· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny India tamin'ny Marsa, 2011

Hollaback!Fampiasaina finday hisorohana ny herisetra eny an-dalambe

Tranga tsy mbola fahita tany aloha ahafahana mampitsahatra herisetra ara-nofo eny an-dalam-be ny fisian'io "fipoahana teknolojia teo amin'ny finday io". Namporisika ny vehivavy manerana izao tontolo izao mba hampiasa an'ireo fitaovana eo am-pelantanan''izy ireo ireo io tetikasa io mba ahafahan'izy ireo mizara ny tantarany, manao tatitra sy mamaritra ny toerana nitrangan'izany toe-javatra izany.

India: Ny Lokon'ny Holi (Fetibe Hindu)

  21 Marsa 2011

Anatin'izao oran'ny fisavoritahana izao, angamba mba mila firavoravoana kely izao tontolo izao, ary inona no tsara indrindra miohatra amin'ny loko marevaka sy manjelatry ny Holi, ny fetin'ny lohataona, ho fanavaozana ny faniriantsika, ny fanantenana ary ny fifaliana.

India: Fahatezerana tao amin'ny Parlemanta noho ny fivoahan'ny telegrama vaovao tao amin'ny Wikileaks

  19 Marsa 2011

Nitarika fahatezerana tamin'ny Parlemanta Indiana nahitana ny mpanohitra nangataka fanazavana tamin'ny praiminisitra, ary tonga tamin'ny fitakiana ny fialàny ny fivoahana andia-telegrama Indiana farany avy amin'ny Wikileaks, manambara ny fisiana fanangolena ny depiote nandritra ny fametraham-pitokisana volana jolay 2008  nofinidin'ny governemanta UPA ankehitriny. Voatery nanao fanambarana mandà izay voalaza ny praiminisitra Manmohan...