Miatrika fanadihadiana ilay mpanoratra Maleziana rehefa avy namoaka boky momba ny fanapaha-keviny tsy hitafy hijab

Fonon'ny bokin'i Maryam Lee, Unveiling Choice (Safidy tsy Hisarom-boaly).

Nohadihadian'ny manampahefana ara-pivavahana ilay mpanoratra Maleziana Maryam Lee taorian'ny famoahana boky mitantara ny fanapahan-keviny hitsahatra tsy hitafy hijab na ilay sarondoha entin'ny vehivavy Miozolomana marobe.

Nanoratra tao amin'ny bilaoginy i Maryam fa nahazo fampiantsoana izy tamin'ny volana Oktobra 2019, fampiantsoana avy amin'ny Jabatan Agama Islam Selangor (JAIS) nangataka azy mba hanaiky ny fanadihadiana noho ny mety ho fanitsakitsahana ny Andininy faha-10 (a) momba ny Lalànan'ny Heloka Bevava Syariah (Selangor), izay manameloka ireo “olona rehetra, amin'ny alàlan'ny teny, mety ho re na vakiana na amin'ny alàlan'ny sary, marika na endrika fanehoana hafa izay hita na mety ho hita na amin'ny fomba hafa: (a) manompa na mety hanohintohina ny fivavahana Islamo. “

Raha voampanga i Maryamary hita fa meloka dia mety handoa onitra mitentina RM5.000.00 (1.200 dolara Amerikana) na telo taona an-tranomaizina na izy roa.

Mino i Maryam fa misy hifandraisany amin'ny bokiny, Unveiling Choice (Safidy tsy Hisarom-boaly), izay navoaka tamin'ny fiandohan'ity taona ity ary manazava ny hevitry ny ‘dehijabbing’ ny fampiantsoana azy. Nanjary niteraka adihevitra ny famoahana ity boky ity rehefa nanome baiko tamin'ny fanaovana fanadihadiana momba ny hetsika ny Departemantan'ny Praiminisitra misahana ny Raharaham-pivavahana.

Manana vahoaka maro Miozolomana i Malezia ary fantatra amin'ny fampiroboroboana ny fomba fijery mahay mandanjalanja momba ny finoana Islamo tohanan'ny lalàna tarihin'ny fitsipiky ny firindrana ara-pirazanana sy ara-pinoana. Saingy tato anatin'ny taona vitsy dia nisy ireo hiringiriny sasany izay nanery ny fampiharana hentitra ny fampianarana ny Islamo amin'ny fitantanana. Hita taratra tamin'ny didy navoakan'ny Fitsarana Ambony tamin'ny volana Aogositra 2019 izay nankatoa ny fahefan'ny Fitsarana Shariah hamoaka ny fatwa hanoherana ny Sisters in Islam, vondrom-behivavy manohana ny miralenta ihany koa ny famerana ny fanehoan-kevitra ara-pinoana .

Nanao antso ho firaisankina i Maryam nandritra ny nanatrehany fanadihadiana :

In situations like this, it is important for us to remind the government that freedom of expression is not a crime and freedom of religious beliefs is not an insult to Islam, and that the protection of these freedoms is essential to uphold human rights for all.

Amin'ny toe-javatra tahaka izao, zava-dehibe ho antsika ny mampahatsiahy ny governemanta fa tsy heloka ny fahalalahana maneho hevitra ary tsy fanevatevana ny Islamo ny fahalalahana ara-pinoana, ary ilaina amin'ny fanandratana ny zon'olombelona ho an'ny rehetra ny fiarovana ireo fahalalahana ireo.

Hetsika fanaovana sonia boky ho an'ny Unveiling Choice. Loharano: Facebook

Vondrom-behivavy, mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona, ​​mpanakanto ary manam-pahaizana isankarazany no namaly ny antso tamin'ny alàlan'ny famoahana fanambarana firaisankina.

Nilaza ny Vondrona Miara-Miasa ho an'ny Miralenta, fiaraha-mientana ao amin'ny fikambanana miisa 13 mpiaro ny zon'ny vehivavy ao Malezia fa mampiroborobo ny fampandrosoana ny vehivavy ny bokin'i Maryam:

The book neither promotes nor discourages readers from exemplifying her actions, but in fact, explores the tenets of the decision from one person’s experiences and point of view.

Stories that reflect the varied realities of women are important, as they contribute to the diversity of experiences and discussions around how women are affected by social structures and pressures.

Tsy mandrisika na manakivy ny mpamaky haneho ohatra ny zavatra nataony ny boky fa maneho ny fitsipika momba ny fanapahan-kevitra avy amin'ny zavatra niainan'ny olona iray sy ny fomba fijeriny raha ny marina.

