Lahatsoratra farany an'i imanoela fifaliana tamin'ny Avrily, 2019
Miady hevitra ny blaogy Bangla: Saddam sa i Bush? – iza no meloka indrindra?
Nifarana tamin'ny vaovao lehibe mikasika ny famonoana an'i Saddam Hussein tany Iràka ny taona 2006. Sary maro momban'ny fanantonana azy nohita tao amin'ny Aterineto, izay nahaketraka olona maro. Nangotraka fihetseham-po maro nanoloana ilay zava-nitranga ny tontolom-blaogy.
Sina: Voatohitohina Ilay Rindrinafo Goavana
Naka nanaraka azy ilay filàna hanivan-tena mba hahatafavoahana velona ny fahataperan'ny Rivopanovàna Ara-kolontsaina tao Sina telopolo taona lasa izay. Raha toa ka efa afaka miresaka malalaka tsara ireo Sinoa —zo iray arovan'ny lalàmpanorenana Sinoa— mbola misy foana ireo andiam-pitsipika sy fenitra tsy voasoratra hamaritana ny fotoana sy ny tranga mahatafiditra ny mpanatrika.
Mametraka Rahona ho an'ireo Demokrasia ny Famoretan'i Sina ny Asa Fanaovangazety, hoy ny Mpiambina ny Haino Amanjery
''Raha toa ka tsy manohitra ireo demokrasia, hanafika tsikelikely ireo haino amanjery maneran-tany ny fampielezankevitra amin'ny ''endrika Sinoa'', hifaninana amin'ilay asa fanaovangazety toy ilay efa fantatsika.''
Manaratsy ny Toerana misy ny Fitondran'i Azerbaijan ny Hetsipanoheran'ireo Reny any Nagorno Karabakh
Nanome toky ny hanome fanonerana ho an'ireo fianakaviana izay nankasitrahana tanatin'ny lahateny ofisialy noho ny aina nafoiny ny fanjakana. Avy eo dia navelany ho diso fanantenana izy ireo.
Voasakana any Gambia ny Chat Viber?
Milaza ireo manampahefana ao amin'ny governemanta fa manakana ny fidiram-bola tena ilain'ireo mpamatsy fifandraisandavitra eo an-toerana ny Viber sy ireo tolotra serasera hafa mifototra amin'ny Aterineto. Manolo-kevitra ireo tsikera fa mety anton'ireo fanakanana ny ahiahy ara-politika.
Japana: Fandikanteny Ifarimbonana amin'ny Fotoan'ny Krizy
Niditra teo amin'ny sehatra iraisampirenena i Japana rehefa voadonan'ilay horohorontany nahatsiravina tamin'ny 11 Martsa 2011. Raha toa ka nikoriana avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao ireo fanadihadiana, hatsaran-tsitrapo, torohevitra sy fanomezana ara-bola maro, nanao izay vitany kosa ireo olompirenena tsotra, tamin'ny fandraisana anjara tanatin'irep tetikasa fandikan-teny ifarimbonana ohatra.
“Game of Thrones” (Lalaon'ny seza fiandrianana) sy ny Fiovàn'ny toetrandro: miomàna! tonga ny lohataona!
Alaivo sary ao an-tsaina ny tontolo iray misy ankolafy politika mitolona haka fahefana nefa tsy miraharaha ny loza iray mitatao tsy mbola hainy hatrizay hatrizay— nefa mety handringana ny fiarahamonin-dry zareo miaraka amin'ny tsy firaharahiana ny fetran-sisintany napetraky ny olombelona.
Fiji: Adihevitra taorian'ny Fitontonganan'ny Sandambola
Niresaka betsaka mikasika ny fitontonganan'ny sandan'ny dolara fijiana ireo blaogera fijiana tato anatin'ny andro vitsy lasa.
Malezia: Tetikasa Fanarenana Faharoa
Tsy ampy ilay tetikasa fanarenana ny toekaren'i Malezia natao voalohany tamin'ny 2008. Vokany, nanambara tetikasa fanarenana faharoa ny governemanta ny volana Martsa 2009.
Hong Kong: Mitohy ireo Fanafihana Goavana amin'ny alàlan'ny DDoS, Mikendry Vohikalam-baovao Mpomba ny Demokrasia
Andro vitsivitsy taorian'ny fanafihana goavana tamin'ny alàlan'ny DDoS natao taminà rafitra fifidianana an-tambajotra iray tarihin'olompirenena, nahitsoky ny mpijirika informatika ireo vohikalam-baovaon'ny Apple Daily ao Hong Kong sy Taiwan.