Tantara mikasika ny India tamin'ny Mey, 2019
‘Tsy hifidy izahay raha tsy vita ny làlana': hetsika tsy fankatoavana sivily any amin'ireo faritra any India
Nanosika ny Goans hanao ankivy ny fifidianana Lok Sabha ao amin'ny tananakelin'i Marlem any amin'ny fanjakana Indiana any Goa ny lalan-dratsy, ny tsy fisian'ny rano fisotro madio ary ny tsy fisian'ny famatsiana herinaratra.
Nanavotra olona an'arivony ny fiomanana rehefa namely ny morontsiraka atsinanan'i India ny rivodoza Fani
Ain'olona maro no voavonjy tamin'ny faharavana vokatry ny rivodoza mahery vaika Fani noho ny famindran-toerana efa voahomana nataon'ny fitondram-panjakana tao an-toerana niaraka tamin'ny fanohanan'ny mpialatsaka an-tsitrapo an'arivony.
Azia atsimo: Mihaino bilaogy
Azia atsimo, mihaino bilaogy
Manomboka ao Dhaka ny fihaonambe SAARC faha-13
Nanomboka ao Dhaka, renivohitr'i Bangladesh ny andro nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy ny fihaonambe faha-13 ho an'ny Fikambanana Fiarahamiasa Ara-paritra ho an'ny firenena fito Aziatika Tatsimo (SAARC) ahitana an'i Bangladesh, Bhutan, India, Maldiva, Nepal, Pakistan ary Sri Lanka.
Ny malaza ao amin'ny bilaogy any Azia Atsimo
Ao anatin'ny fitsidihana ireo bilaogera Aziatika Atsimo tamin'ity herinandro ity, maro amin'izy ireo no mizara lohahevitra iraisana sy ny resaka fanatanjahantena, momba ny cricket; sarimihetsika; sakafo; ary mazava ho azy ny politika.
Azia Atsimo: Avy amin'ny tontolon'ny bilaogy
Manana rohy mankany amin'ny tafatafan'ny Voice of America tamin'ny Dr. Chanchal Khan, mpanolo-tsaina ao amin'ny Bankin'ny Fampandrosoana Aziatika izay miompana amin'ny olana momba ny fampandrosoana sy ny fampihorohoroana ara-polotika i Imtiaz. Manana lahatsoratra momba ny fihainon-dresaka amin'ny finday momba ny zon'olombelona ao amin'ny bilaoginy i Rezwan.