Libanona: Akademia, Fambolena ary Asa Fanorenana
Dikandahatsoratra
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Febroary 2007)
Ndeha isika hanomboka ny fihodinan'ny tontolon'ny blaogy Libaney amin'ity herinandro ity miaraka amin'ireo lahatsoratra tsy ara-politika. Ndeha hatombotsika miaraka amin'ny lahatsoratra mikasika ireo salady Libaney roa izay ampiasaina ho toy ny fampazotoana homana mandritra ny fisakafoanana:
Mampiseho antsika ny fomba fikarakarana Fattush sy Tabboule i Skylark (Fr), izay salady Libaney roa tena tsara tsiro matetika hita rehefa miray latabatra amin'ny vahiny ny Libaney.
Rehefa avy nameo fahafahampo ny lelantsika àry isika, andao indray ho any amin'ny fanontàna sy ny akademia. Nanoratra tao amin'ny Sehatra Fifanakalozankevitry ny Blaogera Libaney mikasika ny ”Fahavaratra Very: karatra paostaly avy any Libanona” i Lazarus , izay boky manambatra teny notsongaina maro, nosoratana nandritra ny adim-pahavaratra tany Libanona, maneho ireo eritreritra sy fihetsehampon'ny olona, Libaney na tsy Libaney, nandritra izany ady izany:
Nandritra izany adim-pahavaratra izany, olona maro no nanoratra ireo eritreriny sy fihetsehampony ary nandefa izany tany amin'ireo namany sy fianakaviany tamin'ny alalan'ny imailaka, blaogy ary simaiso. Taorian'ny volana maro niasana, afaka nanangona teny notsongaina avy tamin'ireo soratra ireo ny vondron'olona iray, izay ny tanjony dia ny haka ny votoatin-kevitra tamin'izany fotoana izany. Avy tamin'ny olona Libaney sy tsy Libaney ireo soratra ireo ary nalahatra (toy ny endrika karatra paostaly) niaraka tamin'ny sary manokana izay nalain'ireo olona ireo, nahatonga izany boky izany ho an'ny vahoaka avy amin'ny vahoaka.
Mijanona ao amin'ny tontolo akademika, manana an'i Ibn Bint Jbeil isika, izay manao antso ho fanohanana ny Fikambanaben'ny Mpianatra Palestiniana ao amin'ny Oniversiten'i San Francisco. Miasa amin'ny fananganana hosodoko an-drindrina ilay Firaisana, izay manome voninahitra an'Itompokolahy Dr. Edward Said sy ny kolontsaina Palestiniana, nekena ho an'ny toeram-ponenan'ny mpianatra ao amin'ny oniversiten'izy ireo.
Neken'ny kaomity sy vondrona mpianatra ary filan-kevitry ny oniversite ilay tolo-kevitra ary nahazo fanohanana, fa dingana iray farany talohan'ny fanekena azy, nandà aloha loatra ilay hosodoko manaran-drindrina ny filohan'ny oniversite Robert A. Corrigan ary nametraka didim-pitsarana manalava fe-potoana ho an'ny kanto rehetra ao amin'ny Foibe ho an'ny Mpianatra ao amin'ny Oniversiten'i San Francisco.
Inona no hevitra natohitr'i Corrigan? Nilaza izy fa ny politikan'ny Oniversite dia ny hamelàna ny fankalazana sy ny fieboeboana amin'ny lova sy kolontsainan'ny olona iray ”naseho tsy nisy fankahalana na fanambaniana ny iray hafa” (kolontsaina) .
Mba jereo anie ilay tolotra hosodoko an-drindrina etsy ambony e, ary mba ezaho tadiavina hoe inona àry no zavatra tian'i Corrigan ho lazaina amin'izany.
