Tantara mikasika ny India tamin'ny Novambra, 2011
Israely: Ampitahorin'i Netanyahu Hosoloina Dokotera Indiana Ireo Mpianatra Ho Mpitsabo
Taorian'ny volana maro nisianà hetsi-panoherana, Benjamin Netanyahu, Praiminisitra Israeliana dia nanolo-kevitra ny tokony hanoloana ireo mpianatra ho mpitsabo aminà mpiasa vahiny mpila ravinahitra avy any India raha toa ka tsy hita izay marimaritra iraisana amin'izy ireo.Naneho hevitra tany anaty aterineto ireo mpianatra ho mpitsabo, miaraka aminà vazivazy sy esoeso.
India: Ny Zanak'i Aishwarya Rai Sy Ny Hadalan'ny Haino Aman-jery
Ny mpilalao horonan-tsarimihetsika any Bollywood izay bevohoka, dia i Aishwarya Rai Bachchan sy ny zanany izay mbola am-bohoka, no vaovao tena malaza ao amin'ny haino aman-jery Indiana. Miresaka mikasika ny tsaho, ny vaovao, ny fifanoheran-kevitra sy ny fomba fijery amin'ity resaka ity ireo mpampiasa Twitter.
Azia Atsimo: Mankalaza ny Zazakely Faha-7 Miliara
Tamin'ny 31 Oktobra 2011, nandray ny zazakely vao teraka antsoina hoe Oishi ny planeta. Nampitondraina hafatra manokana ny Fahaterahany tao an-drenivohitr'i Bangladesh, Dhaka -” izy no zaza faha-7 miliara eto an-tany.”...