Zava-dehibe ny tantara izay maneho taratra ny zava-misy isankarazany iainan'ny vehivavy satria izany dia mandray anjara amin'ny fahasamihafan'ny traikefa sy ny fifanakalozan-kevitra manodidina ny fomba fiantraikan'ny rafitra sy ny tsindry ara-tsosialy eo amin'ny vehivavy.

Nanamarika ny Hetsika Maleziana ho an'ny Rariny sy ny Firaisankina fa ny JAIS no manevateva ny Islamo:

It portrays Islam as being a religion of ‘force’ and not one of choice. Islam is not a religion of force, neither is it a religion that enforces. Islam is a religion of discernment, and permits differences of thinking – which is what makes it the great religion that it is. This action by JAIS demeans and insults the very essence of what Islam is.

Maneho ny finoana Islamo ho toy ny ‘hery’ izy io fa tsy iray amin'ny safidy. Tsy fivavahana ho an'ny hery sady tsy fivavahana ho an'ny fampiharana ny finoana Islamo. Fivavahana mahay manavaka, ary mamela ny tsy fitovian'ny fisainana ny finoana Islamo – izay no mahatonga azy ho fivavahana lehibe. Manambany sy manevateva ny tena fototry ny Islamo ity hetsika nataon'i JAIS ity.

Niaro ny zon'i Maryam amin'ny fahafahana maneho hevitra malalaka ny New Naratif, tranonkalam-baovao tsy miankina mitantara momba an'i Azia Atsimo Atsinanana:

As a movement that stands for democracy, freedom of expression, and freedom of inquiry, New Naratif believes in the need to have space for important discussions, even if they might be sensitive or controversial.

The choice of where or not to don a hijab is a very personal one, and it is important that people have the opportunity to tell their stories, share their experiences, and engage in good-faith conversations, regardless of their ultimate decisions.

Amin'ny maha-hetsika mijoro ho an'ny demaokrasia, ho an'ny fahalalahana maneho hevitra sy ho an'ny fahalalahana famotopotorana dia mino ny New Naratif fa ilaina ny manana toerana ahafahana mifanakalo hevitra manan-danja na dia mety ho saropady sy mampiady hevitra aza izany.

Safidy tena manokana ny safidy hitafy na tsia ny hijab, ary zava-dehibe ny hananan'ny olona fahafahana mitantara ny tantarany, mizara ny zavatra niainany ary hanolo tena amin'ny resaka azo itokisana, na inona na inona fanapahan-keviny farany.

Several civil society leaders in the region also signed a statement expressing concern about the allegations against Maryam:

Mpitarika ny fiarahamonim-pirenena marobe ao amin'ny faritra ihany koa no nanao sonia fanambarana iray milaza ny ahiahiny momba ny fiampangana an'i Maryam:

We view this as an attempt to interfere with women’s choices and their bodily autonomy and specifically their internationally guaranteed right to express themselves. In an increasingly restrictive society, women face numerous challenges and have little space to make decisions for themselves.

The rights to free expression and religious freedoms include the right to express our personal views and the right to make choices about our bodies, which includes deciding whether to wear the hijab or not.

Heverinay ho fikasana hitsabaka ny safidin'ny vehivavy sy ny fizakan-tenany ara-batana izany ary indrindra indrindra ny zon'izy ireo iraisam-pirenena izay miantoka ny fanehoan-kevitra manokana. Miatrika fanamby maro ny vehivavy ao anatin'ny fiaraha-monina izay hiharan'ny famerana hatrany ary tsy manana fahafahana firy hanapa-kevitra ho an'ny tenany.

Ahitana ny zo haneho ny fomba fijerintsika manokana sy ny zo amin'ny fanaovana safidy momba ny vatantsika ny zon'ny fanehoan-kevitra malalaka sy ny fahalalahana ara-pivavahana ka ao anatin'izany ny fanapahan-kevitra hitafy hijab na tsia.

Ary farany, mampiseho ny toe-javatra hiainan'i Maryam ity sariitatra ity:

Amin'ny maha reny ahy, tsy mampandry saina ahy ny mieritreritra fa lasibatra sy voampanga tsy ara-drariny ilay mpanoratra miozolomana Maryam Lee, ankehitriny noho ny  fihetseham-po manohitra ny Islamo fotsiny tamin'ny fanoratana sy fizarana momba ny safidiny manokana tsy hitafy malalaka ny hijab. Tsy midika hoe manohitra ny Islamo ny fahafahana tsy hitafy hijab! Raha tsy safidy ny Hiijab dia famoretana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.