Tantara mikasika ny India tamin'ny Jona, 2013
Fampanantenana Rariny Ara-Piarahamonina ho an'ireo Tsy Manan-tany ao India
Nankatoavina nandritra ny fivoriana niarahana tamin'i Jairam Ramesh, minisitry ny fampandrosoana ny faritra ambanivohitra tamin'ny 15 aprily 2013, ny asa maharitra notontosain'ny Ekta Parishad, ( “diniky ny Firaisan-kina” [hi]) teny amin'ny...
Taokanto Maoderina Indiana Hita Tamin'ireo Lahatsary Fanadihadiana Miaraka Amin'ireo mpanakanto
Ny tetikasa Regarding India (Mitodika amin'ny Inde) dia andiana lahatsary fanadihadiana an'ireo mpanakanto Indiana mikasika ireo asany, izay tarihin'i Kathryn Myers, mpanao hosodoko sy mpampianatra ny taokanto amin'ny anjerimanontolon'i Connecticut.
Ravan'ny Safodrano Sy Ny Fihotsahan'ny Tany Ny Faritra Avaratr'I India
Namono olona maherin'ny 500 sy nampihitsoka olona eo ho eo amin'ny 70.000 zara raha manana vatsy sy fitaovam-pialofana noho ny fahasimbana na fahatapahan'ny làlana ilay safodrano sy fihotsahan'ny tany tany avaratr'i India.
#SafeCityPledge: Nijoro Hiaro Ny Vehivavy Aty Anaty Aterineto Ny Indiana
Nisy fanentanana nanerana ireo tambajotra sosialy Indiana tao amin'ny Twitter niaraka tamin'ny fanomezan-toky avy amin'ny tsirairay fa hiady amin'ny fanolanana sy ny fanabantiana vehivavy.
Hakaton'i Inde Ny Tolotra Fandefasana Telegrama Nandritra Ny 160 Taona
Nanambara ny orinasam-pifandraisana miankina amin'ny fanjakana ao Inde, Bharat Sanchar Nigam Limited (BSNL) fa hanapaka ny tolotra fandefasany telegrama nandritra ny 160 taona manomboka ny 15 Jolay 2013 noho ny fitotonganan'ny fampiasana io tolotra io sy ny fatiantoka goavana eo aminy.
Didim-Pitsarana Indiana Manome Vahana Ireo Zo Ara-poko Mikasika Ny Drafi-Pitrandrahan'ny Vendata
Ny 18 Aprily 2013, ny Fitsarana Avon'i India dia namoaka didy hoe tokony handray ny fanapahan-kevitra farany ireo mpanolotsain'ny tanàna mikasika ny ho fahafahana mitrandraka bauxite any amin'ny fanjakana atsinanan'i Odisha ho an'ny Vedanta Resources. ilay orinasa Britanika miteraka resabe. Maniry hitrandraka eo amin'ny nosy Dongria Kondh izay ataon'ny olona ho tany masina ny Vedanta.
“Mibodo Tany” Any Afrika Ve Ny Orinasa Indiana ?
Mbola adihevitra mitohy ny hoe fandrisihina ny fampandrosoana, sa fibodoana tany tsotra izao ny fividianana na fanofàn'ireo orinasa sy governemanta avy any ivelany tany any Afrika. Nandray anjara tamin'ny resaka Q&A (Fanontaniana&Valiny) tao amin'ny Facebook momba ny "fibodoana tany" any Afrika i Aman Sethi solontenan'ny The Hindu any Addis Abeba.