Tantara mikasika ny India tamin'ny Mey, 2011
Toekarena Erantany: Ny Lanjan'ny Vehivavy Amin'ny Resaka Fahantràna, Asa ary Trosa
Ny fanehoan'ny International Museum of Women / Tranombakoka Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy teo anivon'ny aterineto mikasika ireo vehivavy sy ny toe-karena, manasongadina sary mifandimby, podcasts, lahatsary sy andrana momba ireo vehivavy any amin'ny firenena toa an'i Sodana, Danemarka, Filipina, Etazonia, Costa Rica, Meksika, Arzantina sy ny fahitan'izy ireny ny olana tahaka ny fahantràna, ny fandraharahana, ny fianakaviana, ny zo, ny ara-bola ary ny maro hafa.
Lahatsary: Manam-pahaizana tanora vao misondrotra any Inde, Singapore ary Afrika Atsimo
Efa nivoaka ny filaharan'ireo mpifaninana hiatrika ny dingana antsasa-dalana amin'ny Tetikasan'ny Google Science Fair. Na dia nisokatra ho an'ireo tanora eo anelanelan'ny 13 sy 18 taona avy amin'izao tontolo izao aza izany, mahaliana ny manamarika fa i Etazonia, Singapore ary Inde no nahazo ny isa ambony indrindra tao anatin'ireo mpiatrika ny dingana antsasa-dalana 60 voafantina, izay ahitana ihany koa ireo tafiditra avy any Nouvelle-Zélande, Afrika Atsimo, Fanjakana Mitambatra ary Kanada.
Teknolojia ho amin'ny fangaraharana: Tatitra farany
Faly ny Tambajotran'ny teknolojian'ny fangaraharana fa mivoaka izao ny tatitra farany , Sarintanin'izao tontolo izao momba ny fampiasana ny teknolojian'ny fangaraharana sy ny asa madio. Vao navoakan'ny Transparency and Accountability...
India: Tapitra ny 34 Taona Nifehezan'ny Antoko Kaomionista Tao Bengal Andrefana
Vavolombelon'ny tantara i Bengal Andrefana androany tamin'ny nanilihan'i Mamata Banerje, mpitarika ny antoko All India Trinamool Congress tsy ho eo amin'ny fitantanana ny fanjakana Indiana ny 34 taona nifehezan'ny Antoko Kaomionista. Maneho hevitra momba io fandresena io ireo mpiondana aterineto.