatra ao Hong Kong mba hanakana na hanala votoaty tsy ara-dalàna, ao anatin'izany ny vaovao izay manitsakitsaka ny zon'ny mpamorona sy ny fiainana manokana. Raha misy famaritana mazava ny zon'ny mpamorona sy ny fiainana manokana, dia ahitana “vaovao izay mampiroborobo, mandrisika na manentana ny fampiasana fandrahonana herisetra” ilay fehezan-dalàna, ary azo adika ho “vaovaom-panoherana amin'ny ankapobeny” ny famaritana toy izany.

Raha toa ka tsy manaja ny “filazana fanesorana votoaty” avy amin'ny manampahefana ny mpandraharaha amin'ny sehatra any ivelany, dia mety ho voampangan'ny manampahefana ho “manampy” amin'ny fizarana fitaovana tsy ara-dalàna ary mety ho terena hanakana ny sehatra rehetra toy ny Telegram sy ny LIHKG mitovy amin'ny reddit izay ampiantranoina ivelan'i Hong Kong ireo mpamatsy tolotra aterineto. Noho izany, dia maro no mino fa natao hanakanana ny LIHKG sy ny Telegram, izay seha-pifandraisana roa lehibe indrindra ho an'ny mpanao fihetsiketsehana ilay fehezan-dalàna.

Niparitaka hatrany ny tatitra momba ny drafitry ny governemanta hanamafy ny fifehezany ny aterineto nanomboka tamin'ny volana Aogositra 2019. Tamin'ny 28 Aogositra, namoaka fanambarana ny Fikambanan'ny MTA ao Hong Kong, izay mampitandrina fa “izay fameperana rehetra tsy azo antoka momba ny aterineto misokatra dia mety hiteraka fameperana bebe kokoa” ary hametraka ny ‘aterineto any Hong Kong ho ao ambadiky ny rindrin'afo lehibe.’ ‘Nampian'ny fikambanana ny fanambarany hoe:

Therefore, any such restrictions, however slight originally, would start the end of the open Internet of Hong Kong, and would immediately and permanently deter international businesses from positing their businesses and investments in Hong Kong.

Noho izany, ny faneriterena toy izany, na dia kely tany am-boalohany aza, dia mety hanomboka ny fiafaran'ny aterineto misokatra any Hong Kong, ary mety hanakana avy hatrany sy amin'ny fomba maharitra ny fihariana iraisam-pirenena tsy hametraka ny fiharian'izy ireo sy ny fampiasam-bolan'izy ireo aty Hong Kong.

Namoaka taratasy misokatra ho an'ny governemanta Hong Kong tamin'ny fiandohan'ny volana septambra ihany koa ny vondrona #KeepItOn, manohitra izay politika mety hanimba ny aterineto misokatra:

Shutting down or restricting the internet and disrupting communications will not stop protests nor remove the triggers behind them. They only increase societal anxiety, and often hide human rights violations, creating greater difficulty for long-term stability and peaceful dialogue.

Tsy hampitsahatra ny fihetsiketsehana na hanala ireo mpikatroka ao ambadik'izany ny fampiatoana na ny famerana ny aterineto sy ny fanakorontanana ny fifandraisana. Mampitombo fotsiny ny fanahiana eo amin'ny fiaraha-monina izy ireo, ary matetika manafina ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona, ​​ka miteraka olana goavana kokoa ho an'ny filaminana maharitra sy ny fifanakalozan-dresaka milamina.

Tamin'ny voalohandohan'ny volana Oktobra, nanonona ny Lalàna Vonjy Maika mba hampihatra ny lalàna Anti-Mask (Antisarontava) ny Lehiben'ny Mpanatanteraka Carrie Lam. Nandritra izany fotoana izany, nilaza i Ip Kwok-him, mpanao politika pro-Beijing sady mpikambana ao amin'ny Filankevitra Mpanatanteraka fa tsy hanakana ny fandaniana lalàna vaovao hamerana ny aterineto mba hanakanana ny fihetsiketsehana ny governemanta.

Raha nanantitrantitra i Carrie Lam fa tsy handany lalàna mandràra ny aterineto izy, dia mety hanome hery ny manampahefana mba hanery ireo MTA hanakana sehatra sy tranonkala sasany ny fehezan-dalànan'ny Fitsarana Avo.

Nilaza ny Internet Society Sampana Hong Kong fa mety hiteraka tahotra sy hanakana ny olom-pirenena sy ny mpanao fihetsiketsehana tsy haneho hevitra ny fehezan-dalàna ankehitriny:

If the situation remains unchecked, the police could potentially use the injunction to persecute more innocent and law abiding citizens who have the courage to speak up against the government and injustice.

Raha mbola tsy voafehy ny toe-draharaha, dia mety hampiasa ny fehezan-dalàna ny polisy mba hanenjehana ny olom-pirenena mpanaja lalàna sy tsy manan-tsiny sahy miteny manohitra ny governemanta sy ny tsy rariny.

Naneho ny ahiahiny lalina manoloana ilay fehezan-dalàna ihany koa ny Internet Society (Iraisampirenena):

The order will have the unintended consequence of interfering with the normal operations of the local and global Internet, jeopardizing the smooth delivery of Internet services in Hong Kong and its neighbors…This outcome would directly endanger the lives and livelihoods of many Hong Kong people, and will have serious repercussions on Hong Kong’s economy and its links to the global digital economy.

Hisy voka-dratsy tsy ampoizina amin'ny fitsabahana ireo hetsika ara-dalàna amin'ny aterineto eo an-toerana sy manerantany ilay fehezan-dalàna, ary manohintohina ny fandehan'ny tolotra aterineto any Hong Kong sy ireo mpifanila-bodirindrina aminy … Mampidi-doza mivantana ny fiainana sy ny fiveloman'ny mponina ao Hong Kong izany voka-dratsy izany, ary hisy fiantraikany ratsy amin'ny toe-karenan'i Hong Kong sy ny fifandraisany amin'ny toekarena nomerika manerantany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.