Tantara mikasika ny India tamin'ny Jolay, 2018
IndiBlogger.in : Ny toetry ny tontolon'ny blaogy indiana
Nizara vaovao mahaliana taminay mikasika ireo blaogy 7895 resahan'ny IndiBlogger.in i Renie Ravin ao amin'ny IndiBlogger.in. Vavahadin-tserasera tena mavitrika be anà blaogy indiana ny IndiBlogger.in, miaraka amina endri-javatra tsara toy ny fanangonana isaky ny lohahevitra, fandaharana ireo blaogy mifanaraka amin'ny lazany (IndiRank) ary fitaovana iray fandaminana hatsikana (andiana lohahevitra iombonana na tenifototra any amin'ny blaogy), IndiVine.
India: Sary voalohany tao amin'ny flickr mampiseho ny fipoahana baomba tao Mumbai
Nalefa tao amin'ny flickr ireo sary nalaina voalohany avy ao Mumbai. Nandefa sary maro avy eny an-dalamben'i Mumbai i Vinu avy ao amin'ny Vinu's Online Cloud. (2008)
India, Sri Lanka: Fetiben'ny Tempoly tany amin'ny andaniny sy ankilan'ny andilan-dranomasin'i Palk
Ampahany manan-danja amin'ny fiainan'ny Tamòla haindò, manerana ny firenena izay honenan'izy ireo ny fetiben'ny tempoly. Ity tatitra an-tsary manaraka ity dia ahitana ny fotoana vitsivitsy tamin'ireo fetibe ireo.
Inde: Ny hazakazaka amin'ny vahaolana ara-toetrandro
''Nitety izao tontolo izao tamin'ny fiara mandeha amin'ny herinaratra, angovo avy amin'ny masoandro, [la Reva] i Alexis Ringwald sy Caroline Howe mba hanintonana ny saina amin'ny fiovana ara-toetrandro ao amin'ilay soba-kaontinanta indana goavana.''
Inona no lazain'ny bilaogera momba ny ambanivohitr'India?
Rehefa namaky bilaogy samihafa aho dia matetika izany no milaza fa mampiseho ny fisainan'ny olona saranga antonony ny famahanana bilaogy ao India. Dia tena nieritreritra tokoa aho noho izany raha marina ny lazain'ny bilaogy Indiana mikasika ireo lohahevitra tsy momba ny sarangan'olona antonony na momba ny tanandehibe sy ambanivohitr'i India.
Misaona indray ny Kashmirita rehefa nitifitra tamin'ny mpanao fihetsiketsehana ny tafika indiana, ary nahafaty telo
Anisan'ny maty tamin'izany ny zazavavy 16 taona iray antsoina hoe Andleeb Jan.
Karaiba: Mitodika Amin'i Mumbai ny Maso
Firenena telo any Karaiba, Guyana, Suriname, ary Trinité sy Tobago no ahitana olona marobe indrindra manana fiaviana indiana ao amin'ny mponina ao aminy... Tsy misy fahagagana, marobe ireo mponina ao Karaiba sy ireo blaogera no nanaraka akaiky an'ireo fampihorohoroana vao haingana tao Mumbai, tanaty horohoro sy alahelo be.
India: Vehivavy tantsaha mitsangana hiady amin'ny fikorontanan'ny toetrandro
Vondrom-behivavy iray ao India no naneho fa na dia eo aza ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy sy ny fahantran-dry zareo, dia mety ho lasa fitaovana mahery vaika izy ireo amin'ny fiadiana ny fikorontanan'ny toetr'andro sy hampihena ny fandefasana etona mahatonga izany.