Tantara mikasika ny India tamin'ny Jolay, 2017
India : Ny Fanafihana Tao Jaïpur Tantaraina Ao Amin'ny Bilaogy Indiana
Tamin'ny 13 Mey 2008, namely ny tanànan'i Jaïpur ny andiana daroka baomba. Araka ny tarehimarika ofisialy, 60 no namoy ny ainy ary 150 no naratra. Namoaka lahatsoratra momba an'i Jaïpur ireo bilaogy Indiana.
Tontolon'ny Bilaogy Hindi: Fidiram-bola Amin'ny Dokambarotra, Bollywood sy Tantara Hafa
Tsy manana olana amin'ny fametrahana dokambarotra ireo bilaogera maro manoratra amin'ny teny Anglisy ary maro amin'izy ireo no miteraka fidiram-bola ampy avy amin'ny bilaogin'izy ireo. Saingy tonga ny olana rehefa tsy mibilaogy amin'ny teny Anglisy ianao fa amin'ny teny hafa satria manomboka mihena ny safidinao amin'ny dokambarotra
Arakaraka ny Anositosehan'ny Antoko Mitondra ao India ny Teny Hindi no Anoheran'ny Olona Azy
Tsy miteny tsia amin'ny hindi ao amin'ny pasipaoro izahay. Ny tokony fanontaniana dia hoe nahoana no hindi "ihany".
Karnavaly: Lahatsary Avy Amin'izao tontolo Izao
Ny fomba iray ahafantarana ny kolontsaina, dia ny mahita ny fomba fankalazana sy ny antony hankalazana izany. Maro ny firenena manana fety iraisana, dia ny Karnavaly, ary samy manana ny fankalazany izany ny firenena tsirairay.
Fanomezana Vita Amin'ny Taratasy Mivadika Ho Zavamaniry
"Saino ange izany, hitombo ho zavamaniry ny fonosana izay ho atsipy eny amin'ny zoron-dalana, na any anaty fanariam-pako."
Nitsahatra Tamin'ny Fandrosoana Hena Amin'ny Sidina Anatiny Ny Air India. Fitsitsiana Ve Sa Antony Ara-politika?
"Tsy nanome intsony ny sakafo misy hena ao amin'ny kilasy ekonomika Air India ny governemanta ankehitriny.... tsy nisy fanamarihana nomena ... fanadiovana ara-maoraly iray hafa ..."
India: Famandrihan-toerana, Lalàna, Bollywood, Voanjo
Hatramin'izao, amin'ity volana ity, ny lohahevitra lehibe amin'ny fifanakalozan-kevitra virtoaly ao India dia ny amboara manerantany ho an'ny lalao cricket ao Antilles. Satria voahilika mazava amin'ny amboara manerantany i India ankehitriny, nitodika tamin'ny olana hafa ny sain'ireo bilaogera.
Manohitra An'i Robertson Izao Tontolo Izao
Tao anatin'ny lahateny erantany mikasika ireo fanamarihan'i Pat Robertson , Amerikana evanjelisitra mpitory filazantsara amin'ny fahitalavitra, miantso famonoana ny Filoha Venezoeliàna Hugo Chavez (izay nialàny tsiny taty aoriana), maro ny fandinihana mikasika ireo fanaovana mahery fihetsika ara-pinoana - sy ny fandeferana be loatra omena azy io any amin'ireo firenena maro isankarazany.
Playing for Change: Fandriampahalemana Amin'ny Alalan'ny Mozika
Misarika ny sainay ny tetikasa fiaraha-miasan'ny mozika manerantany amin'ny alàlan'ny antsoina hoe Playing for Change: Peace through Music (Milalao hisian'ny Fanovana: Fitoniana amin'ny alalan'ny Mozika) ny MeetJohnSong.
Manavao Ny Torapasika Versova Amin'ny ‘Fanadiovana Ny Torapasika Lehibe Indrindra Manerantany ‘ Ny Mponina Ao Mumbai
"Tsy mampino ahy hoe ity ilay torapasika izay notsidihako tamin'ny taon-dasa ary hoy ilay namako hoe, ô lehiroa, tena maloto izy izany."