Mandefa taratasy any amin'ny ICC (CPI) momba ny famonoana ireo mpitarika ara-tsosialy ireo Kolombiana mpikatroka

Pikatsarin'ilay lahatsary nandritra ny diabe natao tany Parisy tamin'ny 28 Martsa. Mitazona takelaka milaza hoe ”novonoin-dry zareo ny namako” ilay mpanohitra no sady mandeha eo akaikin'ny lisitry ny anaran'ireo maty. Lahatsary nozarain'ny Agence France Press tamin'ny teny Espaniola tao amin'ny Youtube.

Tamin'ny 5 Aprily, vondrona Kolombiana mpikatroka teo amin'ny 20 teo no nandefa fangatahana am-panajana tany amin'ny Fitsarana Iraisam-pirenena (ICC) mba hanokafany fanadihadiana mahakasika heloka momba ilay famonoana faobe ireo mpitarika ara-tsosialy tany amin'ny firenen'izy ireo.

Rehefa avy nanao diabe nandritra ny herinandro teo avy any Parisy ireo vondron'olona sy ireo mpanohana azy dia nanatitra ilay taratasy tao La Haye, rehefa  nijanona tany amin'ny tanàna maro tao Frantsa sy Belzika izay nikarakaran'izy ireo famoriam-bahoaka sy fampisehoana.

Avy tamin'ilay fotoam-panombohana ny fihaonana tao Parisy ito sary eto ambany ito:

Fanomezana voninahitra ireo mpitarika ara-tsosialy 472 novonoina tany Kolombia, nanao tapa-damba misy ny anaran'ireo [mpitarika] 472 [tsirairay] ireo mpanao diabe tao La Haye. Manantena izahay fa leo an'ireo politikam-piarovany ny governemanta ka tsy hitombo intsony io isa io.

Diabe notarihin‘ny The Netherlands’ Colombian Citizens Diplomacy Collective sy ireo vondrona maro nanatevin-daharana azy ireo taty aoriana.

Nampiasain'ireo mpandray anjara ny tenifototra #MarchamosALaHaya (Diabe tao La Haye) sy  #MarchamosALaHaya5abril (Diabe tao La Haye ny 5 Aprily) mba hanaparitahana vaovao mikasika ilay hetsika fisantarana.

Naneho ny fanohanan‘izy ireo ilay diabe ireo Kolombiana mpanao politika, i Gustavo Bolívarsy i Antonio Sanguino. Nandray anjara tamin'ilay diabe ihany koa tamin'ny alalan'ny fikambanany “Colombia Humana” (Olombelon'i Kolombia) ny senatera Gustavo Petro, izay resy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 2010 sy 2018.

Mampiseho sary sasantsasany tamin'ireo hetsi-panoherana teo aloha izay natao tany sy ivelan'i Kolombia mba hanoherana ireo famonoana mpitarika ara-tsosialy ny lahatsary iray novokarin'i Adriaan Alsema , ilay mpamorona ny media an-tambajotra Colombia Reports. Ahitana fanazavana fohy mikasika ilay olana ihany koa ao anatin'izany.

Maherin'ny 163 ireo mpitarika sy mpikatroka ara-piarahamonina maro — lazaina hoe líderes sociales any Kolombia– no novonoina nandritra izay telo taona lasa izay tany Kolombia, araka ny Kaomisera Ambony ho an'ny Zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana. Manana isa mbola ambony be noho izany ny Kolombiana  Mpanelanelanafamonoana mihoatra ny 460  nanomboka tamin'ny 2016.

Amin'ny fomba fijery rehetra, nitombo be ny isan'ireo fahafatesana mahery setra nanomboka tamin'ny nisian'ny fifanekem-pihavanana tamin'ny 2016 izay ny ankamaroany dia nanatsahatra ny fifandirana nisy efa ho amam-polo taonany maro teo amin'ny governemanta sy ny vondrona guerrilla FARC .

Tao anatin'ireo torolàlana maro hafa, milaza ilay fifanekem-pihavanana fa hamerina ireo fananany rehetra ny FARC ho takalon'ny fandraisana anjara amin'ny politika ara-drafitra.

Saingy namela banga ara-pahefana ny FARC hatramin'ny nialàny teo amin'ny taniny taloha, izay efa ipetrahan'ireo vondrona ivelan'ny tafika na guerrila mpanohitra izay tsy manaiky ilay fifanekem-pihavanana.

Kendrena noho ny fiarovany ireo fiarahamoniny amin'ny vondrona toy izany, izay matetika manao ampihimamba ny fivarotana zava-mahadomelina tsy ara-dalàna na fitrandrahana tsy ara-dalàna any amin'ireo faritra iandraiketany, ireo mpitarika ara-tsosialy.

Ho an'i Carlos Guevara, izay mandrindra ny fikambanana “Somos Defensores” (mpiaro izahay, amin'ny teny Espaniola),  matetika vonoina any an-tranony ireo mpitarika ara-tsosialy ireo, eo imason'ny fianakaviany, ary matetika tsy mahazo fanohanana avy amin'ireo manampahefana rehefa mitaky ny rariny:

…las agresiones contra personas que se dedican a defender de los derechos humanos en Colombia [está al nivel de] una crisis humanitaria […] los están matando porque están impulsando quitar una economía considerada ilegal y que beneficia a los narcotraficantes y grupos armados. Y el Gobierno no está tomando medidas para proteger a esos líderes…

[Nahatratra] ny haavona krizin'ny mahaolona ireo herisetra atao amin'ny olona manolo-tena hiaro ny zon'olombelona any Kolombia […] vonoina izy ireo satria manosika ny fialàna amin'ny toekarena lazaina ho tsy ara-dalàna sy ahazoan'ireo mpivarotra zava-mahadomelina sy vondrona mitam-piadiana tombontsoa. Tsy misy fepetra raisin'ny Governemanta mba hiarovana ireny mpitarika ireny…

Mandritra izany fotoana izany, asongadin'ny Kaonferansa Nasionalin'ireo Fikambanana Afrokolombiana ny endrika manandanja ananan'ireo famonoana faobe izay toa matetika tsy dia raharahiana : ny zava-misy hoe ny ankamaroan'ireo mpitarika ara-tsosialy ireo dia avy amina foko vitsy an'isa avokoa.

Ho fanampin'izany, miatrika herisetra fanampiny ireo vehivavy mpitarika satria ampiharana herisetra mifototra amin'ny fananahany manokana izy ireo.

Matetika mampiasa ny tenifototra #NosEstánMatando (mamono anay zareo) ny Twitter Kolombiana mba hiresahana mikasika ireo famonoana mpitarika ara-tsosialy. Miaraka amin'ilay diabe ICC, manantena ny sain'izao tontolo izao momba ny fitarainan-dry zaireo ireo mpikatroka.

Mandritra izany fotoana izany, tsy mitsahatra ny mitombo ireo isa. Hatramin'ny voalohan'ny taona 2019, mpitarika ara-tsosialy miisa 73 no norahonana tao amin'ny departemanta afovoan'i Boyacá fotsiny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.