Ireo Libiana Blaogera Tao anatin'ny Herinandro

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Febroary 2007)

Somary nahaliana iny herinandro lasa iny raha toa ka niresaka mikasika ireo fahamendrehana mifandraika amin'ny zava-misy virtoaly sy ny tontolo miafina, na momba ny vintana amin'ny Second Life (Fiainana Faharoa) izay afaka hidiranao foana na rahoviana na rahoviana raha toa ka leo amin'ny fiainanao amin'izao fotoana izao ianao.

Mahatonga ahy hieritreritra ireo sarimihetsika Vanilla Sky na ny Matrix mihitsy aza izany

Milaza i Highlander izay nanomboka ilay resaka:

“Mihamitombo be ireo lahatsoratra mivoaka momba ny Second Life ary midika izany fa tsy afaka ny hangina mikasika ity tranga iray ity intsony ny tenako […] indrindra raha ohatra ny Masoivohon'i Soeda ka manokatra birao amin'izao fotoana izao! Raha toa ka noraisina tety tamina hetsi-panoherana sy fihetsiketsehana mahery setra mihitsy aza ilay haifitsipi-pitondrantena ara-politika Frantsay an'i Le Pen […] Politika sy fikatrohana? zavatra matotra izany ka noho izany, raha ohatra ianao ka nihevitra ity toerana ity ho anaty ekipa amin'ny resaka firaisana ara-nofo mandeha amin'ny aterineto sy ireo karazan-javatra ‘mahafinaritra’ sasany, dia avereno eritreretina indray. Aty ihany koa ireo ‘greenies’, ka raha manan-danja aminao ny tontolo iainana sy ny fiakaran'ny maripana erantany, maninona moa no tsy miditra ao amin'ny ‘Climate island’ ianao ary mijery ireo vahaolana azony atolotra. […] KAY, midika izany fa TSY tontolo foromporonin'ny saina fotsiny toy ny eritrerintsika ny Second Life fa TENA IZY miaraka amin'ireo marika rehetra amin'ity fiainana voalohany any an-kafa ity. An-tambajotra!”

Iray amin'ireo blaogera nizara ireo zavatra niainany tamin'ny Second Life i Safia avy ao amin'ny Safia Speaks, izay mampiseho ny rikorikony toy izao:

Milina filalaovam-bola ny Second Life, tsy misy afa tsy izay, ary tena ratsy mihitsy aza. Mistery ho ahy ny antony handanian'ny ”mpampiasa an-tapitrisany” ”ora maro” ao amin'ity fatin-javatra ity. Aleoko lavitra mandany vola amin'ny lalao 3D TENA IZY toy ny The Sims na ny America´s Army na ny Gears of War na iray amin'ireo lolovokatra / mpitifitra 3D izay tena mahafinaritra ny milalao azy ary tsy mandany ny volako ao amin'ny banky mandritra ny ora maro.”

Ny trangan'ireo zaza 400 teoho eo tratran'ny SIDA tany Benghazi, Libia, no lohahevitra hafa mafana tao ambony latabatra. Aty, nangotraka ny adihevitra tao amin'ny blaogin'i AngloLibyan’. Nanolotra ilay lohahevitra tamin'ny fomba fijery hafa i AngloLibyan, izay ny an'ireo zaza. Satria miantefa any amin'ny mpiasan'ny fahasalamana Bolgara ( miaraka amin'ny filazàna manokana avy amin'ilay Palestiniana mpitsabo) ilay tabataba any Andrefana raha toa ka tena tsy tafiditra ao anaty resaka mihitsy ireo niharam-boina sasany, izay tena tsy manantsiny tanteraka. Diso fanantenana izy fa lasa naka endrika politika sy lasa fanararaotan'ny Tandrefana ho toy ny  fanaovana fanambanana ilay olana, enfa ny ankizy mamoy ny ainy. Milaza amin'ny fomba mampihetsi-po izy:

Hahita karazana fanohanana avy any Eoropa ho an'ireo ankizy ireo ve isika? Vao haingana no nanambara i Eoropa fa nahazo teo amin'ny 120 tapitrisa Euro teo hanampiana ny fikarakarana ireo zaza ireo, saingy tsy homena ireo niharam-boina ilay vola raha tsy efa mivoaka ireo mpitsabo! Rariny ve izany?? Ka raha mbola any am-ponja foana ary izany ireo mpitsabo ireo dia milaza i Eoropa hoe avelao ny zanakao hijaly sy ho faty ihany fa izahay indray tsy manampy azy ireo izany.”

Làlana hafa no nizoran'i Soad avy ao amin'ny My Enchanting Sereeb, ny an'ny embona sy ny an'i Libia tany amin'ny taonjato faha-60 sy 70 tany miaraka amin'ny tantaran'ny rahavaviny sy ireo zavatra niainan'ny fahazazany.

” Eto, haiko fa tia Usban ianao ka nitondràko ity Dowara vao vita ity.’ Tena nalefaka sy nafana ilay fonosana”

Raha toa kosa ka talanjona amin'ny fomba familiantsika aty i Maysoon , Libiana iray renim-pianakaviana mazoto miasa, izay vao niverina taty Libia.

Raha tsy ho raisina ireo mamily miaraka amin'ireo zanany eo ambony lohaliny, ambadiky ny familiana!!???!!! Ary ireo mamily sy te-hifindra laharana, dia mihevitra izy ireo fa azy ny arabe, ary afaka miova làlana mba ho any amin'ny iray hafa tsy mila mijery akory?!! na koa ireo mampiantsona fiara tsy mijery akory sao misy fiara mandalo any amin'ny làlana alehany. Tena minoa ahy fa ilàna  manana maso 10 ( toy ny filazan'i Neny) ny mamily fiara aty Libia. Oh! Insha'Allah!”

Ny farany fa tsy ny kely indrindra dia ny fanohizan'i White African ny fampialàna voly antsika miaraka amin'ireo tantarany mikasika ny zava-niainany tamin'ny fivahinianana tao amin'ny toerana masina Hajj eto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.