Tantara mikasika ny India tamin'ny Avrily, 2011
India: Ny Fandrisihana ny Vehivavy sy ny Lahatsary am-Bilaogy
Women Aloud Videoblogging for Empowerment (WAVE) dia sehatra iray sy fandaharanasa handrisihana ireo vehivavy any amin'ny faritra manodidina ny renivohitra any India hanehoan'izy ireo ny heviny anaty lahatsary eo amin'ny aterineto mikasika ireo lohahevitra mahakasika azy.
India: Fanehoana Fanohanana ny Fiarahamonin'ny “Gay” Taorian'ny Fampisehoana Lahatsary
Voaporofo tany Raipur ny herin'ny lahatsarin'ny olom-pirenena hampirisihana ny fanovàna. Ny fampisehoana lahatsary iray mampiseho ny fahasarotana iainan'ny vondrom-piarahamonin'ny "gay" dia nahafahan'ireo mpijery avy amin'ny sehatra samihafa niresaka momba ny fanavakavahana sy naneho ny fanohanany tamin'ny fikarakarana hetsika am-pilaminana.
Fanalahidy Hamongorana Ny Hanoanana Eran'Izao Tontolo Izao Ve Ny Fandrisihana Ny Vehivavy?
Satria ny vidin-tsakafo eran-tany dia mitohy hatrany mijanona ho avo, ary mbola hita eny am-paratazana ny fisondrotana noho ny sondro-bidin'ny solika sy ny tahirin-tsakafo, milaza ireo manampahaizana manokana fa misy vahaolana izay matetika no tsinontsinoavina azo iadiana amin'ny hanoanana: ny vehivavy.
India: An-davitrisa ireo Nankalaza Ny Fandresena Azo Tamin'ny Fiadiana Ny Ho Tompondaka Erantany Amin'ny Cricket
Ny Sabotsy 2 Aprily 2011, nanoratra ny tantara ireo "lehilahy mitafy manga" any India tao amin'ny toeram-pilalaovan'i Wankhede ao Mumbai rehefa resin-dry zareo tamina wickets enina i Sri Lanka ary nanandratra avo toy ny fomban'ny mpandresy ny Amboaran'ny Tompondaka Erantany amin'ny Cricket. Mitondra sary ho anareo izahay anehoana ny fihetseham-pon'ny tarika sy ny mpanohana azy ireo.