Tantara mikasika ny India tamin'ny Jona, 2017
Erantany: Mamono Jiro, Ho An'ny Planeta
Nasehon'ny tontolon'ny bilaogy avokoa ny fisehon'ireo fihetsika rehetra, nanomboka teo amin'ny fanantenana sy ny fanohanana ka hatramin'ny tsikera sy ny fanomezana henatra.
India: Fikambanan'ny Asa Fanaovan-gazety Miaraka Amin'ny Video Volunteers
Ny Video Volunteers na Mpaka Sary Mpilatsaka An-tsitrapo dia fikambanan'ny mpamokatra fampitam-baovao tsy mitady tombontsoa avy amin'ireo tanànakely sy trano bongo ao India, izay mamorona votoaty manan-danja ho azy ireo sy mandefa izany hojeren'ny vondrom-piarahamonina.
Mitombo Any India : Mifampitantara Amin'ny Lahatsary ireo Tanora
ity lahatsary farany avy amin'ny Noida Public School any Delhi ity dia manome antsika fomba fijerin-dehilahy, ary manadihady ny mahatonga ny fifohan'ny adolantsento sigara ho vokatry ny olana any an-trano sy ny fitaoman'ny namana.
Manàmbana Haka An-keriny Vehivavy Indiana Ao Amin'ny Facebook Ny Vondrona ‘Cyber Warrior’
Mety hitarika vokany henjana eo amin'ny fiainana tena izy, indrindra ho an'ireo vehivavy, ireo fandrahonana miendrika famonoana sy fakàna ankeriny olona .
Bahrain: Hanina An'i India
Maro ny Bahrainita mianatra eny amin'ny oniversite sy kolejy ao India, ary iray amin'izy ireo ilay bilaogera antsoina hoe MuJtAbA AlMoAmEn. Vao haingana izy no nanoratra momba ny fihetseham-pony mikasika ny malahelo an'i Bahrain tamin'izy tany India - sy ny faniriany hiverina any India taorian'ny fialan-tsasatra lava be tao Bahrain.
Ao India, Tsy Mahazo Fitsaboana Sy Ny Rariny Araka Ny Tokony Ho Izy Ilay Tafavoaka Velona Tamin'ny Herisetra An-tokantrano
Na dia tsy afa-miteny aza i Rajvat, nanome fanambarana an-tsoratra manamarina izy fa efa nangataka 50.000 ropia tamin'ny ray aman-dreniny ny vadiny mba hividy môtô. Nandrahona ny hamono azy ny vadiny raha tsy hanome ny vola izy.
Fetibe Iray Vaovao Ao Madhya Pradesh, Mamelona Indray ny Kolontsaina iray Efa Verin'ireo Vazimba Teratany
An'arivony maro ireo olona nifamory tao amin'ny vohitr'i Verwada ao amin'ny distrikan'i Barwani hankalazàna ilay fetibe tena mbola vaovao tao Madhya Pradesh –ny fetiben'ny Rani Kajal Mata, andriamanitra fahagolan'ireo vahoaka vazimba.
‘Ny Vatana no Maty Fa Tsy Maty Ny Firenena': Mihaino Ve Ianareo? Rakipeo
Ho entinay any Venezuela, Kashmir tantanan' Indiana, Thailandy, Nizeria, ary Brezila ianao ato amin'ity fizaran-tantara ity.