Zara raha omena ny fiheverana sahaza azy ny fambolena any Libanona. Manasongadina ny fahadisoan'ity politika ity tao anatin'ny sasany tamin'ireo lahatsorany i Abu Ali. Tao anatin'ity lahatsoratra iray ity, hadihadian’ i Abu Ali ny tetik'i Israely tamin'ny fanimbàna ny tambatsela sosialin'i Libanona Atsimo amin'ny fanimbàna ny famboleny izay mampifandray ny olona amin'ny taniny ary omeny tsiny ihany koa ireo governemanta Libaney nifanesy noho ny tsy firaharahiana ny fampandrosoana ireo faritra ambanivohitra sy ny fiadanan'ireo mpamboly kely manerana an'i Libanona.
Na eo aza ny zavatra mety eritreretin'ireo olona an-drenivohitra, mbola zava-dehibe foana any Libanona ny fambolena. Marina izany, indrindra fa any Atsimo. Tahaka ny any an-kafa rehetra ao ambanivohitr'i Libanona, tsy ny famboleny no loharanon-karena voalohany ho an'ireo mponina any Atsimo ireo, fa eo amin'ny 30 isan-jatony eo no anjara birikin'izany amin'ny fitambaran'ny fidirambolan'ny fiankaviana. Tsy anatin'io tarehimarika io ireo tombontsoa ara-pahasalamana, ara-tsosialy, ara-kolontsaina, ara-tontolo iainana ary ara-panahy omen'ny fambolena. Mpamboly kely, mpamboly ho an'ny fianakaviany izay indrindra mamokatra ho an'ny tenany sy ho an'ny tsena eo an-toerana ny ankamaroan'ireo mpamboly any Atsimo. Nandoma mafy azy ireo ny ady tamin'ny volana Jolay. Satria nafindran'ny tafika Israeliana toerana izy ireo ka tsy afaka nioty ireo vokany, izay lo teny an-tsaha teny.
Ho an'ny olona vaovao amin'ny raharaha ara-politika any Libanona, mety ho zavatra sambany mba nisy teo amin'y tantara Libaney ny zavatra miseho ankehitriny. Manoratra andrana lahatsoratra ara-tantara iray i Marxist From Lebanon, nanomboka tany amin'ny 1840 ka hatramin'ny andro iainantsika, mampiseho ny toa fomba fiverimberenan'ny tantara ary manolotra ny anton'izany:
”Nisy ny fahalalahana sy ny demokrasia, tsy hoe na teo aza, fa noho, ny fiarahamonina misy kaominina maro ao amin'ny firenena: nahatonga tsy ho azo tanerahana ny fandraisana vahaolana jadona ny fitombinan'izany”
Mpihira foana i Libanona rehefa hisy fifanandrinana hiseho.
Tsy omena lanja any Libanona ny demokrasia, fa io no fomba tokana na dia mifototra any amin'ny sekta aza ny demokrasia any Libanona.
Farany, tsikerain'i Sean ny fanapahankevitr'i Amerika hametraka ho anaty lisitra mainty ny Jihad al Binaa, orinasa mpanao asa fanorenana izay mifandray amin'ny Hezbollah, ho toy ny fomba hafahafa hangalana namana any Libanona :
Tomponandraikitra tamin'ny fanarenana trano aman'arivony maro tany Libanona izay rava na simba noho ireo fanafihana Israeliana ny Al-Binaa. Tokony ho hetsika hanelingelina ireo ezaka fanarenan'ny Hezbollah izany, angamba mba hanomezana tombony ho an'ny governemanta. Fa hatreto aloha i Beiroty dia toa mba tsy dia narisika ny handany ny vola rehetra nomena azy ho an'ny fanarenana ireo trano any Atsimo na any Dahiye. Tetsy andaniny kosa, nandefa injeniera 1000 sy mpilatsaka an-tsitrapo aman'arivony maro kosa ny Hezbollah mba hanaov asa fanarenana any amin'ireo faritra manodidina simba na rava.
Salamà tsara ary miverena indray ho an'ny zavatra bebe kokoa avy any Libanona.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...